10 andro sisa. Hentitra omaly ny talen’ny kabinetran’ ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena nilaza fa tsy hihemotra intsony ny fanadinam-panjakana. “Efa mipetraka sy mirindra avokoa ny lamina rehetra. Faritra vitsivitsy sisa no mbola misy olana. Mpampianatra maro kosa no ilaina hanara-maso sy hitsara ny fanadinana ary miankina amin’ny filan’ny fari-piadidiam-pampianarana (Cisco) sy ny isan’ny ivon-toeram-panadinana ny isan’izany”, hoy Razafimanantsoa Christophe.
Fepetra nambarany fa takiana amin’ireo olona tadiavina ireo ny tsy maintsy maha mpampianatra azy, izay mety ho avy amin’ny tsy miankina ihany koa. “Karama “vacation” toy ny fandrain’ny rehetra ihany no homena azy ireo”, hoy izy.
Nohamafisiny koa fa maro ny sekoly mbola mikatona. « Misy mpampianatra mampianatra ihany any amin’ ireny sekoly mikatona ireny, saingy any amin’ny toeran-kafa izy no manatontosa izany noho ny tahotra ny Sempama », hoy izy.
Ireo sendikan’ny mpampianatra mpanabe (Sempama) kosa an-kilany nilaza fa tsy tompon’andraikitra amin’ izay mety ho fandehan’izany fanadinam-panjakana atao amboletra izany.
Lilia Rajaonah










0 Fanehoan-kevitra