Tena kabary politika fa tsy araka izay voalaza andro vitsy mialoha ilay lanonana no re teny Iavoloha, omaly. Mazava ny lalana tian’ny Filohan’ny tetezamita hizorana. Hirotsaka hofidiana ho Filoham-pirenena ny tenany ary tsy ahoany izay »ni…ni » na fandrarana azy sy ny Filoha teo aloha tsy handray anjara amin’izany fifidianana izany. Efa miomana amina lalana hafa ankoatra an’izay efa nosoritan’ilay tondrozotra ihany koa ny tenany. « Fitiavan-tanindrazana » no nentiny nanamarinana an’izany. Tsy lalam-baovao aloha io raha ny tena marina fa efa ny teo ihany, fa ny ankehitriny no tsy fantatra mazava na efa vita tara na mbola hikitoantoana tahaka ilay teo aloha.
Tsy hisy afaka hitompo teny fantatra anefa fa hizotra mora foana eo ambonin’izany ny…TGV.
Toa mila lalana manokana mihitsy mantsy ireny fitaovam- pitaterana ireny.









0 Fanehoan-kevitra