Subscribe to RSS
  • Acupuncture ...
    5 000 TAONA ATY AORIAN'NY NIANDOHAN'NY ...

    Acupuncture – Teboka 800 amin’ny vatan’ny olona no azo itsaboana

    5 000 TAONA ATY AORIAN'NY NIANDOHAN'NY ACUPUNCTURE NA NY FOMBA FITSABOANA SINOA AMIN'NY ALALAN'NY FANJAITRA: MANOMBOKA MAHAZO VAHANA ETO AMINTSIKA ...
  • Teriterin...
    Raha zohina dia tsy hametra-pialana eo ...

    Teriterin’ny iraisam-pirenena – Tsy hiala Rajoelina, mety hihemotra indray ny datim-pifidianana

    Raha zohina dia tsy hametra-pialana eo amin'ny toerany ny Filohan'ny tetezamita, Andry Rajoelina raha tsy efa milamina  sy mazava tanteraka ...
  • Praiminisitr...
    Nampiaka-peo ny Praiminisitra Omer Beriziky, omaly ...

    Praiminisitra Omer Beriziky – Nanameloka ireo faniratsirana amin’ny sora-baventy

    Nampiaka-peo ny Praiminisitra Omer Beriziky, omaly hariva, teny Mahazoarivo. Nanameloka ireo olona nitondra sora-baventy tamina hetsika famoriam-bahoaka iray, teny Ankorondrano ...
  • Loza tampoka...
    Zazalahy iray 14 taona no maty ...

    Loza tampoka – Zazalahy 14 taona maty nipoahan’ny bala

    Zazalahy iray 14 taona no maty nipoahan'ny bala, voalaza fa hitany teny an-tokotaniny, tetsy Ambodirano, ao amin'ny kaominina Ivato Firaisana, ...

RAHARAHAM-PIRENENASokajy raharaham-pirenena

Karama vaty masaka
Karama vaty masaka(0)

Nisy dia nisy tokoa ireo nimenomenona ho tsy nahazo vola teny Ankorondrano Andrefana nandritra ilay hetsika famoriam-bahoaka ho fanoherana ny hevitry ny iraisam-pirenena ny amin’ny tokony hisintahana kandidà telo amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Raha ny voalazan’izy ireo dia nisy olona nitaona azy ireo teny amin’ny fokontany hanao io hetsika io ary hisy vola ho tambin’izany. Ny

Henri Roger Ranaivoson – «Samy hafa i Marc Ravalomanana sy ny vadiny»
Henri Roger Ranaivoson – «Samy hafa i Marc Ravalomanana sy ny vadiny»(0)

Miezaka miaro mafy ny firotsahan’i Lalao Ravalomanana Rakotonirainy ireo mpomba azy ankehitriny. Naneho hevitra ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambony tetezamita (Cst) avy amin’ity firehana ity, Ranaivoson Henri Roger, omaly teny Anosikely fa «samy hafa tanteraka ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc sy ny vadiny». «Olon-tsotra i Lalao Ravalomanana. Tsy manana fanamelohana any amin’ny fitsarana

Teriterin’ny iraisam-pirenena – Tsy hiala Rajoelina, mety hihemotra indray ny datim-pifidianana
Teriterin’ny iraisam-pirenena – Tsy hiala Rajoelina, mety hihemotra indray ny datim-pifidianana(0)

Raha zohina dia tsy hametra-pialana eo amin’ny toerany ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina raha tsy efa milamina  sy mazava tanteraka ny fitsipi-dalao sy ny fepetra rehetra ahafahana miroso amin’ny fifidianana filoham-pirenena izay tokony hotanterahana ny 24 jolay izao. Nahariharin’ny Filoha mpanorina ny antoko Tanora malaGasy Vonona rahateo ny «fanahiany ny mety tsy hahatanterahan’io fifidianana io ».

