Subscribe to RSS

Fitrandrahana – Ho avy ny bemidina ao Ambatovy Toamasina

Hanao bemidina ao amin’ny ozinin’Ambatovy ao Tanandava Toamasina ireo mpikambana ao anatin’ny komity teknika ivondronan’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, ny Fahasalamana, ny Tontolo iainana, ny Asa sy ny Lalàna sosialy, ny Indostria ary ny Ofisim-pirenena misahana ny Tontolo iainana, ny alarobia ho avy izao.

Tafiditra ao anatin’ny asa fitsirihana ilaina mialoha ny fampihodinana ny ozinina fitrandrahana harena an-kibon’ny tany iray, araka ny efa voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny Harena an-kibon’ny tany io hatao io. Raha tsy voamarina mantsy fa afaka mihodina amin’ny famokarana ny ozinina, tsy afaka avoaka ny alàlana amin’ny fampihodinana izany na ny «autorisation de mise en service».

Amin’ny faran’ny volana ho avy izao rahateo no mihevitra ny hamokatra nikela sy kôbalta voalohany ny ozinin’Ambatovy. «Tsy maintsy vita mialoha ny faran’ny volana araka izany io fitsirihana io», hoy i Daniella Randriafeno, minisitry ny Harena an-kibon’ny tany.

Niteraka resabe ihany koa ny mahakasika ny habetsahan’ny tahana asidra solfirika hita tao amin’ny reniranon’i Ranomainty, izay nanondroana ny ozinin’i Tanandava ho tompon’antoka. «Hampiarahana amin’io bemidina hatao amin’ny herinandro ho avy io ny fijerena ifotony ny mahakasika izany», hoy ihany ny minisitra.

 

HNA

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Fiahiana sosialy – Mba hahazo fisotroan-dronono  ihany koa ireo tantsaha

Fiahiana sosialy – Mba hahazo fisotroan-dronono ihany koa ireo tantsaha(0)

Ela ny ela ka ho isan’ireo hahazo tombontsoa amin’ny fiahiana sosialy omen’ny CnaPS na ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana sosialy ihany koa ny tantsaha. Nanao sonia fifanarahana ny CnaPS sy ny Tranoben’ny Tantsaha, tamin’ny faran’ny herinandro teo, fa manomboka izao, dia ho afaka mirotsaka ho mpikambana amin’ity rafitra ity koa ny Tantsaha (mpamboly, mpiompy sy

Fambolena sy fiompiana – «Tokony ho sompitry ny Ranomasimbe  Indianina isika», hoy ny Fivmpama

Fambolena sy fiompiana – «Tokony ho sompitry ny Ranomasimbe Indianina isika», hoy ny Fivmpama

Iankinan’ny ho avin’ny firenena. Notanterahina omaly ary hitohy anio, etsy amin’ ny tokotany malalaky ny Tour Zital, Ankorondrano ny «zaikabe ho an’ny fandraharahana eo amin’ ny sehatry ny fambolena sy fiompiana», karakarain’ ny Fivondronan’ny Mpan- draharaha Malagasy na ny Fivmpama. « Ny fahatsapana ny tsy fisian’ny firindrana sy ny fitrandrahana, araka ny tokony ho izy, ny harena avy amin’ny fambolena sy ny fiompiana misy eto amintsika

Fikarohana – Nampahafantarina ny karazam-bary vaovao ho an’ny sakafo mahasalama

Fikarohana – Nampahafantarina ny karazam-bary vaovao ho an’ny sakafo mahasalama

Tontosa omaly, tetsy amin’ny Hotel Colbert Antani- narenina, ny atrikasa tao anatin’ilay tetikasa fitaratra «voly vary, ho an’ny sakafo ara-pahasalamana». Nisy ny andrana karazam-bary vaovao izay natao tany Anjepy – Manjakandriana, ny volana oktobra 2012, vokatry ny fiaraha-miasan’ ny orinasa Nestlé sy ny ivon-toeram-pikarohana ho an’ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra, ny foibe fikarohana momba ny fambolena (FOFIFA), ny ivon-toeram-pikarohan’ ny Nestlé, any Abidjan (Côte d’Ivoire) ary ireo sekoly ambony samihafa.

Fitrandrahana – Nohamafisina ny sazin’ny Mainland fa tsy mbola vita ny RN5

Fitrandrahana – Nohamafisina ny sazin’ny Mainland fa tsy mbola vita ny RN5

Mihasimba! Tsy misy fivoarana ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-5 mampitohy an’i Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana, sahanin’ny kaompania mpitrandraka Mainland ary ao anatin’ny fifanarahany amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. «Misy fahatarana be ny asa, satria efa hatramin’ny 4 avrily no niato izany. Vao mainka mitombo ny fahasimbana, na dia efa nisy ampahan-dalana sasantsasany nasiam-panam- boarana aza», araka

Fandraharahana ara-bola madinika – Mitaraina amin’ny hetra sy ny sara alain’ny banky ireo mpandraharaha

Fandraharahana ara-bola madinika – Mitaraina amin’ny hetra sy ny sara alain’ny banky ireo mpandraharaha

Manakaiky kokoa ireo olona any ambanivohitra ary manampy azy ireo amin’ny fitantanana ny vola sy amin’ny fanatsarana ny fiainany ireo mpandraharaha amin’ny fampindramam-bola madinika. Misedra olana anefa ankehitriny ity sehatra ity satria mitairana amin’ny hetra sy ny sarany alain’ ireo fandraharahana goavana. “Tsy maintsy any amin’ ireo sehatra ambony ireo mantsy no ametrahana ny volan’ireo mpandraharaha ara-bola madinika araka ny lalàna misy”,

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite