CCESCA ANTANIMENA

Taorian’ny seho an-kalamanjana, dia hitohy anaty efitrano indray ny fankalazan’i Samoëla ny faha-15 taona nidirany teo amin’ny sehatry ny mozika. Etsy amin’ny CCEsca Antanimena indray no ifamotoanany amin’ireo mpankafy ny vazo miteny anio alina manomboka 7 ora. «Zana-bahaoka», lohatenin’ny rakikira farany navoakan’i Samoëla no lohatenin’ny fampisehoana. Hotetezina mandritra ny fampisehoana ireo rakikira efa navoaka niainga tamin’ny «Mampirevy» ka hatramin’ny «Zana-bahoaka» mandalo ny «Efa sy dimy» sy ny «Manatosaka».
ANTSAHAMANITRA
Hanolotra fampisehoana feno fanomezana ny tarika Tselatra
Tamin’ny 2010 taorian’ny bakalorea ny fampisehoana farany. Hiaka-tsehatra eto an-drenivohitra indray ny tarika Tselatra, amin’ny alahady 05 aogositra izao, etsy Antsahamanitra. Fampisehoana ho rakotra fanomezana no hatolotry ry Eric sy ny namany amin’izany. Mandritra ny fampisehoana ihany koa no hahitana indray ny fampiaraham-peon’i Eric sy Lija, izay voalaza fa nisaraka. Hifantoka amin’ny hira milamindamina hiarahan’izy mirahalahy ny fizarana voalohany amin’io fampisehoana io.
Hirona kokoa any amin’ny rock mavesatra sy ny vakorock kosa ny fizarana faharoa ary handrenesana indray ny feo kasokan’i Eric amin’ny «Niova ianao», «Testamenta», «Bandy kely»… Anisan’ny fanomezana hatolotr’i Eric ihany koa ny fampiaraham-peo amin’ny zanany, izay ho solofo dimbin’ny rock.
JAO’S PUB AMBOHIPO

Mandalo eto an-drenivohitra ka manararaotra manolotra seho ho an’ny mpankafy. Tsapiky sy mozika mafana no hiarahana amin’ny tarika Manaly anio alina, etsy amin’ny Jao’s Pub Ambohipo. Hoporofoin-dry Manalison Kenneth Robert na i Manaly, ny fifehezany karazana gadona maro afaka hanafanana seho takariva toy izao.
Hanohy ny fampisehoana sy ny hetsika ara-kolontsaina ao amin’ny Jao’s Pub Ambohipo kosa ny sabotsy tolakandro ny seho hiarahana amin’ny «Gast’Ploit», ireo tarika mpiangaly rap miaraka aminy ahitana an-dry Agrad&Skaiz, Don Smokilla, Dj Damn… i Teta kosa no hamarana ny seho io andro io manomboka amin’ny 8 ora alina.
ESPACE LION D’OR ANOSIAVARATRA
Manolotra ny karaoke ara-pilazantsara ny fiangonana Ambatomaro
Hetsika hafa kely indray no hokarakarain’ny Fjkm Ambatomaro Fehizoro rahampitso sabotsy 04 aogositra. Ankohonana maro no asain’ny fiangonana mba hifarimbona amin’ny fanatrehana ny fiarahana misakafo arahina karaoke ara-pilazantsara. Hisongadina amin’izany ny fandraisana hafatra an-tsary mikasika ny ankohonana. »Ny ankohonako no edenako », no lohahevitra lehibe amin’izany.
CEMES ANTANIMORA

Hetsika ho an’ny Vatomasina Vohipeno. Manolotra alim-pandihizana miaraka amin’i Dat’Kotry sy Pierrot Matatana ny fikambanana Amozy sy Fizanakara, etsy amin’ny Cercle Mess Antanimora, anio alina manomboka amin’ny 9 ora. Mpanakanto roa izay samy mivoy ny fitrandrahana ny gadona nentin-drazana avy any amin’ny faritra atsimo atsinanan’ny Nosy iny.
Ny Fizanakara dia fikambanan’ny Zanak’Anakara eto Antananarivo. Ny Anakara, dia anisan’ny foko iray mandrafitra ny foko Antemoro. Ny Amory kosa dia fikambanan’ireo tanora maromaro vonona ny hanao asa fampandrosoana ny faritr’i Fitovinany.
PIMENT CAFÉ – BEHORIRIKA

Efa ela no tsy tazana teo amin’ny sehatry ny fampisehoana. Hiverina amin’ny seho takariva indray i Tovo J’hay, ka etsy amin’ny Piment Café Behoririka no fotoana hiarahana aminy anio alina manomboka amin’ny 9 ora.
Fotoana izay hitondran’ity mpanakanto ity ireo hira rehetra nahafantarana azy ka voarakitra tao anatin’ireo rakikira efatra efa navoakany niainga tamin’ny «Satry foana» ka hatramin’ny «Teny mamy»… Miara-dia hatrany amin’ny seho takariva toy izao ny fanolorana ny talentan’ny mpanakanto ankoatra ny efa ahafantarana azy.
ESPACE DERA

Endrika vaovao hamaranana ny herinandro. Hotanterahina anio alina, etsy amin’ny Espace Dera Tsiadana, ny andiany voalohany amin’ny «After work night». Hetsika manomboka amin’ny 7 ora hariva ary tsy hifarana raha tsy ny maraina. Ho hita ao ny dihy, toy ny valse, tango, tchatchatcha, rock… Hahazo ny anjarany ihany koa anefa ireo mankafy miala voly miaraka amin’ny orkesitra, ary indrindra ireo liana amin’ny fihirana miaraka amin’ny Karaoke. Amin’ny alalan’ny alim-pandihizana kosa no hanohizana sy hamaranana ity «After work night» ity.
CAFÉ DE LA GARE
«Fusion session» hiarahan’ny Gasy Groove sy Maia Von Lekow
Metisy Alemana sy Keniana. Mandalo eto Madagasikara ilay mpanakanto Maiai Von Lekow. Andriambavilanitra mpihira nefa havanana amin’ny fitendrena gitara, izay handray anjara amin’ilay hetsika «Fusion session» hotanterahina etsy amin’ny Café de la Gare Soarano, anio alina manomboka amin’ny 8 ora. Hiara-dia aminy amin’izany ny tarika gasy Groove, izay hampahafantatra sy hitondra an-tsehatra indray ilay rakikira «Fototra». Handray anjara amin’ity seho takariva ity ihany koa ry Ranada, ahitana an-dRadanz, Nali ary Datita Rabeson.
AMBODITSIRY
Taorian’ny tetsy Analakely, dia hitohy any amin’ny trano fonenana Rainilaiarivony, etsy Amboditsiry ny «Hiragasy makotrokotroka», atolotry ny tanànan’Antananarivo sy ny Ofisim-paritry ny fizahantany eto Analamanga ary ny Hay Gasy. Mbola ao anatin’ny dinganin’ny fifanintsanana ity sehatra ho an’ny hira gasy ity, ka hifandona amin’io alahady io manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ny tarika Razafimahandry avy eny Androndra sy Rakotoniaina Morarano gara.









0 Fanehoan-kevitra