Subscribe to RSS

Fikaonandoha teny Ivato – Voafaritra ny mari-karama vaovao naroson’ny mpiasam-panjakana

Nahitana solontena avy isaky ny Faritra 22 ireo mpiasam-panjakana nikaondoha teny Ivato

Nahitana solontena avy isaky ny Faritra 22 ireo mpiasam-panjakana nikaondoha teny Ivato

Miandrandra maraim-baovao. « Nofaritana ho 800 ny mari-karama na « indice » farany ambany ho an’ny mpiasam-panjakana ary 9 000 ny farany ambony, raha 300 sy 4 000 izany ankehitriny ». Santionany tamin’ireo tsoa-kevitra lehibe, tapaka nandritra ny fikaonan-doham-pirenen’ny mpiasam- panjakana teny amin’ny Ivon-toeram-pivoriana iraisam-pirenena eny Ivato, notontosaina nanomboka ny zoma ary nifarana ny sabotsy teo io. Raha araka ny vinavinan-kajy tsotra dia mihoatra ny Ar 200 000 ny karama farany ambany haroson’ izy ireo. Noresahina ihany koa ny tokony hanamboarana ny tambin- karama isan-karazany. Ireo rehetra ireo izay nangatahana haiditra ao anatin’ny lalàna momba ny fandaniam-bolam-panjakana ho an’ny taona 2013.

« Mila miasa tsara sy manome fahafaham-po ny mpanjifa ihany koa anefa ny mpiasam-panjakana ary tokony hatao mazava ny fitantanan- draharaham-panjakana », hoy Rakotondrainibe Simon Richard, mpandrindra nasionalin’ity fikaonandoha ity. Tafiditra ao anatin’ilay sehatra fanatsarana sy ny fanadiovana ny raharaham-panjakana io. Anisan’ ireo tsoa-kevitra ny tokony hananganana filankevitra ambonin’ny raharaham-panjakana hisahana izany ary angatahan’ireto mpiasam-panjakana ireto hajoro isaky ny minisitera. Mila diovina sy atao tsara tantana ny harem-pirenena sy ny tetibolam-panjakana izay heverin’ izy ireo ho lalana ahazoana manatratra izay fanondrotana karama izay, hamerenana ny hasin’ny mpiasam-panjakana. Natsangana nandritra io fikaonandoha io ihany koa ny kaonfederasiona nasionalin’ny sendikan’ ny mpiasam-panjakana, rafitra hanara-maso ny fampiharana ireo tsoa-kevitra ireo. Nilaza ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Razafindehibe Etienne Hilaire, nisolo tena ny fitondram-panjakana fa hampitaina eny anivon’ ny mpitondra fanjakana ny fehin-kevitra rehetra notinapaka. Tsy vitsy tamin’ireo mpiasam-panjakana no nilaza ny fisalasalany ny amin’ny mety ho fahatanterahana ireo rehetra ireo.

Monica Rasoloarison

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Herinandron’ny ati-vava – Mety hahafaty ireo ankizy madinika ny areti-nify

Herinandron’ny ati-vava – Mety hahafaty ireo ankizy madinika ny areti-nify(0)

Tsy tokony hatao tsinontsinona. Matetika no sokajian’ny olona ho toy ny aretina madinika ny aretin’ny ati-vava sy ny areti-nify. Isan’ny aretina mety hahafaty haingana, indrindra ho an’ireo ankizy madinika anefa ity aretina ity. Nivoitra izany omaly nandritra ny fankalazana ny herinandrom-pirenena momba ny fahasalaman’ny ati-vava sy ny nify, natao tany Imerin’Imady, distrikan’Ambositra. “Betsaka sady maro

Fanadinana BEPC – Hanomboka amin’ny 27 mey ny adina ara-panatanjahantena

Fanadinana BEPC – Hanomboka amin’ny 27 mey ny adina ara-panatanjahantena(0)

Tokony efa hiomana amin’ny fiatrehana ny fanadinana ara-panatanjahantena ireo mpiadina Bepc. Hanomboka amin’ny alatsinainy 27 mey ka hatramin’ny 30 mey ny anjaran’izy ireo. Hitohy ny alatsinainy 3 jona izany ka hatramin’ny 7 jona. Hitsinjara amina kianja telo ireo mpiadina manodidina ny 27 000 araka ny vaovao avy amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo reni- vohitra, dia ny kianjan’i

Fifamoivoizana an-drenivohitra – Taratasina fiara miisa 500   nogiazana tao anatin’ny 45 andro

Fifamoivoizana an-drenivohitra – Taratasina fiara miisa 500 nogiazana tao anatin’ny 45 andro(0)

Tsy manara-dalàna daholo. Ahitana tsy fanarahan-dalàna hatrany eo amin’ireo fiara mifamezivezy eto an-drenivohitra. Tsy ny taksibe sy ny fiarakaretsaka ihany no manao izany fa eo ihany koa ny fiaran’olon-tsotra. « Nahatratra 500 ny taratasina fiara notanana nanomboka tamin’ny volana avrily ka hatramin’izao. Tsy fijanonan’ny taksibe amin’ny toeram-piantsonana no tena betsaka amin’ireo. Eo ihany koa ny hadisoan’ny

Fetin’ny Pantekosta – Ho tsara sady hafana ny faran’ny herinandro

Fetin’ny Pantekosta – Ho tsara sady hafana ny faran’ny herinandro(0)

Tsara andro. Hilamina indray ireo manana fikasana hitsangantsangana mandritra ny fetin’ny Pantekosta. Hanomboka hafana indray mantsy ny andro ary hisinda ihany koa ny erika, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr’andro. “Hiova hiakatra kely indray ny mari-pana manomboka rahampitso. Mety haharitra eo amin’ny efatra andro eo izany hafanana izany ka hiverina amin’ny volon’ andro mangatsiaka kely avy eo. Tsy hisy ihany koa ny erika noho ny fisindan’ny rivotra mangatsiaka avy amin’ ny tsioka atsimo. Mbola ao anatin’ny vaninandro

Hopitaly Ambohimiandra – Zaza marary mafy mila famonjena

Hopitaly Ambohimiandra – Zaza marary mafy mila famonjena

Mila vonjy maika. Marary mafy ka mila fanafody mitentina Ar 460 000 isan’ andro ny zazavavi-kely iray vao 13 taona, Razafi- mahefa Mendrika Nirinasoa, avy eny Imerimanjaka, Ambohijanaka, izay tsaboina eny amin’ny hopitaly Ambohimiandra. Tratran’ny aretina sarotra sitranina amin’ny havokavoka izy. Very 10 kilao ity zazavavy ity, hatramin’ny naharariany. Fitiliana tamin’ny scanner no nahitana fa simban’ny otrikaretina ireo “alvéoles” amin’ny ilan-tratrany havanana. “18 andro no efa notsaboina ety

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite