Subscribe to RSS

Seho tokana – Hira 30 no hofohazin-dry Lôlô sy ny tariny

10 taona tsy tazana teto an-tanindrazana. Raikitra ihany rehefa nahemotra iray volana ny fampisehoana tokana atolotry ry Lôlo sy ny tariny. Hira mano- didina ny 30 no hofohazin’ izy sivy mirahalahy ao anatin’ny tarika, ny 25 aogositra izao manomboka amin’ny 4 ora hariva etsy amin’ny lapan’ny Kolon- tsaina sy ny fanatanjahan- tena Mahamasina. ”Ankoatra an’i Benny sy Bebey ary Samy izay efa eto an-tanin- drazana,dia ho tonga tsikelikely ireo enina miraha- lahy avy any ivelany” araka ny fanazavan’ny Kanto sy Kintana Production, izay mpikarakara ny fampisehoana. Amin’ny ankapobeny, dia saika ireo hira nahafantarana an-dry Lôlo sy ny tariny hatramin’izay, toy ny “Tady vita fato-maty”, “Akanjo fotsy”, “Bonbon gasy”, “Lemizo”… no hanamarika ny fampisehoana. Hisy ihany koa anefa ny fiangaliana ireo hiran’ny tarika tsy dia nahoraka sy nalaza loatra. “Ora telo no faharetan’ ny fampisehoana efa voa- faritra, fa miankina amin’ ny zava-misy eo ny mety ho tohiny” hoy ihany ireto trano roa miara-mamokatra ny fampisehoana ireto.

Ho maro amin’ireo mpankafy ity tarika ity no diso fanantenana noho io seho tokana io. Tamin’ ny fampisehoana nataon’ ny tarika farany ny taona 2002, dia seho intelo niantoana no natolotra ary hipoka hatrany ny lapan’ ny Kolontsaina.

 

Faly Ran

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Fetim-pirenena – Hisy seho maimaim-poana hiarahana amin-dRajao sy ny ekipany

Fetim-pirenena – Hisy seho maimaim-poana hiarahana amin-dRajao sy ny ekipany(0)

Ho hita mivantana nofo sy rà. Ankoatra ny filalaovana sarimihetsika, dia manan-talenta amin’ny seho an-tsehatra ireo mpilalao sarimihetsika ao amin’ny Scoop Digital. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena dia mikarakara seho maimaim-poana hiarahana amin-dRajao sy ny ekipany anio hariva manoloana ny Lapan’ny tanàna, hiarahan’ny Scoop Digital sy ny tanànan’Antananarivo. Ho hita etsy Analakely ireo mpilalao,

Mozika jazz – Hanohy ny Walking jazz etsy Isoraka ny tarika 3Play

Mozika jazz – Hanohy ny Walking jazz etsy Isoraka ny tarika 3Play(0)

Toy ny fanao isam-bolana, dia toerana vaovao miaraka amin’ny mpana- kanto vaovao. Hiatrika ny seho ho an’ireo vato vao misondrotra eo amin’ny jazz, na ny Walking jazz , karakarain’ny Radio Lazan’ Iarivo (RLI fm 106) ny tarika 3Play. Etsy amin’ny La Boussole, Isoraka no hanao- vana ny seho rahampitso amin’ny 7 ora hariva. Tamin’ny 2012 no teraka ny tarika 3Play efa nandrombaka

Antsa tononkalo « Zarafanahy » – Handray vahiny ny Faribolana  Sandratra

Antsa tononkalo « Zarafanahy » – Handray vahiny ny Faribolana  Sandratra(0)

Miditra amin’ny andiany fahatelo. Hanolotra indray ny «Zarafanahy», fiantsana tononkalo hiarahany  amin’ireo vahininy ny faribolana Sandratra. Hotanterahina etsy amin’ny CGM Analakely rahampitso tolakandro ity seho hisokatra amin’ireo sehatra hafa, ka entina hitsidihana sy hizarana aingam-panahy amin’ny habaka hafa ity. Ho maro loko ny asa soratra ho re mandritra ny fampisehoana  entina hanasongadinana ny «Iray volan’ny teny Malagasy». Anisan’ireo hanafana ity hetsika ity ireo mpanoratra, ahitana an-dry Tsiahy Andrianina, Tsiry (Tsiry Harena Unique), moara Thaïna (Kiné Massages), iriana solevain (Iriana Akoranam­pisoro), Ny Eja, Andry Elra. Ony Mihajanirina sy Riambola Mitia kosa no avy amin’ny Faribolana Sandratra. Misy poeta anaty fikambanana amin’ireo, saingy tsy mitondra ny anaran’ny fikambanany. Misy koa poeta … nipoitra teny anivon’ny internet, toy ny facebook. Fantatra kosa fa efa nivoaka tany Ambatondrazaka ny boky misy takila 40 vokatry ny antsa-tononkalo  nanehoan’ ireo mpanoratra ireo sehatra ahafantarana ny faritr’Alaotra, dia ny tontolon’ny vary sy ny voka-bary izany. 10 mianadahy no nifarimbona taminy, toa an-dry R.S.L sy Ny Peniko, ry F. Dina sy ry Tatory, ry Tsanta Mirindra… FR

Fahitalavitra – Hiditra amin’ny fandraisana ny sary nomerika isika

Fahitalavitra – Hiditra amin’ny fandraisana ny sary nomerika isika(0)

Manaraka ny fivoaran’ny teknolojia misy sy iraisana. Hiditra amin’ny fandraisana ny sary nomerika na ny TNT (Télévision Numérique terrestre) ny fahitalavitra eto Madagasikara. Ho fiatrehana izany misy ny andro fampahafantarana ny tetikasa TNT eto Madagasikara, izay hotanterahina anio etsy amin’ny Carlton Anosy. Ny komitim-pirenena manomana ny fametrahana ny TNT (CNP-TNT) izay eo ambany fiahin’ny Kaomisiona manokan’ny serasera amin’ny haino aman-jery (CSCA) no mikarakara ny hetsika. Efa nanaiky ny firenena afrikanina iray nanao sonia ilay fifanarahana «GE06», ny 16 jona 2006 ary nanaiky fa tanjona ny hamaranana ny fanapariahana ny fahitalavitra tsotra amin’ny UHF amin’ny 17 jona 2015 ary amin’ny 17 jona 2020 ho an’ny VHF. Ny vondrona ara-barotr’ireo firenena aty atsimon’i Afrika (Sadc) dia nanana finiavana ny hiampita amin’izay TNT izay ,alohan’ny 31 desambra 2013, izay 18 volana mialohan’ny daty napetraky ny sampan-draharaha irasam-pirenen’ny fifandraisan- davitra na ny UIT. Hampahafantarina ireo rehetra voakasiky ny tetikasa mandritra ity andro anio ity ny momba ny tetikasa TNT eto Madagasikara. Ny komitim-pirenena izay nametraka fa fotoanan’ny fanomanana ny jolay ka hatramin’ny desambra 2013 ary ny janoary 2014 ka hatramin’ny jona 2015 kosa ny fametrahana. FR

Fetin’ny 26 Jona – Ho henjana ny fitandroana ny filaminana eny Anosy sy Antsonjombe

Fetin’ny 26 Jona – Ho henjana ny fitandroana ny filaminana eny Anosy sy Antsonjombe(0)

