Subscribe to RSS

Fifandraisana – Kaominina 17 nampidirana telefaonina

Afaka amin’ny fitokana-monina. Kaominina 17, tsy mbola tratran’ny tambanzotran’ireo kaompania eo amin’ny sehatry ny telefaonina, ao amin’ny faritra Anosy no nampidirana ilay antsoina hoe « village phone » na telefaonina am-bohitra. « Hanampy ny mponina eo amin’ny fifaneraserany amin’ny faritra hafa sy amin’ny fitandroana filaminana ny fisian’ireo fitaovam-pifandraisana ireo », hoy Randriatefiarison Guillaume Venance, Lehiben’ny faritra Anosy, tamin’ny fitokanana azy ireo, ny fiandohan’ny taona teo.

Ao amin’ny biraon’ny kaominina isanisany no nametrahana ireo fitaovana ireo mba ho azon’ny Ben’ny tanàna sy ny mpanjifa ampiasaina malalaka. Fa teo an-danin’izany,dia nizarana bisikileta 703 koa ny sefo fokontany rehetra ao amin’ny faritra Anosy, ankoatra ny nandoavana ny tambin-karamany.

B.A

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Be midina

Be midina(0)

Nampiseho fahavonona ny hamongotra ny kolikoly ary hanatevina ny fifehezana ny lalàna ireo tompon’ andraikitra ambony eo anivon’ny polisim-pirenena. Nanao fisafoana tamina fokontany maro teto an-dreni-vohitra mihitsy ny minisitry ny Filaminana anatiny sy ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny alakamisy alina teo. Miova amin’ny mahazatra dia ny fibaikoana avy eny ambony latabatra aloha ilay hetsika. Asa anefa raha hahitana izay isan’ny tena maharary ny vahoaka dia ny ny tsy fandriampahalemana izany fidinana ifotony ao anatin’ny indray alina izany. Enga anie ka tsy ho fisehosehoana fotsiny ihany koa izany. Raha ireo olon-dratsy mantsy tsy mba mila miantso mpampahalala vaovao fa dia mazoto hatrany manao «fisafoana» ny tokantranon’ireo valalabemandry…

Dodona

Dodona(0)

Lasa nankato sy nanaiky tampoka an’ilay Lalàm-panorenana nolaniana tamin’ny taona 2010 ny filohan’ny Kaongresin’ny tetezamita, Mamy Rakotoarivelo. Ny tenany mihitsy no voalaza fa nidrikina nitaky ny hampiharana ny andininy faha-166 ao anatin’ny Lalàm-panorenana manoloana ny adihevitra mahakasika ny fitantanana ny firenena aorianan’ny fametraham-pialan’ny Filohan’ny tetezamita. Hatreto anefa dia toa tsy nitompo afa-tsy tamin’ilay sori-dalana naroson’ny vondrona Sadc ity mpanao politika akaiky ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana ity. Impiry impiry moa no tsy nanambaran’izy ireo fa tsy misy Lalàm-panorenana manan-kery izany eto? Izao anefa dia nitsimbadika indray ny rasa. Fikatsahana tombontsoa miharo faniriana fahefana avokoa no ao ambadik’izany. Izany hoe hitantana firenena (na dia tsy nisy nifidy aza) izany kosa ve moa tsy hahadodona? Tanteraka ihany ny faminanian’ny pasitera Mailhol fa olon-kafa fotsiny ireo hapetraka ho Filoha fa tsy ny tenany.

Kajikajy

Kajikajy

Samy te hifikitra mafy eo amin’ny sezany ireo tompon’ andraikitry ny tetezamita nirotsaka ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy misy mihevitra ny hiala mora foana izany fa dia mitady izay fomba rehetra hanemorana ilay fotoana fametraham-pialana foana aloha. Na koa mitady fomba mba hanamoramorana kokoa ny aorian’ilay fametraham-pialana. Tsy manao ilay dingana lehibe ny hafa dia mitankemotra ihany koa ny sasany. Na miara-mirona na miara-mihenahena no toa tarigetran’izy rehetra. Matoa anefa samy mifampiahiahy ohatr’izay dia samy manan-kevitra ny hanararaotra ny fahefana maha mpitondra mba hahazoana tombony amin’ny maha kandidà. Tsy misy afa-tsy kajy ny tontolon’ ny politika saingy misy ireo efa tena nahay io taranja io hatrany am-pianarana, misy ireo efa teo amin’ny toerany vao tena nanabevoho ny fahaizany.

Vono olona

Vono olona

Olona roa no namoy ny ainy tany Ankirihiry-Mampikony rehefa nalain’ny andian’olona teo am-pelantanan’ny zandary. Teny Ambolokandrina indray dia lehilahy iray voatondro ho nangalatra no nodoran’ ny olona efa « maimbo rà » velona. « Fitsaram-bahoaka », hono no anaran’izany. Olona efa leom-boanana na koa tsy mahatoky ny rafitra mifanaraka amin’ny lalàna velona misy koa angamba. Tsy fanarahan-dalàna tsotra izao ihany koa anefa ary mitory fihemorana mankany amin’ny tany tsy refesi-mandidy. Ahitana taratra fa tsy dia atahoran’ny olona ny fanjakana mijoro na tsy homen’izy ireo lanja . Indro kelin’ny tetezamita io. Asa sao mba leon’ny mitazona mpangalatra nefa mety ho votsotra indray koa avy eo ireo mpitandro ny filaminana?

Lalan-dririnina

Lalan-dririnina

Na ny fomba hahatongavana amin’ilay tetezamita vaovao, araka ilay fehin-kevitra nivoaka tamin’ilay fihaonambe notarihin’ny Ffkm, aza dia efa tsy itovizan’ireo mpomba an’izany hevitra. Efa misy ankolafy sahady koa eo anivon’io mpankasitraka ny tetezamita vaovao io. Hahagaga ve moa izany fa mbola ny fitadiavan-tseza hatrany no tena ifotoran’ny resaka. Manoatra noho ireny olona mifarombaka sakafo, araka ny fahita amina fanasana sasany ireny. Misy ireo mbola sondriana manesokesoka, dia ireo nahazo anjara mialoha nanoloana ny latabatra ary misy ireo milendalenda, tsy miandrandra afa-tsy ny hialan’ireo eo anoloana faran’izay haingana. Amin’izay mantsy mba samy voky na farafaharatsiny aloha mba nihinana. Ao dia ao koa anefa ireo izay efa nahazo anjara no mbola mandeha mangarom-bilany mahavita mandrahona amin’ny basy. Tena misy manana satroka maro tokoa ireo mpitondra fanjakana ka!… Hananan’ny sasany amin’izy ireo hatramin’ny diplaoman’ny fandrobana. Mbola hotohizana firy taona indray izany rehetra izany?

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite