Hiditra amin’ny andiany faharoa sahady ny “Tournoi des princes”, izay karakarain’ny Acsa (Amicale Culturelle et Sportive d’Ambohidahy) ao amin’ny kianjany amin’ny 20 – 26 aogositra ho avy izao. Natokana ho an’ny ankizy latsaky ny 16 taona (sokajy poussins sy benjamins, minimes ary cadets) izany fifaninanana izany. Raha ny fandaharam-potoana dia amin’ny 11 aogositra ho avy izao no hifarana ny fisoratana anarana, izay efa manomboka eny amin’ ny klioban’ny Acsa Ambohidahy.
Hanomboka eo amin’ ny dingan’ny manasa-dalana, araka ny fitsipiky ny fifaninanana, no handray loka ireo mpilalao tafita ho amin’ izany. Terena kosa ny fampiasana ny baolina “verte” natokana ho an’ ny sokajy “poussin” mandritra ny fifaninanana, araka io fitsipika napetraky ny federasiona ho an’ireo klioba na fikambanana mikarakara fifaninanana ho an’ny ankizy tahaka izao. “Natao indrindra hanomanana ireo mpilalao amin’ny fiatrehana ny fifaninanam-pirenena sy hanamaro ireo karazana hetsika ataon’izy ireo mandra-pahatonga izany no antom-pisian’ny tournoi des princes”, araka ny fanambaràna nataon’ireo mpitantana ny klioba Acsa.
R.A









0 Fanehoan-kevitra