Efa nolazaina fa tsy hisy ny fampisehoana na podium hiarahana amin’ireo mpanakanto, kanjo raikitra indray fa hisy ny hetsika ara-kolon­tsaina ao anatin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena ny 26 jona ho avy izao. Araka izany, hisy ny afomanga,  izay hatao etsy Anosy ary ny fampisehoana rehetra kosa eny Antsonjombe. Nanamarika tetsy ankilan’izay ny Jeneraly Randrianatoandro Guerison James, filohan’ny komity mpanomana ny fetin’ny 26 jona fa «ho henjana ny fitandroana ny filaminana». Hanomboka ny zoma 21 jona ny fampisehoana samihafa ary mpanakanto efatra isan’andro no hiakatra an-tsehatra. Dimy ny mpanao vakodrazana ary 15 kosa ireo mpiangaly ny hira madinika. Hanomboka amin’ny 5 ora hariva isan’andro ny fampisehoana ary hifarana amin’ny 9 ora alina farafahatarany. «Ny 25 jona ihany no hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro ny fampisehoana mba hahafahan’ny rehetra miara-mijery afomanga eny Anosy manomboka amin’ny 5 ora hariva», araka ny fanazavan-dRandria­mampionona Rija, mpandrindra ireo hetsika ara-kolontsaina ao anatin’ity fetin’ny 26 jona ity. Nomarihiny fa ny minisiteran’ny Foloalindahy no tompo-marika amin’ny fikarakarana ka izy ireo ihany koa no hiantsoroka ny filaminana eny an-toerana mandritra ireo andro ireo. «Ny fitandroana ny filaminana no nanaovana ny hetsika anaty toerana voafefy toy izao», hoy ihany izy. Faly Ran. Fandaharam-potoana Zoma 21 jona : Barinjaka - Tence Mena - Dah’Mama Sabotsy 22 Jona : Jean-Aimé – Oladad – Nina’s Alahady 23 jona : Onja – Lianah – Brillante Alatsinainy 24 jona : Lôla – Fara John’s – Samoëla Talata 25 jona : Jerry Marcoss, Black Nadia - Tsiliva   Efa nolazaina fa tsy hisy ny fampisehoana na podium hiarahana amin’ireo mpanakanto, kanjo raikitra indray fa hisy ny hetsika ara-kolon­tsaina ao anatin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena ny 26 jona ho avy izao. Araka izany, hisy ny afomanga,  izay hatao etsy Anosy ary ny fampisehoana rehetra kosa eny Antsonjombe. Nanamarika tetsy ankilan’izay ny Jeneraly Randrianatoandro Guerison James, filohan’ny komity mpanomana ny fetin’ny 26 jona fa «ho henjana ny fitandroana ny filaminana». Hanomboka ny zoma 21 jona ny fampisehoana samihafa ary mpanakanto efatra isan’andro no hiakatra an-tsehatra. Dimy ny mpanao vakodrazana ary 15 kosa ireo mpiangaly ny hira madinika. Hanomboka amin’ny 5 ora hariva isan’andro ny fampisehoana ary hifarana amin’ny 9 ora alina farafahatarany. «Ny 25 jona ihany no hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro ny fampisehoana mba hahafahan’ny rehetra miara-mijery afomanga eny Anosy manomboka amin’ny 5 ora hariva», araka ny fanazavan-dRandria­mampionona Rija, mpandrindra ireo hetsika ara-kolontsaina ao anatin’ity fetin’ny 26 jona ity. Nomarihiny fa ny minisiteran’ny Foloalindahy no tompo-marika amin’ny fikarakarana ka izy ireo ihany koa no hiantsoroka ny filaminana eny an-toerana mandritra ireo andro ireo. «Ny fitandroana ny filaminana no nanaovana ny hetsika anaty toerana voafefy toy izao», hoy ihany izy. Faly Ran. Fandaharam-potoana Zoma 21 jona : Barinjaka - Tence Mena - Dah’Mama Sabotsy 22 Jona : Jean-Aimé – Oladad – Nina’s Alahady 23 jona : Onja – Lianah – Brillante Alatsinainy 24 jona : Lôla – Fara John’s – Samoëla Talata 25 jona : Jerry Marcoss, Black Nadia - Tsiliva

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite