Subscribe to RSS

Fodiamandry – Nilaozan’i Gérard Rakotoasimbola ihany koa ny piano

55 taona i Gérard Rakotomalala izao nodimandry izao

55 taona i Gérard Rakotomalala izao nodimandry izao

Namoy olomanga indray ny tontolon’ny kalon’ny fahiny. Nodimandry ny alin’ny alarobia teo amin’ny faha-55 taonany i Gérard Rakotoasimbola, rehefa nolazoin’ny homamiadan’ny tenda, nandritra ny fotoana naharitra. Mpanakanto sy tarika maro no nitondrany ny talentany tao anatin’ny taona maro : ny tarika Kintana telo, Ossy, Lecky, Rasamielojaona Wilson, Richard Ranaivoson, Romule, JJ Tseheno, Gaston Andrianony, Ramaroson Wilson, J. Andriamanantena, André Titis, Ramananjanahary Albert, Ludger Andrianjaka…

Nanabe sy nampita ny fitiavana ny kalon’ny fahiny tamin’ny tanora ihany koa i Gérard Rakotoasimbola, ka anisan’ireo taizany sy nobeaziny tamin’izany i Sitraka (Pazzapa), izay anisan’ireo tanora liana amin’ny kalon’ny fahiny.

Ny sabotsy izao no handevenana ity mpanakanto ity eny amin’ny fasan-drazany eny Antsampandro Ilafy. Izahay eto amin’ny Ao Raha dia mirary fiononana ho an’ny fianakavian’Itompokolahy.

Faly Ran.

 

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Antsa tononkalo « Zarafanahy » – Handray vahiny ny Faribolana  Sandratra

Antsa tononkalo « Zarafanahy » – Handray vahiny ny Faribolana  Sandratra(0)

Miditra amin’ny andiany fahatelo. Hanolotra indray ny «Zarafanahy», fiantsana tononkalo hiarahany  amin’ireo vahininy ny faribolana Sandratra. Hotanterahina etsy amin’ny CGM Analakely rahampitso tolakandro ity seho hisokatra amin’ireo sehatra hafa, ka entina hitsidihana sy hizarana aingam-panahy amin’ny habaka hafa ity. Ho maro loko ny asa soratra ho re mandritra ny fampisehoana  entina hanasongadinana ny «Iray volan’ny teny Malagasy». Anisan’ireo hanafana ity hetsika ity ireo mpanoratra, ahitana an-dry Tsiahy Andrianina, Tsiry (Tsiry Harena Unique), moara Thaïna (Kiné Massages), iriana solevain (Iriana Akoranam­pisoro), Ny Eja, Andry Elra. Ony Mihajanirina sy Riambola Mitia kosa no avy amin’ny Faribolana Sandratra. Misy poeta anaty fikambanana amin’ireo, saingy tsy mitondra ny anaran’ny fikambanany. Misy koa poeta … nipoitra teny anivon’ny internet, toy ny facebook. Fantatra kosa fa efa nivoaka tany Ambatondrazaka ny boky misy takila 40 vokatry ny antsa-tononkalo  nanehoan’ ireo mpanoratra ireo sehatra ahafantarana ny faritr’Alaotra, dia ny tontolon’ny vary sy ny voka-bary izany. 10 mianadahy no nifarimbona taminy, toa an-dry R.S.L sy Ny Peniko, ry F. Dina sy ry Tatory, ry Tsanta Mirindra… FR

Fahitalavitra – Hiditra amin’ny fandraisana ny sary nomerika isika

Fahitalavitra – Hiditra amin’ny fandraisana ny sary nomerika isika(0)

Manaraka ny fivoaran’ny teknolojia misy sy iraisana. Hiditra amin’ny fandraisana ny sary nomerika na ny TNT (Télévision Numérique terrestre) ny fahitalavitra eto Madagasikara. Ho fiatrehana izany misy ny andro fampahafantarana ny tetikasa TNT eto Madagasikara, izay hotanterahina anio etsy amin’ny Carlton Anosy. Ny komitim-pirenena manomana ny fametrahana ny TNT (CNP-TNT) izay eo ambany fiahin’ny Kaomisiona manokan’ny serasera amin’ny haino aman-jery (CSCA) no mikarakara ny hetsika. Efa nanaiky ny firenena afrikanina iray nanao sonia ilay fifanarahana «GE06», ny 16 jona 2006 ary nanaiky fa tanjona ny hamaranana ny fanapariahana ny fahitalavitra tsotra amin’ny UHF amin’ny 17 jona 2015 ary amin’ny 17 jona 2020 ho an’ny VHF. Ny vondrona ara-barotr’ireo firenena aty atsimon’i Afrika (Sadc) dia nanana finiavana ny hiampita amin’izay TNT izay ,alohan’ny 31 desambra 2013, izay 18 volana mialohan’ny daty napetraky ny sampan-draharaha irasam-pirenen’ny fifandraisan- davitra na ny UIT. Hampahafantarina ireo rehetra voakasiky ny tetikasa mandritra ity andro anio ity ny momba ny tetikasa TNT eto Madagasikara. Ny komitim-pirenena izay nametraka fa fotoanan’ny fanomanana ny jolay ka hatramin’ny desambra 2013 ary ny janoary 2014 ka hatramin’ny jona 2015 kosa ny fametrahana. FR

Fetin’ny 26 Jona – Ho henjana ny fitandroana ny filaminana eny Anosy sy Antsonjombe

Fetin’ny 26 Jona – Ho henjana ny fitandroana ny filaminana eny Anosy sy Antsonjombe(0)

Efa nolazaina fa tsy hisy ny fampisehoana na podium hiarahana amin’ireo mpanakanto, kanjo raikitra indray fa hisy ny hetsika ara-kolon­tsaina ao anatin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena ny 26 jona ho avy izao. Araka izany, hisy ny afomanga,  izay hatao etsy Anosy ary ny fampisehoana rehetra kosa eny Antsonjombe. Nanamarika tetsy ankilan’izay ny Jeneraly Randrianatoandro Guerison James, filohan’ny komity mpanomana ny fetin’ny 26 jona fa «ho henjana ny fitandroana ny filaminana». Hanomboka ny zoma 21 jona ny fampisehoana samihafa ary mpanakanto efatra isan’andro no hiakatra an-tsehatra. Dimy ny mpanao vakodrazana ary 15 kosa ireo mpiangaly ny hira madinika. Hanomboka amin’ny 5 ora hariva isan’andro ny fampisehoana ary hifarana amin’ny 9 ora alina farafahatarany. «Ny 25 jona ihany no hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro ny fampisehoana mba hahafahan’ny rehetra miara-mijery afomanga eny Anosy manomboka amin’ny 5 ora hariva», araka ny fanazavan-dRandria­mampionona Rija, mpandrindra ireo hetsika ara-kolontsaina ao anatin’ity fetin’ny 26 jona ity. Nomarihiny fa ny minisiteran’ny Foloalindahy no tompo-marika amin’ny fikarakarana ka izy ireo ihany koa no hiantsoroka ny filaminana eny an-toerana mandritra ireo andro ireo. «Ny fitandroana ny filaminana no nanaovana ny hetsika anaty toerana voafefy toy izao», hoy ihany izy. Faly Ran. Fandaharam-potoana Zoma 21 jona : Barinjaka - Tence Mena - Dah’Mama Sabotsy 22 Jona : Jean-Aimé – Oladad – Nina’s Alahady 23 jona : Onja – Lianah – Brillante Alatsinainy 24 jona : Lôla – Fara John’s – Samoëla Talata 25 jona : Jerry Marcoss, Black Nadia - Tsiliva   Efa nolazaina fa tsy hisy ny fampisehoana na podium hiarahana amin’ireo mpanakanto, kanjo raikitra indray fa hisy ny hetsika ara-kolon­tsaina ao anatin’ny fanamarihana ny fetim-pirenena ny 26 jona ho avy izao. Araka izany, hisy ny afomanga,  izay hatao etsy Anosy ary ny fampisehoana rehetra kosa eny Antsonjombe. Nanamarika tetsy ankilan’izay ny Jeneraly Randrianatoandro Guerison James, filohan’ny komity mpanomana ny fetin’ny 26 jona fa «ho henjana ny fitandroana ny filaminana». Hanomboka ny zoma 21 jona ny fampisehoana samihafa ary mpanakanto efatra isan’andro no hiakatra an-tsehatra. Dimy ny mpanao vakodrazana ary 15 kosa ireo mpiangaly ny hira madinika. Hanomboka amin’ny 5 ora hariva isan’andro ny fampisehoana ary hifarana amin’ny 9 ora alina farafahatarany. «Ny 25 jona ihany no hanomboka amin’ny 1 ora tolakandro ny fampisehoana mba hahafahan’ny rehetra miara-mijery afomanga eny Anosy manomboka amin’ny 5 ora hariva», araka ny fanazavan-dRandria­mampionona Rija, mpandrindra ireo hetsika ara-kolontsaina ao anatin’ity fetin’ny 26 jona ity. Nomarihiny fa ny minisiteran’ny Foloalindahy no tompo-marika amin’ny fikarakarana ka izy ireo ihany koa no hiantsoroka ny filaminana eny an-toerana mandritra ireo andro ireo. «Ny fitandroana ny filaminana no nanaovana ny hetsika anaty toerana voafefy toy izao», hoy ihany izy. Faly Ran. Fandaharam-potoana Zoma 21 jona : Barinjaka - Tence Mena - Dah’Mama Sabotsy 22 Jona : Jean-Aimé – Oladad – Nina’s Alahady 23 jona : Onja – Lianah – Brillante Alatsinainy 24 jona : Lôla – Fara John’s – Samoëla Talata 25 jona : Jerry Marcoss, Black Nadia - Tsiliva

CSB Antananarivo – Fety nandritra ny roa andro  tetsy amin’ny Maray Masay

CSB Antananarivo – Fety nandritra ny roa andro  tetsy amin’ny Maray Masay(0)

Tafiditra tamin’ireo hetsika nanombohana ny faha-55 taonan’ny THB. Fety nandritra ny roa andro no notanterahina tetsy amin’ny Marais Masay ny faran’ny herinandro teo. Ny sabotsy maraina anefa dia efa nisy ny hetsika nanoloana ny Jumbo Score tetsy Ankoron­drano. Nandritra izany dia maro tamin’ireo nandalo tamin’iny lalana iny no variana tamin’ny dihy nataon’ireo ankizy izay nandray anjara tamin’ilay dihy tambabe. Ankoatra ny fiarahana tamin’ny toerana maitso noravahin’ireo latabatra sy elo menan’ny THB dia nampiavaka ny roa andro tetsy amin’ny Marais Masay ny fanehoana ireo mpanatrika ilay rakitsarin’ ny THB, Soa ny fiarahantsika vaovao. Nisokatra ho an’ny rehetra ihany koa ny Karaoke, izay nentina niala voly, ka tsy nije­rena ny fahaizana na tsia mifehy ny teknikan’ny hira. Toy ny mahazatra dia nisy hatrany ny lalao sy loka samihafa natolotra ireo mpanjifa tao anatin’ny roa andro. Faly Ran.

« Seho tokana » – Goavana sy nanakoako ny fiderana niarahana tamin’ i Dayvide 

« Seho tokana » – Goavana sy nanakoako ny fiderana niarahana tamin’ i Dayvide (0)

Fampisehoana tamin’ny sehatra lehibe voalohany teto Antananarivo. Goavana sy nanakoako ny fiderana niarahana tamin’i Dayvide tamin’ilay “seho tokana” sy Dayvide ranoray notanterahina tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly tolakandro. Sehatra goavana voaravaky ny loko mavokely sy mainty no nandraisan’ity mpanakanto ity ireo mpijery tonga maro nameno ny antsasaky ny lapan’ny Fanatanjahantena. Nanjaka tao anatin’ny fampisehoana ny hira sy ny fihetseham-po satria dia matetika no latsa-dranomaso i Dayvide noho ny fihetanam-po na tamin’ny hira na tamin’ny fiarahana nikalo tamin’ireo mpijery. Goavana ny fampisehoana satria dia mpanakanto an-jatony no niara-dia tamin’i Dayvide tamin’ny fampisehoana. Tao anatin’izany ireo antoko mpihira izay nanome vokatra niavaka tamin’ny hira gadona “pink” nefa nahitana ny feo lafika mamelona fanahy. Tamin’ny ankapobeny dia niarahan’i Dayvide nikalo tamin’ireo nanotrona azy ny ankamaroan’ireo hira, raha tsy hitanisa afa-tsy izay tena nampihetsi-po toy ny “afon’ny fanahy”, “Mpamonjy”, “Mitomany mafy”… Fahombiazana, araka izany, ny seho voalohany teto Antananarivo ho an’i Dayvide. Hitohy amin’ny fitetezam-paritra ny hetsika hiarahana amin’ity mpanakanto ity. FR

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite