Subscribe to RSS

Rugby Junio – Ligim-paritra sivy hifanandrina eto Antananarivo

Ao Malacam no hanaovana ny lalao rehetra ho an'ny rugby junior

Ao Malacam no hanaovana ny lalao rehetra ho an'ny rugby junior

Hanomboka rahampitso etsy amin’ny kianjan’i Malacam Antanimena ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny baolina lavalava sokajy Junior. Ligim-paritra sivy (Analamanga, Diana, Atsimo Andrefana, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Betsiboka, Itasy, Ihorombe ary Vakinankaratra) no efa naneho ny fahavononany handray anjara amin’izany, araka ny nambaran’i Antsoniandro Randrianorosoa tale teknika nasionalin’ny federasiona malagasin’ny baolina lavalava. Anio no hanaovana ny antsapaka hizarana ireo vondrona hisy an’ireo ekipa ireo. Heverina ho lalao telo isan’andro no hotontosaina hatramin’ny 20 janoary, fotoana hamaranana izany.

Isan’ireo tsy ho avy amin’ity i Boeny, izay efa nanambara fa tsy manana mpilalao afaka hiatrika io fifaninanana io. Tsy hanana solontena ihany koa amin’izany Amoron’i Mania sy Bongolava. Tsy manana mpilalao junior kosa ary tsy afaka mandray anjara ny ligin’i Matsiatra ambony. “Hentitra ny federasiona amin’ny fampiasana mpilalao efa manana kara-pilalaovana amina ekipa hafa sy ireo mpangala-taona amin’io. Efa niseho izany tany Ihosy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara diviziona faharoa tamin’iny taona lasa iny”, hoy ihany io tale teknika nasionaly io.

Roméo Andriamihaja

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Tenisy « Coupe Davis » – Nijanona ho Vondrona III i Madagasikara

Tenisy « Coupe Davis » – Nijanona ho Vondrona III i Madagasikara(0)

Tsy tafavoaka teo anatrehan’i Maraoka, teo amin’ ny dingan’ny manasa-dalana, ho an’ny Coupe Davis, faritra Afrika, ny ekipam-pirenena malagasy, ny sabotsy lasa teo, tany Ejypta. Niondrika tamin’ny alalan’ny isa 2 no ho 1 isika teo anatrehan’ity lohalaharan’ny vondrona A ity, izay nitazona antsika tsy hiala ao amin’ny vondrona III, amin’ny taona ho avy. Tamin’ny alalan’ny seta 2 no ho 0 (6/2, 7/5) no nampiondrika an’i

Kitran’ny mpamily – Tsy mbola resy mihitsy  ny Taxi Tsimbazaza

Kitran’ny mpamily – Tsy mbola resy mihitsy ny Taxi Tsimbazaza(0)

Tamin’ireo lalao efatra nataony, tsy mbola nisy naharesy ny ekipan’ny Taxi Tsimbazaza, mandray anjara amin’ilay “Grand tournoi taxi-foot”, atao isaky ny sabotsy, eny amin’ny kianjam-pasika, eny Fort Duchesne, izay kitra lalaovin’olona fito. Omby no loka amin’ity fifaninanana ity. Isa 5 no ho 4 no nisarahan’i Taxi Tsimbazaza tamin’ny Taxi Anosibe ka anisan’ny lalao tena niady tamin’iny indray mitoraka iny. Azo antoka hiakatra ambonimbony hatrany amin’ity lalao

Baolina kitra Analamanga – Voatanan’ny Cosfa ady sahala ny Masindahy Misely

Baolina kitra Analamanga – Voatanan’ny Cosfa ady sahala ny Masindahy Misely(0)

Nitarika ny fidinan’ny AS Saint Michel Elgeco ho eo amin’ny laharana faharoa ny ady sahala samy tsy nitoko nisarahan’izy ireo tamin’ny Cosfa, ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianjan’i Carion. Tsy afa-nanohitra ny sakana napetraky ny miaramila tamin’io fihaonana nanamarika ny andro faha-13 ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga io ny ekipan’ny Masindahy Misely avy

Handball – Nanjakan’ny avy any Atsimo  ny “Open Junior 2013”

Handball – Nanjakan’ny avy any Atsimo ny “Open Junior 2013”(0)

Tsy namelan’ireo avy any amin’ny faritra atsimo raha tsy azony ny amboara niadiana teo amin’ny “open junior”, ho an’ny handball notontosaina, tamin’iny herinandro iny. Ny HBCI avy any Ihorombe no voahosotra ho tompondaka teo amin’ ny vehivavy raha nandresy ny ekipan’Atsinanana, izay isan’ireo taninketsan’ ny handball eto Mada- gasikara, tamin’ny alalan’ ny isa 48 no ho 46. Efa tany amin’ny fanalavam-potoana anefa vao nahita an’io fandresena io ireto avy

Moto cross – Tompondakan’i Madagasikara vonjimaika I Ted Boyaval

Moto cross – Tompondakan’i Madagasikara vonjimaika I Ted Boyaval(0)

Nisongadina teo amin’ ny andiany fahatelo, amin’ ny fiadiana izay ho tompon- dakan’i Madagasikara eo amin’ny fanamoriana moto cross i Tod Boyaval, natao tany Nosy-Be Hell-ville.  Isan’ny mpifaninana akaiky aminy i Claudio Tida, izay niala an-daharana teo amin’ny dingana faharoa, raha vaky kodiarana. Tamin’ny fifaninanana andiany voalohany, izay natao tany Toamasina no nitarika i Tida Claudio. Norombahin’ny Ted kosa  ny andiany faharoa teny Iavoloha, ary dia mbola nohamafisiny izany tamin’ity andiany

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite