Subscribe to RSS

Lalao olympika 2012 – Andrasana ny afitsok’ireo solontena malagasy telo mianadahy zokiny

Efa tapitra nihintsana avokoa ireo atleta malagasy zandriny teo amin’ny lalao olympika, izay tontosaina any Londres. Mbola manana solontena telo mianadahy tsy niaka-tsehatra i Madagasikara amin’ireo fito mianadahy mandray anjara amin’io lalao avo lenta io. Isan’ireny i Soloniaina Josiane Patricia, izay mpitolona eo amin’ny sokajy latsaky ny 72 kg, sady zokiny indrindra amin’izy ireo. Hamarana ny fiakarana kianja ho an’ny Malagasy izy amin’ny alakamisy 9 aogositra ho avy izao. Raha ny taona dia mety ity no lalao olympika voalohany sady farany atao amin’ny maha atleta azy.

I Saholinirina Eliane, izay mpihazakazaka 1500 m, kosa no hiatrika fifaninanana amin’ny alatsinainy 6 aogositra ho avy izao. Isan’ireo nikatsaka mafy ny tapakila hahafahana mandray anjara amin’ny lalao olympika ihany koa izy, saingy tsy nety nahazo fe-potoana kely indrindra raha tsy efa nikatona ny fisoratana anarana. Tamin’ny alalan’ny fanasana manokana na “Wild Card” no nahafahany nandeha tany Londres . Atleta malagasy mila ravinahitra any amin’ny Club Sottevillais Frantsa izy ary azo heverina ny hahafahany miatrika ny dingana manaraka, raha ny traikefany.

Atleta mpiangaly Décathlon, izay nosoratana anarana amin’ny 110 m misy fefy kosa no atleta lehilahy iray mbola tsy niakatra kianja ho an’i Madagasikara. Tamin’ny alalan’ny fanasana manokana ihany koa no nahafahana nandefa azy ho any Londres na dia voahosotra ho tompondakan’i Afrika teo amin’ny Décathlon aza izy tany Porto-Novo Benin farany teo. Ho azy dia ny hanatsara ny fe-potoana tsara indrindra vitany tany Maorisy, 14’’60, no tanjony. Amin’ny talata 7 aogositra amin’ny 12 ora sy 10 eto Madagasikara no hilahatra eny amin’ny toeram-piaingana izy.

Roméo Andriamihaja

 

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Taxi foot – Ireo lalao enina ho hita rahampitso sabotsy

Taxi foot – Ireo lalao enina ho hita rahampitso sabotsy(0)

Hitohy rahampitso sabotsy ny « Grand Tournoi Taxi Foot », karakarain’ny Fiteramana, eny Fort Duchesne. Lalao enina no ho hita ka manomboka amin’ny 11 ora ny lalao voalohany. Kitra lalaovin’olona fito ity hihaonana ity. Omby no iadiana amin’izany. Toy izao manaraka izao ny fandaharan-dalao: 11ora : Taxi Gara Ampasampito # Taxi FC3A Cora 12ora : Taxi Ambodivona # Taxi

«Champions league» – Hihaona amin’ny Bayern ny Dortmund  tsy misy an’i Mario Götze

«Champions league» – Hihaona amin’ny Bayern ny Dortmund tsy misy an’i Mario Götze(0)

Tsy isan’ireo hiatrika ny lalao famaranana eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, izay hotontosaina amin’ny sabotsy izao any amin’ny kianjan’i Wembley (Angletera), i Mario Götze, isan’ireo andrin’ny Borussia Dortmund. Na izany aza anefa dia mbola henjana ho an’ny Bayern Munich ny hitady fandresena eo anoloan’ny Dortmund. Tamin’ireo lalao mandroso sy miverina ho an’ny fiadiana

«Defi froid» – Hitsapa ny hatsiakan’ny rano ireo mpilomano eny Betongolo

«Defi froid» – Hitsapa ny hatsiakan’ny rano ireo mpilomano eny Betongolo(0)

Hifanandrina amin’ny hatsiaka eny amin’ny dobo filomanosan’i Betongolo amin’ny sabotsy izao ireo mpilomano hanoina ny antson’ny klioba Cosfa lomano. “Natao indrindra hitsapana ireo mpilomano te hiditra ho ao anatin’ny klioba izy ity ary ihany koa hanamafisana sy hitsapana ny toe-tsain’ireo mpilomano”, hoy i Tojohanitra Andriamanjatoarimanana, mpilomano kalaza fahiny, mpikarakara ity “Challenge Defi-Froid” ity. Saika ireo

Basket ball N1A – Hanandran-tsira any Mahajanga  ny ekipan’ny Zandary

Basket ball N1A – Hanandran-tsira any Mahajanga ny ekipan’ny Zandary(0)

Henjankenjana ny lalana miandry ny ekipan’ny zandarimariam-pirenena (GNBC), izay sambany no hiatrika fifaninanana goavana, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny basket ball sokajy N1A. $Tafara-bondrona amin’ny Sebam sy ny Ascum, izay samy ekipa avy any amin’iny faritr’i Boeny iny izy ireo, amin’ny fifaninanam-pirenena mandroso hotontosaina, any Mahajanga amin’ny 1 – 9 jona

– Mpanazatra 33 mandranto  fahaizana eny Carion

– Mpanazatra 33 mandranto fahaizana eny Carion(0)

Nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 8 jona ho avy izao ny fiofanan’ireo mpanazatra mikatsaka ny “Licence B Caf” andiany faharoa, eto Madagasikara. Mahatratra 33 izy ireo ary mitsinjara amina ligim-paritra 14 (Analamanga, Betsiboka, Alaotra Mangoro, Itasy, Sofia, Vatovavy Fitovinany, Atsimo Andrefana, Bongolava, Analanjirofo, Sava, Menabe, Atsinanana, Diana ary Matsiatra Ambony). Misy ihany

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite