Manomboka mahatsi- aro tena hatramin’ny omaly ilay sivily iray niara- dia tamin-dry kaporaly Black ary isan’ny voatifitra nandritra ny fifandonana taorian’ny fanafihana ny rezimanta voalohan’ny hery vonjy taitra mpila-tsaka an’elonaina (1er Rfi) eny Ivato, ny alahady teo.
Efa natahorana ihany ny ain’ity sivily ity ary mbola arahi-maso akaiky ny toe-pahasalamany eny amin’ny hopitalin’i Soa-vinandriana. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava ny mombamomba an’ity lehilahy ity. Ny tenany sy ny adzidà sefo Isoarana no mbola tsaboina eny amin’ ny hopitaly amin’ireo voa- rohirohy amin’ity raharaha »1er Rfi » ity.
Etsy andanin’izay dia olona telo hafa no voatazona eny amin’ny sampan’ ny Zandarimaria misahana fikarohana ny heloka bevava eny Fiadanana.
« Olona an-jatony izao no efa nohenoina mika-sika iny raharaha teny Ivato iny. Miroso amin’ny fikarohana ireo izay heverina ho atidoha nikotrika azy iny zahay izao.», hoy ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena izay manao ny famotorana.
Faralala









0 Fanehoan-kevitra