Hijery hafa

TAKILA MANOKANASokajy takila manokana

Ao raha hisakafo
Ao raha hisakafo

Trondro nahandro tahitianina Tsy dia natao homasahana hatrany ny fomba fihinanana ireny trondro ireny, fa azo atao tsara ihany koa ny mihinana azy manta, toy ny fomba fahandroan-tsakafo any Tahïti, araka izao fomba fikarakarana manaraka izao. Zavatra ilaina:  Nofon-trondro araka ny habetsahany itiavana azy, sira, voasary makirana, karaoty vitsivitsy, korzety, voatabia, sakay fanendy, voasarihangibe (pamplemousse), dipoavatra Fomba fikarakarana ny sakafo: Sasana madio tsara ny nofon-trondro. Esorina ny taolany, raha misy. Tetehina madinika ho efamira, tokony ho antsasaka santimetatra, atao faran’izay manify. Asiana sira vaingana, androtsahana rano kely tokony ho iray vera. Avela hilona kely mandritra ny antsasak’adiny eo ho eo. Esorina ary tatavanina. Tondrahana rano mangatsiaka indray. Esorina ny rano. Atao anaty lovia lehibe iray lalin’aty, asiana ranom-boasary makirana. Avela hilona mandritra ny antsasak’adiny indray. Kikisana amin’ilay faritra lehibebe amin’ny fikikisana iny ny karaoty sy ny korzety, mandra-piandry izany. Tetehina efamira ihany koa ny voatabia rehefa avy nosasàna. Tetehina manify kely ny sakay. Voasana ny voasarihangibe, esorina ny nofony ary afangaro ao amin’ireo legioma. Asiana sira kely sy dipoavatra rehefa avy eo. Afangaro amin’ny trondro ny legioma rehetra. Manatsara ny tsirony kokoa raha androtsahana ranom-boanio kely ny sakafo. Azo aroso amin’izay. Mazotoa homana tompoko ! 

Torohevitra ara-pahasalamana
Torohevitra ara-pahasalamana

Ireo soa entin’ny fihinanana voankazo amin’ireo karazana taova Efa manomboka mameno ny tsena ireo voankazo isan-karazany amin’izao fotoana izao. Tsara ho fantatra fa toy ny legioma dia maro ny asa sy soa entin’izy ireny amin’ny fahasalaman’ny vatana. Raha tiana ho salama sy hahavita ny asany araka ny tokony ho izy ny tatavia sy ny voa dia tsara raha mihinana voanketsihetsy na «pastèque», voantango, mirtila. Mahasalama ny vavony ny mananasy, papay, paoma, zavoka, amponga bendanitra. Mahatsara ny fo kosa ny fihinanana akondro, voaloboka, paiso, «corossol». Miasa tsara ihany koa ny rafikozatatitra raha toa ka mihinana zavokà, paiso, amanda. Paoma, papay,paiso…  Mahasalama ny taovam-pananahana indray ny fihinanana voankazo nohamaini­na. Mahasalama ny taovam-pandevonan-kanina kosa ny papay, paoma, voasary mankirana, oliva, «kiwi». Ny paoma, akondro, voasary indray no tena voankazo tena mahasalama ny taovam-pisefoana. Tsara ihany koa anefa raha mihinana ampongambendanitra, paoma, paiso, «kaki», «carambole» raha tiana ho salama tsara ny tsinay. Mahasalama ny aty ihany koa anefa ny voamadilo, paoma, paiso, voaloboka, serizy. Ankoatra ny paiso sy ny voasary indray dia afaka mihinana manga raha tiana ho salama ny maso. Raha tiana hahatohitra ny aretina azo avy amin’ny otrik’ aretina indray ny vatana dia tsara raha mihinana voasary, letisia, «kiwi», voasary mandarina. Afaka enti-misoroka ny homamiadana ihany koa ny fihinanana paiso, «corossol», paoma, manga, frezy, «kiwi». Tsara araka izany, raha ny toro-hevitr’ireo mpitsabo, raha marisika ny rehetra mihinana voankazo rehefa fotoana fahavokaran’izany. Hanitry Ny Aina

Tsara hay
Tsara hay

Ny fahitan’ireo mpahay hary ny toekarena amin’ity taona 2013 ity Araka ny vinavinan’ireo mpahay hary mivondrona ao anatin’ny Crem (Centre de réflexion des économistes  à Madagascar)  dia ny fampihenana ny fandanian’ ny governemanta no antoky ny ho fahasalaman’ny toekarena eto Madagasikara amin’ity taona 2013 ity. Raha tsy izany dia hihena 10% indray ny vola hiditra amin’ny fanjakana amin’ity taona ity. Araka ny fahitan’ireo mpahay hary ireo ihany, manoloana ny toe-draharaha misy dia hiakatra 84% ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara, raha efa 81% tamin’ny taona 2012 . Hiakatra 3% fahantran’ny vola ka hanasarotra ny fihazomana ny sandan’ny Ariary. “Hihena hatrany amin’ny 16% ny sandan’ny volantsika. Araka izany dia mety hihoatra ny Ar 3 000 ny Euro, ary hihoatra ny Ar 2 500 ny dôlara. Hihemotra 25% ny fahefa-mividy. Hitombo ny tsy an’asa. Hiakatra 18% hatramin’ny vidin-tsolika. Hiakatra 13% ihany koa ny vidim-piainana”, raha ny fahitan’ireo mpahay hary eo anivon’ny Crem ihany. Omeo lanja ny fahasalamam-bahoaka Mahita ireo mpahay hary ireo fa tokony homena lanja ny fahasalamam-bahoaka amin’ity taona ity. “Tokony hampiakarina ny tetibola atokana ho an’ny fahasalamam-bahoaka hihoarana ny fahantrana. Tokony hisy fanampiana ara-bola manoloana ny zava-misy ho an’ny fitaterana an-tanety hihazomana ny saran-dalana, ho an’ny fitaterana an’habakabaka indray mba hampihenana ny saran’ny tapakila mankaty Madagasikara ka hampiakatra ny isan’ireo mpizaha tany hatrany amin’ny 50% amin’ity taona ity. Raha tontosa izany dia hiforona manaraka izany ny asa ao anatin’ny tontolon’ny fizahantany sy ny asa tanana. Tokony harahin’ny fampidinana ny fandanian’ny Fanjakana sasan­tsasany anefa ny fanomezana io fanampiana io. Toy ny fampihenana ny tombontsoa omena ireo olom-boafidy sy ireo mpiasam-panjakana ambony sasany…”, hoy izy ireo. Hamorao ny fampiasam-bola Eo amin’ny tontolon’ny fampiasam-bola indray dia manoso-kevitra ny amin’ny tokony hahazoan’ireo mpampiasa vola eto an-toerana tombontsoa manokana ahafahan’izy ireo mamorona asa ny Crem. “Tokony hidina 3% hatramin’ ny 5%, ohatra, ny zana-bola alaina amin’izy ireny. Tokony hisy ezaka manokana atao hamerenana ny fahatokisan’ny banky manoloana ireo fifanakalozam-bola atao. Tokony hamoraina ihany koa ireo fombafomba tokony arahina rehetra ahafahana misintona ireo mpampiasa vola vahiny. Tokony homena ny hoenti-manana ihany koa ny eo anivon’ny sampana misahana ny antontan’isa ahafahany manaparitaka ireo vaovao rehetra ilain’ireo mpandray anjara ao anatin’ny toekarena”. Hanitry Ny Aina

Hijery hafa

ZAVAKANTOSokajy zavakanto

Fetin’ny Reny – Hamaky sehatra eto Antananarivo i Barinjaka sy Nina’s
Fetin’ny Reny – Hamaky sehatra eto Antananarivo i Barinjaka sy Nina’s(0)

Mpanakanto roa samy ho avin’ny mozika mafana. Taorian’ireo seho takariva samihafa, hamaky sehatra eto Antananarivo i Barinjaka sy Nina’s, ao anatin’ilay fampisehoana «Fetin’ny reny goavam-be», izay hotanterahina ny alahady tolakandro izao, etsy amin’ ny kianjan’ny Complexe scolaire Ampefiloha. Sambany izy mianadahy ireto, araka izany, no hiatrika seho an-kalamanjana. Hibahan-toerana ao anatin’ity seho ity, araka izany, ny gadona avy any amin’ny faritra atsimon’ ny Nosy satria raha nahafantarana

Rakikira fah-8 – Hanolotra maimaim-poana ny «Maha-domelina» i Samoëla
Rakikira fah-8 – Hanolotra maimaim-poana ny «Maha-domelina» i Samoëla(0)

Mpanakanto fantatra eo amin’ ny tontolon’ny vazo miteny. Miainga any indray ny rakikira fahavalo novokarin’i Samoëla ary hatolony maimaim-poana ireo mpankafy ny «Maha- domelina». Mandritra ny seho izay hotanterahina, amin’ny sabotsy izao, etsy amin’ny kianja malalaky ny Esca Antanimena no hitondrany an-tsehatra ireo hira 10 voarakitra ao anatiny. «Lohahevitra no entinay ao anatin’ny rakikira vaovao

« Découverte RFI 2012″ – Hanolotra seho tokana  eto Madagasikara i Elmotho
« Découverte RFI 2012″ – Hanolotra seho tokana eto Madagasikara i Elmotho(0)

Tafiditra ao anatin’ny fitetezana firenena maro. Hanolotra seho tokana eto amintsika i Elmotho, mpanakanto avy any Namibie, izay nandrombaka ny loka tamin’ny fifaninanana «Découvertes Rfi-France 24», tamin’ny 2012. Efa hatramin’ny ela no nitondra ny zava-kantony ivelan’ny firenena niaviany i Elmotho ary ny nahazoany io loka io dia efa sehatra iray hitondrany ny zavakanto ho an’i Afrika, izay voaresany matetika ao anatin’ny

Hijery hafa
Fahapoizinana ara-tsakafo – Olona telo araha-maso akaiky eny amin’ny hopitaly
Fahapoizinana ara-tsakafo – Olona telo araha-maso akaiky eny amin’ny hopitaly(0)

Tafakatra 80 mahery indray hatramin’ny omaly ireo tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo, tonga tetsy amin’ny hopitaly Hjra. Mbola ireo marary, nandritra ny fanatrehana lanonana nandritra ny mariazy miara-mizotra teny Itaosy hatrany

Hopitalim-panjakana – Miato ora maromaro isan’andro  ny famatsiana oksizena
Hopitalim-panjakana – Miato ora maromaro isan’andro ny famatsiana oksizena(0)

Olana mbola tsy mety voavaha. Ny vahoaka madinika hatrany no iharan’ny tsy rariny. Mbola tsy milamina hatramin’ izao ny famatsiana oksizena eny anivon’ny hopitalim-panjakana eto an-drenivohitra. Voalaza fa ny mbola tsy

Sekoly katolika – Efa vonona amin’ny fana- dinam-panjakana rehetra
Sekoly katolika – Efa vonona amin’ny fana- dinam-panjakana rehetra(0)

Notontosaina tetsy amin’ny sekoly Esca Antanimena, omaly ny andron’ny sekoly katolika eto Antananarivo. Samy nandefa ny solontenany teny avokoa ireo

Andron’ny zava-boary – Miharitra ny rano noho  ny fiovaovan’ ny toetr’andro
Andron’ny zava-boary – Miharitra ny rano noho ny fiovaovan’ ny toetr’andro(0)

Malaza amin’ny fananana karazan-java-boary maro i Madagasikara. Mihena anefa ny habetsahan’ny rano noho ny fiovaovan’ ny toetr’andro. Io rano io

Fanambadiana ho an’ny rehetra – Lalàna tokana mampivady ny lahy  sy ny vavy ihany no misy eto
Fanambadiana ho an’ny rehetra – Lalàna tokana mampivady ny lahy sy ny vavy ihany no misy eto(0)

Samy manana ny heviny ireo vahoaka malagasy manoloana ny faneken’ny tany Frantsa ny fanambadian’ny lahy sy ny lahy na ny vavy sy ny vavy. Ny lalàna eto amintsika anefa rehefa notomorina dia hita fa tsy mankasitraka izany. “ Ny lalàna momba ny

Zo sy demokrasia – Azon’i Saint François Xavier Antanimena ny loka voalohany
Zo sy demokrasia – Azon’i Saint François Xavier Antanimena ny loka voalohany(0)

Norombahin’ny mpi- anatra avy ao amin’ny Saint François Xavier Antanimena ny loka voa- lohany tamin’ilay fifaninanana miady hevitra niompana amin’ny lohahevitra hoe:«Demokrasia sy Zon’olombelona». Loka marobe natolotry ny

Hijery hafa

SAMIHAFASokajy samihafa

Loza tampoka – Zazalahy 14 taona maty  nipoahan’ny bala
Loza tampoka – Zazalahy 14 taona maty nipoahan’ny bala(0)

Zazalahy iray 14 taona no maty nipoahan’ny bala, voalaza fa hitany teny an-tokotaniny, tetsy Ambodirano, ao amin’ny kaominina Ivato Firaisana,

Tapatapany
Tapatapany(0)

Didim-pitsarana.  20 taona an-tranomaizina no sazin’ilay lehilahy teratany Malagasy voampanga ho nangalatra sady nanolana tany Belzika, teo anelanelan’ny volana marsa

Ambovombe Androy – Tokantrano roa sy kamiao iray notafihan’ny dahalo
Ambovombe Androy – Tokantrano roa sy kamiao iray notafihan’ny dahalo(0)

Fiara iray sy tokantrano roa indray no niharan’ny fanafihan-dahalo tany Ambovombe Androy, ny 20 mey lasa teo, tokony ho tamin’ny

Hijery hafa

FANADIHADINA AO RAHASokajy fanadihadina ao raha

Acupuncture – Teboka 800 amin’ny vatan’ny olona no azo itsaboana
Acupuncture – Teboka 800 amin’ny vatan’ny olona no azo itsaboana(0)

5 000 TAONA ATY AORIAN’NY NIANDOHAN’NY ACUPUNCTURE NA NY FOMBA FITSABOANA SINOA AMIN’NY ALALAN’NY FANJAITRA: MANOMBOKA MAHAZO VAHANA ETO AMINTSIKA

Razam-be niaviana – Maro ireo fombafomba itovizan’ny Malagasy amin’ny Jiosy
Razam-be niaviana – Maro ireo fombafomba itovizan’ny Malagasy amin’ny Jiosy(0)

SAMY MANANA NY FOMBA FILAZANY AMIN’NY FIAVIAN’NY RAZAM-BEN’NY MALAGASY NY REHETRA. HEVITRA NALAZA SY NOVOIZINA TATO HO ATO NY FILAZANA

Lehilahy handeha  hijery baolina maty  tany anaty honahona
Lehilahy handeha hijery baolina maty tany anaty honahona

MPONINA ENY AMIN’NY FOKONTANY AMBOHIDAHY-ANKADINDRAMAMY RANDRIAMANANJARA HERITSOA ANTSOINA HOE TSOA, RAIM-PIANAKAVIANA 44 TAONA, HITA FATY TAO ANATY HONAHONA, TENY ANKORONDRANO

Hijery hafa

Madaplus – le site des malgaches en France

banner

Ireo vaovao farany

Toetr’andro


Antananarivo, Madagascar
25 °C
Partly Cloudy

Toamasina, Madagascar
27 °C
Partly Cloudy

Mahajanga, Madagascar
31 °C
Partly Cloudy

Tolagnaro, Madagascar
26 °C
Partly Cloudy

St-Denis, La Réunion
24 °C
Showers in the Vicinity

Port Louis, Maurice
25 °C
Partly Cloudy

Paris, France
9 °C
Mostly Cloudy

Tsenam-bola vahiny


Currency data courtesy coinmill.com

Pilo kely

AoRa’ Hihomehy

Tahiry

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite