Maro ireo fanatsarana tokony himasoana. « Efa latsaka ambany ny faha- salaman’ny ranomasina eto Madagasikara », hoy Rabearisoa Ando, mpandrindra ny fandaharan’ asa mahakasika ny tontolo an-dranomasina eo anivon’ ny Conservation International (Ci), nandritra ny fampaha- fantarana natao ny zoma teo, momba ny fitaovana « Ocean Health Index », entina handrefesana ny fahasalaman’ny ranomasina. Mpikaroka 65, nahitana ny avy ao amin’ny Ci no nanao ny fanadihadiana nampitahana ny faha- salaman’ny ranomasina tamina firenena miisa 171 maneran-tany ary navoaka ny volana aogositra teo ny vokatry ny fikarohana. Rehefa nomena naoty ireo firenena isanisany ireo dia nahatratra 51/100 ny naotin’i Madagasikara. Ambany raha oharina ny an’i Maorisy (60/100), Seychelles (73/100).
10 karazana ireo mari- pandrefesana nampiasaina namaritana sy nahazoana ny voka-pikarohana, ka nisongadina be tamin’ ireo ny maha olona. « Ny tsy mbola fahitana vokatra mivaingana ny fiantraikan’ ny jono an-dranomasina eo amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina no anisan’ny nampihintsana ny naotin’i Madagasikara eo amin’io sehatra io. Eo ihany koa ny fihenan’ireo mpizaha tany tonga aty amintsika, ka tsy miteraka tombontsoa misongadina ho an’ny mponina », raha ny fanazavana ihany. Atao isan-taona ity fikarohana fandrefesana ny fahasalaman’ny ranomasina ity, ka mila ny fandraisana andraikitry ny fitondram-panjakana ny fahazoana manatsara ireo hita ho mbola lesoka.
Monica Rasoloharison









0 Fanehoan-kevitra