Subscribe to RSS

Fitadiavana – Miitatra amin’ny sehatra hafa ireo asa any ivelany

Ireo vehivavy no tena liana amin'ny fitadiavana asa any ivelany

Ireo vehivavy no tena liana amin'ny fitadiavana asa any ivelany

Varoboba. Mpiasa an’arivony no mbola tadiavin’ ireo birao mpandefa mpiasa any ivelany. Efa tsy miafina ary tsy mijanona amin’ny alalan’ny peta-drindrina intsony ny fitadiavana mpiasa malagasy hiasa amin’ireo firenena arabo. Miparitaka amin’ny fahitalavitra amin’izao fotoana ny dokam-barotra izay hitadiavana mpiasa ho atsy Koweit sy Arabia Saodita.

Misy ny asa rehetra na ho an’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy, hono, any amin’ireo firenena ireo. “Ny asa rehetra momba ny trano no ataon’ny lehilahy. Manomboka amin’ny fananganana ny trano izany ka hatramin’ny fandokoana sy ny herinaratra. Mpanampy an-trano, mpampivelona, mpanao mofo, mpanao volo, … kosa ny an’ny vehivavy”, araka ny nambaran’ny birao New Hope, etsy Isoraka. Ny ao Koweit kosa indray dia mbola momba ireo mpiasa an-trano ihany araka ny nambaran’ny Fa entreprise. Manodidina ny Ar 540 000 kosa ny karama ho an’ireo asa ireo.

Birao mpandefa mpiasa miisa 10 no voalaza fa efa nomen’ny minisiteran’ny Asam-panjakana fahazoan-dalana hanao ity asa fandefasana mpiasa ity. “Tsy maintsy jerena izay tena ara-dalàna sy ny fifanarahana atao amin’ilay firenena mba hisorohana ny loza toy ny tany Liban. 65%-n’ny tanora malagasy mantsy no manana fahasahiranana amin’ny fitadiavana asa”, hoy ny minisitra, Randriamanantsoa Tabera.

Lilia Rajaonah

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Fahapoizinana ara-tsakafo – Olona telo araha-maso akaiky eny amin’ny hopitaly

Fahapoizinana ara-tsakafo – Olona telo araha-maso akaiky eny amin’ny hopitaly(0)

Tafakatra 80 mahery indray hatramin’ny omaly ireo tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo, tonga tetsy amin’ny hopitaly Hjra. Mbola ireo marary, nandritra ny fanatrehana lanonana nandritra ny mariazy miara-mizotra teny Itaosy hatrany ireo tonga nanatona hopitaly ireo. “Rehefa nojerena tany Itaosy ireo fianakaviana nanatrika lanonana dia mbola nahitana olona telo tena marary mafy ka voatery nampidirina eny amin’ny hopitaly Itaosy. Arahi-maso akaiky mihitsy ny fahasalaman’izy ireo”, hoy Dr  Rajemiarimoelisoa Felana, avy amin’ny sampan-draharaha manara-maso ny

Hopitalim-panjakana – Miato ora maromaro isan’andro  ny famatsiana oksizena

Hopitalim-panjakana – Miato ora maromaro isan’andro ny famatsiana oksizena(0)

Olana mbola tsy mety voavaha. Ny vahoaka madinika hatrany no iharan’ny tsy rariny. Mbola tsy milamina hatramin’ izao ny famatsiana oksizena eny anivon’ny hopitalim-panjakana eto an-drenivohitra. Voalaza fa ny mbola tsy nandoavan’ ny minisiteran’ny Fahasalamana ny volan’ ny mpamatsy oksizena hatrany no mahatonga izany. « Voatery amboarina ny fandefasana oksizena eto amin’ny hopitaly. Atsahatra izany manomboka amin’ny 1 ora alina ka hatramin’ny 4 ora maraina », hoy ny mpitsabo iray etsy

Sekoly katolika – Efa vonona amin’ny fana- dinam-panjakana rehetra

Sekoly katolika – Efa vonona amin’ny fana- dinam-panjakana rehetra(0)

Notontosaina tetsy amin’ny sekoly Esca Antanimena, omaly ny andron’ny sekoly katolika eto Antananarivo. Samy nandefa ny solontenany teny avokoa ireo sekoly katolika teto an-drenivohitra sy ny manodidina. «Ny anio ny ho avy fa tsy ny ampitso», io no teny filamatr’ireo sekoly rehetra nentina nanamarihana ity andron’ny sekoly katolika ity. «Efa fanao isan-taona ny hetsika sahala

Andron’ny zava-boary – Miharitra ny rano noho  ny fiovaovan’ ny toetr’andro

Andron’ny zava-boary – Miharitra ny rano noho ny fiovaovan’ ny toetr’andro(0)

Malaza amin’ny fananana karazan-java-boary maro i Madagasikara. Mihena anefa ny habetsahan’ny rano noho ny fiovaovan’ ny toetr’andro. Io rano io no fototra iorenan’ireo karazan-java-boary. Anisan’ireo tena mila rano betsaka indrindra ny fambolem-bary. Tsy mitsaha- mikaroka izay fomba entina hampiroboroboana ny sehatry ny fambolem-bary anefa ireo manam-pahaizana malagasy. «Mitarika ny faharitan’ ny rano ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ny firenena tsirairay dia tokony hijery

Fanambadiana ho an’ny rehetra – Lalàna tokana mampivady ny lahy  sy ny vavy ihany no misy eto

Fanambadiana ho an’ny rehetra – Lalàna tokana mampivady ny lahy sy ny vavy ihany no misy eto(0)

Samy manana ny heviny ireo vahoaka malagasy manoloana ny faneken’ny tany Frantsa ny fanambadian’ny lahy sy ny lahy na ny vavy sy ny vavy. Ny lalàna eto amintsika anefa rehefa notomorina dia hita fa tsy mankasitraka izany. “ Ny lalàna momba ny fanambadiana eo amin’ ny samy hafa taovam-pananahana ihany no manan-kery eto amintsika. Nosokajian’ny Fitsarana ho anisan’ny mifanohitra amin’ny natiora ny fiarahana na firaisan’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy”, hoy Ralambondrainy Rakotobe Nelly, filoham-boninahitra voalohany ao amin’ny Fitsarana Tampony. “Tsy mifanaraka amin’ny maha Malagasy mihitsy izany fomba izany. Ny zanaka no harena ho an’ny Malagasy, nefa

Hijery hafa

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite