Subscribe to RSS

Fambolena – Mitaraina tsy ampy rano ny mpamboly eny amin’ny By-Pass

Tandindonin-doza ny fivelomana. Fianakaviana maro avy amin’ny kaominina telo, Alasora sy Ankaraobato ary Ambohi- janaka no manahy mafy amin’ny asa fambolena eny amin’ny By-Pass  sy ny manodidina, amin’iny lalam-pirenena mampitohy an’Ambohimangakely (Rn2) sy Iavoloha (Rn7iny).

Tany 1 000 ha mahery no misedra olana amin’ ny tsy fahampian’ny rano. “Ny tohodrano mihitsy no tena lesoka. Tsy arifomba tsara ka tsy ahafahana manakana sy mitsinjara ny rano”, araka ny nambaran-dRazanamihaja Benarivo, Ben’ny tanànan’Alasora. “Maina ny tanimbary ka na voly avotra aza no atao dia tsy ahazoana vokatra araka ny tokony ho izy”, hoy indray ny fitarainan’ Andrianarisoa Edmond, mpamboly eny an-toerana. Misy amin’ireo mpamboly ihany koa no nilaza fa efa indroa namerina nanetsa. Tohadrano lehibe atao hoe Andriambato no mamatsy rano ireo tanimboly rehetra ireo. “Misy fanamboarana ataon’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany isan-taona amin’ izy io. Ary izany no anaovana antso maika amin’ny tompon’ andraikitra satria mijaly ny mpamboly”, araka ny nambaran’ny Ben’ny tanànan’Alasora hatrany.

Lilia Rajaonah

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Fanadinana andrana – Misy 8 taona ny mpianatra etsy amin’ ny EPP Analakely hanao Cepe

Fanadinana andrana – Misy 8 taona ny mpianatra etsy amin’ ny EPP Analakely hanao Cepe(0)

Saika ireo mpianatra avy amin’ny sekoly tsy miankina foana hatramin’izay no ahitana ireo zandriny indrindra amin’ny ankizy hanao fanadinana Cepe. Manana ankizy mahay toy izany koa anefa ny eny amin’ ny sekolim-panjakana Epp, na dia 6 taona aza ny zaza vao raisina mianatra eny. Isan’ireny Ratsidiarinambinina Finarintsoa, 8 taona, mpianatra etsy amin’ny Epp Analakely. Izy no isan’ ireo zandriny indrindra niatrika ny fanadinana andrana, omaly, tao Analakely, izay nahitana

Fifanakalozana – Misy maka amin’ny antsasa-bidiny ireo vola tapaka

Fifanakalozana – Misy maka amin’ny antsasa-bidiny ireo vola tapaka(0)

Fitadiavana hafa kely haingana. Mahay mitady vola ny olona sasany, ary miainga amin’ny zava-misy avokoa izany. Taorian’ny fotoana tsy andraisan’ny olona ireo vola rovitra na misy “scotch” dia efa misy olona manakalo sy manao asa fitadiavam-bola amin’izany. Ireo somary misintaka kely ny renivohitra no tena sahy manao io asa io ary vidiany amin’ny antsasa-bidy izay vola atakalo. Misy ihany koa

Podium eny Antsonjombe – Mety ho voaelingelina kely ny Lycée  sy Ceg Analamahitsy

Podium eny Antsonjombe – Mety ho voaelingelina kely ny Lycée sy Ceg Analamahitsy(0)

Ho voaelingelina kely amin’ny “podium”. Sekoly roa mifanila amin’ ny sehatra “coliseum” etsy Antsonjombe, hanao- vana ny fampisehoana hira sy dihy na “podium”, ny Lycée sy Ceg eny Analamahitsy. « Ny fotoana hanaovan’ny teknisianina andrana ireo fanamafisam- peo no mety hanelingelina amin’ny fampianarana, fa efa karazan’ny mirava izahay amin’ny fotoana hanombohan’ny podium. Efa mampihatra ny ora ririnina izahay izao ka amin’ny 5 ora sy sasany no mirava », hoy Rakotonirina Jean, proviseur ao amin’ny Lycée Analamahitsy, izay misy mpianatra 750 sy mpanabe 40.

Fanabeazana – Nidina hatramin’ny 10% ireo ankizy miditra an-tsekoly

Fanabeazana – Nidina hatramin’ny 10% ireo ankizy miditra an-tsekoly(0)

Ny ho avin’ny ankizy mihitsy no iharan’ny krizy, araka ny fanadihadiana nataon’ny banky iraisam-pirenena. Natolotra omaly teny Anosy ny valin’izany fanadihadiana  izany, ary nifototra tamin’ny fiantrankain’ny krizy eo amin’ny fanabeazana ambaratonga fototra. “Mitombo hatrany ireo ankizy tsy tafiditra eny amin’ny sekoly ambaratonga fototra, manodidina ny 600 000 na 10%-n’ny ankizy izany hatramin’ny nisian’ny krizy tamin’ny 2009. Maherin’ ny 255 000 kosa no mitsoaka an-daharana

Tapatapany

Tapatapany(0)

Sokatra 250 Tody any amin’ny toerana hiompiana azy, any Ifaty Toliara ny alatsinainy teo ireo sokatra 250, nisy namoaka an-tsokosoko ka tratra tany Tailandy. Ny fikambanana mpiaro ny sokatra PSA sy ny Salamandre Nature ary ny kaompania Air Mada- gascar no nifarimbona namerina azy tany amin’ ny toerany nisy azy ireo. Sokatra 2 570, toa azy ireo, ahiana ho lany tamingana no efa ompiana ao amin’io faritra nana- terana azy

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite