Efa voaray ny toromarika rehetra. Saika ireo mpampianatra avy amin’ny sekoly ambaratonga fototra (Epp) avokoa no namaly ny antso hanatontosa ny fanadinana Cepe, izay hotontosaina anio manerana ny Nosy. Misy amin’izy ireo no mampi- anatra amin’ny kilasy hafa fa tsy taona fahadimy avokoa. »Miray feo amin’ ny mpampianatra namanay foana izahay nefa na izany aza mba tsinjovina ihany koa ny mpianatra », araka ny nambaran-dRabakosoa Lanto, mpampianatra amin’ny Epp eto an-drenivohitra.
Efa mipetraka ihany koa ny lamina rehetra eny amin’ny ivon-toeram- panadinana araka ny hita omaly. Adiny roa mialoha ny fanadinana kosa vao haka ny laza adina eny amin’ny toerana voaaro natokana hitazonana izany ireo tompon’andraikitry ny ivon-toeram-panadinana.
Nanentana sady nisaotra ny rehetra ny minisiteran’ny Fanabe- azam-pirenena, Manoro Régis, omaly. « Matoky ny fahendren’ny rehetra aho amin’ny fahatsapana ny lanjan’ny fanabeazana », hoy izy. Misy ihany koa ny famoahana ny laharan- tariby raha sendra misy ny olana. 034 99 303 76 na 033 78 354 67 na 032 83 740 64.
Rahampitso alarobia sy ny alakamisy ihany dia efa atao ny fanitsiana sy ny fitsarana, izay ahitana mpiadina 152 800 ny eto Antananarivo raha 488 532 izany manerana ny Nosy.
LR









0 Fanehoan-kevitra