Subscribe to RSS

Rajoelina tany Antsiranana – Miantehitra amin’ny tanora hampanjary ny fampihavanam-pirenena

« Voaporofo izao fa amin’ ny alalan’i Kristy no isian’ny fampihavanam-pirenena. Mampahery ny tanora aho mba hitondra ireo zavatra azo taty ary hampita izany any amin’ny toerana izay nihaviany avy ny tsirairay », hoy ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, nandritra ny lamesa famaranana ny fihao-namben’ny tanora katolika (Jmj Mada), notanterahina tany Antsiranana.

Tanora avy amin’ny lafy valon’ny Nosy, manodidina ny 50 000 no nandray anjara tamin’ity fihaonambe ity. Nampanantena ny hanampy an’ireo solontena malagasy hiatrika ny fihaonamben’ny tanora katolika maneran-tany hotanterahina any Rio de Janeiro amin’ny taona ho avy ny tenany.

Ny Filohan’ny tetezamita izay nijanona telo andro tany Antsiranana, nanotrona ny Jmj Mada. Nanaraka ny lalan’ny hazo fijaliana niaraka tamin’ireo tanora izy, ny sabotsy ary nanatrika ny fotoam-pivavahana famaranana, omaly alahady.

« Hivavaka no alehako aty », hoy izy raha nigadona ny renivohitry ny faritra Diana ny zoma hariva, toa te hanala ahiahy amin’izay mety ho fandikana ny fanotronany an’ity fotoan-dehibe ity eo amin’ny lafiny politika.

Tompon’andraikitra iray eo anivon’ny finoana katolika ihany koa tamin’ny fahitalavi-pirenena no nanipika fa fomba fanaon’ny fiangonana ny manasa ny Filoham-panja- kana amina fotoana tahaka ireny, fa tsy misy loko politika mihitsy izany.

Na izany na tsy izany dia heverina fa ho fotoana iray manan-danja ihany ny tahaka ireny amin’ny ho avina mpanao politika iray.

Faralala

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Mizatra tena

Mizatra tena(0)

Nampiantso ireo kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena mba hanao fanambarana hanohitra ny fanemorana an’io fifidianana io ny kandidà iray omaly teny Antaninarenina. Tsy raikitra anefa ilay fanambarana noho ny fahavitsian’ireo nanoina ny antso. Manan-jo tanteraka ny hanao io fanambarana io ireo kandidà ireo fa ny tena nahavaka sy nampametra-panontaniana nanoloana ny zava-nisy teny Antaninarenina, omaly, dia ny fiheveran’ny kandidà sasany ny tenany ho efa tena eo amin’ny fitondrana tokoa. Hentitrentitra ihany mantsy raha ny fisavana izay olona handeha hanatrika ilay fotoana omaly io. Manoatra noho ny efa fisavana eny Ambohitsoro- hitra ireny ery! Raha tahotra ny mety hisy hanao hasomparana ve dia hahavita hanamarina izay fandraisana fepetra hentitra izay? Fame- trahana ny tena ho efa manan-danja sy tsy mitovy amin’ny olon-tsotra angamba no tiana navoitra. Mba efa manao fanazarantena koa angamba mba tsy ho tampohany rehefa tokoa ny tokoa. Enga anefa anie mba tsy ho nofinofy ririnina fotsiny ihany izany.

Kandida filoham-pirenena – Minisitra iray, lehiben’ny faritra iray  sy mpikambana Cst iray nametra-pialana

Kandida filoham-pirenena – Minisitra iray, lehiben’ny faritra iray  sy mpikambana Cst iray nametra-pialana(0)

Ny telo tamin’ireo kandidà ho filoham-pirenena mitana andraikitra ambony ihany no nametra-pialana omaly. Ny minisitry ny Raharaham-bahiny Rajaonarivelo Pierrot, ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny teteza- mita (Cst) Rasamoelina Brigitte ary ny lehiben’ny faritra, Faharo Ratsimbalison, ireo nametra-pialana ireo. Ny minisitry ny Raharaham- bahiny dia mbola nametraka fa miankina amin’ny faneken’ny Praiminisitra lehiben’ny governamanta ny hampanan-kery na tsia izay fametraham-pialany izay. «Hatreto aloha dia miandry ny tenin’ny Praimini-sitra isika. Handefa ny taratasy mirakitra ny fametraham-pia-lako any amin’ny Fitsarana mano- kana misahana ny fifidianana aho. Aorian’ny valin-tenin’ny Praiminisitra no ahafantarana izay olona hasolo ahy», hoy Rajaonarivelo Pierrot, teny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana raha avy nanolotra ny taratasy fialany tamin’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana ny tenany. Ny 26 mey no migadona ilay 60 andro mialohan’ny fifidianana voafaritra fa tokony hametraham-pialan’ireo tompon’andraiki-panjakana niro-tsaka hofidiana. Noho io andro io mitontona alahady izay andro tsy fiasana anefa dia fantatra fa mbola hisy amin’ ireo kandidà no hiandry ny alatsinainy vao hiroso amin’izay fametraham-pialana izay. Ranaivoson Faniry

Firaisankina – Kandidà roa ihany no nanoina ny antson-dRafalimanana Ny Rado

Firaisankina – Kandidà roa ihany no nanoina ny antson-dRafalimanana Ny Rado(0)

Kandidà roa ihany no tonga nanoina ny antson’ ny kandidà Ny Rado Rafali- manana, omaly, teny amin’ ny hotel Colbert Antaninare- nina. Nikasa hanao fanambaràna lehibe mitaky ny hitazomana ny datin’ny fifi-dianana amin’ny 24 jolay ireo kandidà ireo ary hampi- tandrina izay mihevitra ny hanemotra ny fifidianana, raha ny tsilian-tsofina. Raha tamin’ny 5 ora hariva ny fotoanan’ireo kandidà hanaovana ilay fanam-baràna dia tokony ho tamin’ ny 5 ora sy sasany no tonga ny kandida voalohany Razafimanazato Julien. Tamin’ny 6 ora hariva latsaka kosa no tonga ny kandidà faharoa Noelson William. Taorian’izay dia niara-nihidy tao amin’ny efitrano nokasaina hanaovana ilay fanambaràna izy telo. Tamin’ny fotoana nialana teny an-toerana ora vitsy taorian’izay dia sady tsy nisy ilay fanambaràna no tsy nisy tonga intsony ihany koa ireo kandidà hafa. Ranaivoson Faniry

SADC – Hodinihina maika  any Addis-Abeba ny  raharaham-pifidianana 

SADC – Hodinihina maika  any Addis-Abeba ny  raharaham-pifidianana (0)

Araka ny fanambaràna nataon’ny filoha lefitry ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana ao anatin’ny tetezamita (Cenit), Mamy Ralaiariliva, omaly dia «hanatanteraka fivoriana tsy ara-potoana handinihana manokana ny raharahan’i Madagasikara any Addis-Abeba ny  vondrona Sadc rahampitso alahady 26 mey». Voalaza fa karazana fihaonana an-tampony izay handraisan’ireo Filoham-pire-nena mandrafitra ny Vondrona Sadc anjara mihitsy ity hotanterahina ao an-drenivohitr’i Ethiopie ity. Hatreto aloha dia tsy mbola fantatra mazava ny lohahevitra hodinihina any an-toerana. Azo heverina anefa fa isan’ny teboka tsy maintsy hitoeran’ny adihevitra ny momba ny raharaham-pifidianana, indrindra fa ny fitakiany ny fisintahan’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina sy ny amiraly Didier Ratsiraka ary i Lalao Ravalomanana tsy ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Aorian’io fivoriana io dia hisy ny fahatongavan’ireo iraky ny Sadc eto Madagasikara. JR

Sombiny

Sombiny(0)

NANOME TOKY > Nanome toky ny hanao izay fomba rehetra hiarovana ireo Maso-ivoho sy Kaonsily ary ireo solon- tenan’ny sampan-draharaha iraisam-pirenena eto amin-tsika ny governemantan’ny tetezamita taorian’ny tranga niseho tetsy Ankorondrano, ny alarobia lasa teo. Ny mini- sitry ny Fitsarana, Christine Razanamahasoa sy ny mini-sitry ny Raharaham-bahiny Pierrot Rajaonarivelo no nisolo tena ny governemanta nanao ny fanambaràna mifandraika amin’izany. Araka ny fanambaràna nataon’ny minisitry ny Fitsarana dia hisy ny fanen- jehana ara-pitsarana ireo izay tompon’antoka tamin’io raha- raha fanivaivana ny solontena maharitry ny Firenena Mikam- bana, Fatma Samoura io. FAKAN-KEVITRA > Omaly no nangataka ny hevitr’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ ny Ffitsarana manokana misa- hana ny fifidianana (Ces) manodidina ny fomba handra- vonana ny olana mahakasika ny firotsahan’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina sy ny amiraly Didier Ratsi-raka ary i Lalao Ravalomanana ny filohan’ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy, ny jeneraly Sylvain Rabotoa-rison. Omaly dia nilaza ny mbola hifampidinika sy hijery ny vahaolana afaka hitondra any amin’ny fitoniana ny Ces, tamin’ny alalàn’ ny filohany, Jean Michel Rajaonarivony.

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite