Subscribe to RSS

Fomba amam-panao – Hankalazaina ny 11 sy 12 marsa ny taom-baovao malagasy

Ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Trano kolotoraly malagasy mikarakara ny taom-baobao malagasy

Ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Trano kolotoraly malagasy mikarakara ny taom-baobao malagasy

Miova isan-taona ny daty. Homarihina sy hankalazaina ny 10 ka hatramin’ny 12 marsa 2013 ny taom-baovao malagasy. Ankoatra ny eny Ambohi- trabiby, izay niandohan’ ny taom-baovao malagasy tamin’ny andron-dRalambo, dia handray ireo hetsika rehetra amin’ity taona ity ihany koa ny kianjan’ Andohalo. «Hanana ny fanamarihany izany taom- baovao izany koa anefa ireo vohitra samihafa manerana ny Nosy ary hisy ihany koa ireo Malagasy any andafin’ ny riaka no hanamarika izany», hoy Randrianjatovo Henri, filohan’ny Trano kolotoraly Malagasy.

Toy ny isan-taona dia misy hatrany ny fanatanterahana ireo fomba amam- panao efa mahazatra, toy ny hasim-pidiovana, afo tsy maty, tso-drano, vary amin-dronono tondrahan- tantely ary ny Zara hasina.

Ho an’ny etsy amin’ ny kianjan’Andohalo dia fivoarana entin’ny taom-baovao malagasy ny fampa- hafantarana ny rehetra amin’ny alalan’ny vela-tseho ireo fomba amam-panao malagasy toy ny famadihana, famorana, fanorenana fanambadiana…
Ho hita ao anatin’izany koa ireo karazan-javamaniry fanao fanafody misy eto amintsika, ny tao trano malagasy sy ny heviny ary ny tantarany. Toy izany koa ny vary sy ny fiainan’ny Malagasy .

Andrasana amin’ity hetsika eny Andohalo ity ny fandraisan’anjaran’ ireo sekoly amin’ny fanehoana ny hevitry ny fihavanana fahiny sy ankehitriny amin’ny alalan’ ny sora-baventy.

Toy ny mahazatra,dia miara-dia hatrany amin’ ny fetin’ny taom-baovao malagasy ny kabary, vako-drazana sy ny dihy samihafa.

Faly Randriamiarantsoa

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

« Découverte RFI 2012″ – Hanolotra seho tokana  eto Madagasikara i Elmotho

« Découverte RFI 2012″ – Hanolotra seho tokana eto Madagasikara i Elmotho(0)

Tafiditra ao anatin’ny fitetezana firenena maro. Hanolotra seho tokana eto amintsika i Elmotho, mpanakanto avy any Namibie, izay nandrombaka ny loka tamin’ny fifaninanana «Découvertes Rfi-France 24», tamin’ny 2012. Efa hatramin’ny ela no nitondra ny zava-kantony ivelan’ny firenena niaviany i Elmotho ary ny nahazoany io loka io dia efa sehatra iray hitondrany ny zavakanto ho an’i Afrika, izay voaresany matetika ao anatin’ny

« Herinandron’ny kolontsaina » – Voaporofo ny fahasamihafana  isam-paritra sy ny firenena

« Herinandron’ny kolontsaina » – Voaporofo ny fahasamihafana isam-paritra sy ny firenena(0)

Tafiditra tao anatin’ ilay hetsika, «Herinandro ho an’ny kolontsaina». Nankalazaina omaly ny andro iraisam-pirenena  ho an’ny kolontsaina maro lafy. Nankalazaina tamin’ny alalan’ny seho sy fampirantiana samihafa tetsy amin’ny La City, Ankorondrano io andro io, ka nanehoana ny fahasamihafana eo amin’ ireo kolontsain’ny faritra eto Madagasikara an-daniny ary ny fahasamihafana avy amin’ireo firenen-tsamihafa an-kilany. Nasehon’ireo tranoheva maromaro ny mampiavaka ny kolontsaina isam-paritra eto Madagasikara, ka nisongadina tamin’izany ireo fomba fitafy sy ny taovolo isaky ny faritra na isaky ny foko. Masoivoho vahiny maromaro ihany koa

Tapatapany

Tapatapany(0)

FISARIHANA Finday avo lenta no ho azon’izay tsara vintana mandritra ny fisarihana hotanterahin’ny banky Bni, mandritra ny foara iraisam-pirenena tanterahina, etsy amin’ny Parc des expositions Forello Tanjombato, ny alakamisy 23 ka hatramin’ny alahady 26 mey ho avy izao. Ny alahady hariva amin’ny 4 ora sy sasany no hanaovana ny fisarihana ka ireo telo voalohany tsara vintana no hahazo amin’izany.

Fifaninanana BMOI – Sary 65 voafantina hiatrika  famaranana etsy Soarano

Fifaninanana BMOI – Sary 65 voafantina hiatrika famaranana etsy Soarano(0)

Efa nanomboka tamin’ ny 27 marsa ny fampirantiana voalohany isaky ny faritra. Sary 65 no voafantina hiatrika ny famaranana tamin’ny fifa- ninanana saripika niarahana tamin’ny BMOI. Nanom- boka 17 mey teo ary hitohy hatramin’ny 27 mey ny fampirantiana ireo sary ireo, etsy amin’ny Café de la Gare, Soarano. Ny fanehoana ny «rano» amin’ny alalan’ ny sary no notakiana tamin’ireo mpifaninana ary samy niezaka nampivoitra izany ny tsirairay. Naha- tratra 200 ireo namaly ny

Toamasina – Nalai-nisaraka i Nantenaina sy ireo mpankafy azy

Toamasina – Nalai-nisaraka i Nantenaina sy ireo mpankafy azy(0)

Efa ela tsy nifankahitana. Nalai-nisaraka i Nantenaina sy ireo mpankafy azy nandritra ny seho voalohany niarahany tamin’ny mponin’i Toamasina, ny alahady lasa teo, tao amin’ny kianja mitafon’i Soavita, tao anatin’ilay hetsika «Pentecôte maresaka à Tamatave». Porofon’izany, dia saika niarahan’ity mpanakanto ity nikalo tamin’ireo mpijery ny ankamaroan’ireo hira nokaloina ka tao anatin’izany ireo hira efa voarakitra tamin’ny rakikira roa efa navoakany toy ny «Tambitamby», «Zanaka amba­nivolo», «Fahanginana», «Saribamanga»… Anisan’ny tena nahoraka kosa ary nangatahin’ny mpijery ny namerenana azy ny «Sentosento», izay niarahany nikalo tamin’i Frances J, izay sambany niaka-tsehatra tamin’ny fampisehoana. Nialoha an’i Nantenaina, dia nisantatra ity seho ity i Shyn,  izay anisan’ireo mpanakanto sangany sy manana ny lazany koa amin’izao fotoana, any amin’iny faritra Atsinanana iny. FR

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite