Subscribe to RSS

Lamaody – Tsy mifidy fitafiana loatra ny vakana vita amin’ny akora malagasy

Tsotra nefa mihaja. Lamaodin’ny tanora amin’izao fotoana ny karazana vakana vita avy amin’ny akora malagasy, izay isan’ny ankafizin’i Princio, raha ny hita amin’ny fomba fiakanjony.

Manodidina ny Ar 10 000 ka hatramin’ny Ar 15 000 ary mety hihoatra izany aza ny vidin’ny vakana iray, araka ny akora nanamboarana azy sy ny habeny ary ny endriny.

«Lafo ny masonkarena eo amin’ny vidin’ny akora, ka izay no somary maha lafo kely ny vidiny», hoy Ramavoarisoa Georgette, mpivarotra vakana, etsy amin’ny tsenan’i Pochard. Ny hazo, ny taolana, ny voamboana, ny andramena, ny tandrok’omby, ny akorandriaka, ny voanio… dia samy akora azo anamboarana vakana avokoa.

«Tsy manavaka fa natao ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ny vakana vita amin’ny akora malagasy», hoy ihany koa Andriam­bololonirina Hanitra, mpivarotra iray hafa. «Mahasarika olona maro ihany koa izy, noho izy tsy mba dia mifidy akanjo ampiarahana aminy loatra», raha ny fanamarihan’ireo mpivarotra ihany. Tsy vitsy ny andriambavilanitra mitondra azy hoentina amina lanonana mianjaika. Maro ihany koa anefa ny mividy azy hatao fitondra andavanandro fotsiny. Ao ihany koa ireo mitondra azy rehefa manao fitafiana somary gasigasy, amoahana ny maha malagasy. Endrika azo amoahana tsara azy ny lamaodiny ihany koa ny fampiarahana azy amin’ny vangovango, mitovy amin’ny akora nanamboarana azy. Ireo vakana vita amin’ny voamboana sy ny taolana no tena lafo indrindra amin’ireo.

Monica Rasoloarison

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Lehilahy handeha  hijery baolina maty  tany anaty honahona

Lehilahy handeha hijery baolina maty tany anaty honahona(0)

MPONINA ENY AMIN’NY FOKONTANY AMBOHIDAHY-ANKADINDRAMAMY RANDRIAMANANJARA HERITSOA ANTSOINA HOE TSOA, RAIM-PIANAKAVIANA 44 TAONA, HITA FATY TAO ANATY HONAHONA, TENY ANKORONDRANO -ANDRANOMAHERY, NY ALAKAMISY 16 MEY LASA TEO. TSY NODY AN-TRANO NANOMBOKA NY ALAHADY TALOHAN’IO ITY RAIM-PIANAKAVIANA ITY. EFA NIALANA NENINA TAMIN’NY FILAZANA AMIN’NY ONJAM-PEO SAO VERY NA NARARY TAMPOKA TANY AN-DALANA KA TSY TAFODY. NOTETEZINA

Fiainana mpanakanto – «Tsy nisakaiza velively tamin’i Jerry Marcoss aho», hoy i Farah John’s

Fiainana mpanakanto – «Tsy nisakaiza velively tamin’i Jerry Marcoss aho», hoy i Farah John’s

MPANDIHY SY MPIHIRA TAO ANATIN’NY TARIKA JERRY MARCOSS NO NAHAFANTARANA AN-DRASOLOFONJATOVO FARAH SAMÜELINE, NA FARAH JOHN’S, TALOHAN’NY NIKOPAHANY ELATRA IRERY TEO AMIN’NY SEHATRY NY MOZIKA. HEHY TSOTRA NO NAMALIANY NY FILAZANA FA NISAKAIZA TAMIN’I JERRY MARCOS IZY. NABORAK’I FARAH JOHN’S FA OLON-TIANY DIA TSY AO ANATIN’NY  TONTOLON’NY MOZIKA MIHITSY. Toy ny ankamaroan’ireo mpanakanto, dia fitiavana mozika hatramin’ny fahakely no nitarika an’i Farah John’s hiditra amin’ny sehatry ny mozika. Efa tao anaty rany ka notohizany tamin’ny fidirana ho mpikambana tao amin’ny antoko mpihira tany Vohemar, nanomboka teo amin’ny faha-8 taonany. Rehefa feno 18 taona izy no niakatra teto an-drenivohitra. Tao anatin’ny faniriany ho mpihira, dia ny zaobaviny, vadin’ny zokiny lahy, no nifankahalala tamin’i Jerry Marcoss ka nampifanatona azy ireo. «Taorian’ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ ny tarika Jerry Marcoss, ny taona 2004 no tafiditra tao amin’ny tarika aho», araka ny fitadidian’i Farah John’s. Nialoha izay anefa, efa nanana ny lazany teo amin’ny sehatry ny dihy tany Vohemar ary nivoy karazan-dihy maro tao anatin’ny tarika «Hells Angel’s», izay efa nahafantaran’ny maro azy ihany koa, na tamin’ny andron’ny sekoly na tamin’ireo fety ho an’ny fialan-tsasatra izy. «Tsy maintsy nandihy foana izahay isan’andro tamin’izany fotoana izany», araka ny fitantarany. Izay rahateo no nahatonga azy ho sady mpihira no mpandihy tao amin’ny tarika Jerry Marcoss. Ity farany no nahatsapa ny talentany ka nampirisika an’i Farah John’s hiroso lalindalina amin’ny sehatry ny mozika. Nandeha ny resa-be Nanomboka teo ny resa-be momba ny fiarahan’izy roa ireo. Tsy nahatohina an’i Farah John’s, raha napetraka taminy ny fanontaniana momba io resaka io. Sady nihomehy izy no namaly am-pahatsorana fa “tsy nisy mihitsy ny fisakaizana teo aminy sy i Jerry Marcoss”. “Mpiara-miasa izahay tany am-boalohany.  Noho izy nanoro lalana ahy dia mandray azy ho toy ny raiko aho amin’izao fotoana izao”, hoy ihany izy.

Very saina hatramin’ izao ny renin’ilay zazalahy matin’ny taksibe tetsy Masay

Very saina hatramin’ izao ny renin’ilay zazalahy matin’ny taksibe tetsy Masay

  NILAOZAN’I ANDRY, ZAZALAHY 14 TAONA, NY FIANAKAVIANY VOKATRY NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA NAMONOAN’NY TAKSIBE AZY, TETSY AMIN’NY LALAN’NY FARIHY MASAY, NY SABOTSY TEO. VOA MAFY VOKATR’ITY FAHAFATESAN-JANANY ITY NY RENIN’I ANDRY. NAHAGAGA FA TSY FANAON’ITY ZAZALAHIKELY ITY NY MAKA TRONDRO ETSY MASAY, KANEFA DIA NOHO NY FIHAZAKAZAHANY HAKA ILAY TRONDRO MBA AZONY NO NAMOIZANY NY AINY.

Faran’ny herinandro

Faran’ny herinandro

CLUB NAUTIQUE IVATO «Tafaray samikaka» hiarahan’i Wawa, Vaiavy Chila, Jarifa, Ramora Favori ary Tinah-Ti» Na teo aza ny fahavoazana nahazo azy, dia vonona hiatrika ny fampisehoana izay hiarahany amin’ny mpanakanto maro eny amin’ny Club Nautique Ivato, Ramora Favori. Hotanterahina ny alatsinain’ny Pantekôty izao ny «tafaray samikaka», izay hiarahana amin’i Wawa, Vaiavy Chila, Jarifa ary Tinah-Ti.

Mananara Avaratra – Misy ambadika ny raharaha andramena

Mananara Avaratra – Misy ambadika ny raharaha andramena

Mampiahiahy ny zanak’i Mananara Avaratra ny fihetsiky ny manampahefana sasany, izay toa tsy taitra mahita ny fandripahana sy fanondranana ny andramena. Ny hafa aza dia manararaotra ny zava-misy hangoronan-karena. Ny mponina any an-toerana no mahita ifotony ka mitantara ny tena ao ambadiky ny raharaha andramena    «Zaha-poagna sy atô tsy hita ny fandrobagna boaderôzy aty aminay.

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite