Subscribe to RSS

Sarimihetsika

Nandraisana fepetra manokana indray ny fiambenana ireo toby miaramila sasany toy ny toby Ratsimandrava. Efa mahazatra ny fanehoan-kevitry ny tompon’andraikitra mikasika ny trangan-javatra tahaka izao. Tsy maintsy manalefaka ny toe-java-misy hatrany, saingy ny hitsikitsika tsy mandihy foana…

Efa dila marina ny fetin’ny Krismasy ny fiandrasana ny taom-baovao, izay hany fotoana toa mba mampahalefaka sy mampahamora fo ny ankamaroan’ny olona. Ny an’ny politika efa fantatra fa fiatoana   marina tokoa, tsy haharitra fa hiserana ihany no hisy. Injao sahady ary fa efa miverina indray ny feo amin’ny mety hisiana fakana toby miaramila. Tsy horonantsary vaovao intsony io fa asa na ireo tena  »matihanina » no hilalao ao anatiny amin’ity indray mitoraka ity na mbola mpilalao vao misondrotra indray…

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Karama vaty masaka

Karama vaty masaka(0)

Nisy dia nisy tokoa ireo nimenomenona ho tsy nahazo vola teny Ankorondrano Andrefana nandritra ilay hetsika famoriam-bahoaka ho fanoherana ny hevitry ny iraisam-pirenena ny amin’ny tokony hisintahana kandidà telo amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Raha ny voalazan’izy ireo dia nisy olona nitaona azy ireo teny amin’ny fokontany hanao io hetsika io ary hisy vola ho tambin’izany. Ny

Malaza ratsy

Malaza ratsy

Tafiditra ho laharana fahafito amin’ireo firenena folo maneran-tany voasokajy ho manana mponina mitaintaina fatratra indrindra noho ny tsy fandriampahalemana i Madagasikara, raha ny fanadihadiana nataona tranon-kalam-pifandraisana vahiny iray. Na i Afghanistan aza dia mbola ao aoriantsika, araka ity filaharana ity. Saika zavatra ratsy sy mamohehatra hatrany no hisongadinan’i Gasikara tato ho ato. Tsy kisendrasendra mihitsy ny hoe nanomboka tamin’ny taona 2009 no nankaty dia vao mainka nihanitombo ny tsy fandriampahalemana. Tsy maharesy lahatra intsony ilay filazan’ireo be bokotra fa basy niparitaka nandritra ireo krizy tany aloha no nampiasain’ny jiolahy. Misy amin’ ireo natao ho mpiaro ny vahoaka sy ny fananany mihitsy no mandroba. Hatramina olom-boatendry hanao lalàna aza moa voatonontonona amina fanakanan-dalana. Izay tetezamita mampiroborobo ny asan-jiolahy izay no mbola misy maniry fatratra ny hitohizany. Tsy saro-karohana fa miavaka eny foana ireo mahita tombontsoa amin’izany.

Fifanintsanana

Fifanintsanana

Tsy manaiky ny hanaisotra mora foana ny filatsahan-kofidiany ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina. Voalaza fa mametraka fepetra ny amin’ny tokony hanilihana ihany koa an’i Lalao Ravalomanana sy i Didier Ratsiraka miaraka amin’ireo rehetra tafiditra ao anatin’ilay lisitr’ireo olon’ny Fahefana avon’ny tetezamita voasazin’ny Vondrona Afrikanina. Raha izay no tontosa dia mba hihena izay tsy izy ny isan’ireo kandidà. Raha mbola hojerena akaiky ihany koa ny momba ireo kandidà hafa avy any ivelany dia ho vitsy ihany sisa no tavela. Mba hanamora ny asan’ireo mpifidy ihany aloha izay amin’ny lafiny iray. Tsy ho vita am-bava fotsiny ihany anefa izany rehetra izany fa tsy maintsy mbola ho ady varotra lavareny indray. Toa tazanina akaiky ilay datim-pifidianana nefa manalavitra hatrany. Tsy maintsy mbola hisy ihany ny fanalavam-potoana raha ny fizotry ny toe-draharaha, raha tsy hoe angaha ny lalao mihitsy indray no haverina tanteraka.

Be midina

Be midina

Nampiseho fahavonona ny hamongotra ny kolikoly ary hanatevina ny fifehezana ny lalàna ireo tompon’ andraikitra ambony eo anivon’ny polisim-pirenena. Nanao fisafoana tamina fokontany maro teto an-dreni-vohitra mihitsy ny minisitry ny Filaminana anatiny sy ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny alakamisy alina teo. Miova amin’ny mahazatra dia ny fibaikoana avy eny ambony latabatra aloha ilay hetsika. Asa anefa raha hahitana izay isan’ny tena maharary ny vahoaka dia ny ny tsy fandriampahalemana izany fidinana ifotony ao anatin’ny indray alina izany. Enga anie ka tsy ho fisehosehoana fotsiny ihany koa izany. Raha ireo olon-dratsy mantsy tsy mba mila miantso mpampahalala vaovao fa dia mazoto hatrany manao «fisafoana» ny tokantranon’ireo valalabemandry…

Dodona

Dodona

Lasa nankato sy nanaiky tampoka an’ilay Lalàm-panorenana nolaniana tamin’ny taona 2010 ny filohan’ny Kaongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo. Ny tenany mihitsy no voalaza fa nidrikina nitaky ny hampiharana ny andininy faha-166 ao anatin’ny Lalàm-panorenana manoloana ny adihevitra mahakasika ny fitantanana ny firenena aorianan’ny fametraham-pialan’ny Filohan’ny tetezamita. Hatreto anefa dia toa tsy nitompo afa-tsy tamin’ilay sori-dalana naroson’ny vondrona Sadc ity mpanao politika akaiky ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana ity. Impiry impiry moa no tsy nanambaran’izy ireo fa tsy misy Lalàm-panorenana manan-kery izany eto? Izao anefa dia nitsimbadika indray ny rasa. Fikatsahana tombontsoa miharo faniriana fahefana avokoa no ao ambadik’izany. Izany hoe hitantana firenena (na dia tsy nisy nifidy aza) izany kosa ve moa tsy hahadodona? Tanteraka ihany ny faminanian’ny pasitera Mailhol fa olon-kafa fotsiny ireo hapetraka ho Filoha fa tsy ny tenany.

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite