Miezaka mafy hamerina amin’ny laoniny ny hasiny ny zandarimariam-pirenena, efa fotoana vitsivitsy izao. Isan’ireo voatondro ho tena mpanao kolikoly ny eo anivon’ny zandarimaria. Nampitandrina mafy mihitsy ireo lehibe omaly. Efa nisy ireo tratra, voatery natao ohatra hananarana an’ireo izay mety mbola hoalaim-panahy. Farafaharatsiny na tsy ho foana avy hatrany tokoa aza aloha mba hihena izay kolikoly eo anivon’ny zandariamaria izay. Ny fitorohana be fahatany ihany no mila itandremana fatratra amina hetsika tahaka itony fa raha ny tokony ho izy aza efa taona maro lasa no tokony ho nanaovana an’izany. Tsy misy afa-tsy ny faharetana sy ny fitozoana ihany no fanalahidin’ny fahombiazan’izany fanadiovana izany. Raha tsy izay mantsy dia lasa fisehosehoana fotsiny indray.









0 Fanehoan-kevitra