Subscribe to RSS

FIHARIANA Miverena

Fambolena sy fiompiana – «Tokony ho sompitry ny Ranomasimbe  Indianina isika», hoy ny Fivmpama Fambolena sy fiompiana – «Tokony ho sompitry ny Ranomasimbe Indianina isika», hoy ny Fivmpama

Iankinan’ny ho avin’ny firenena. Notanterahina omaly ary hitohy anio, etsy amin’ ny tokotany malalaky ny Tour Zital, Ankorondrano ny «zaikabe ho an’ny fandraharahana eo amin’ ny sehatry ny fambolena sy fiompiana», karakarain’ ny Fivondronan’ny Mpan- draharaha Malagasy na ny Fivmpama. « Ny fahatsapana ny tsy fisian’ny firindrana sy ny fitrandrahana, araka ny tokony ho izy, ny harena avy amin’ny fambolena sy ny fiompiana misy eto amintsika no anton’io hetsika io.  Tokony ho sompitry ny Ranomasimbe Indianina isika raha ny velaran-tany, ny hatsaran’ny tany, ny karazam-bokatra misy eto amintsika no jerena», hoy Ramanantsoa Randria- mifidimanana, filohan’ ny Fivmpama.

Nampiany anefa fa «raha tsy mitandrina isika dia sady tsy ho sompitra no ho tompony mangatak’atiny, ary mosarena am-body sompitra anatin’ny fanatontoloana».

Nasongadin’ny solontenan’ny sampan-draha- rahan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fampiroboroboana ny Indostria eto Madagasikara, Lorence Ansermet, ny fijerena akaiky ny tontolo ambani- vohitra amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fitrandrahana ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono mba hampihena ny fifindra- monina aty an-drenivohitra, izay manodidina ny 200 000 isam-bolana.

Andrasana amin’ity zaikabe ity ny fampivondronana ireo hevitra sy paik’ady rehetra hampi- dirana ny tontolo ambani- vohitra ao anatin’ny fandraharahana fa tsy hamboly na hipompy na hanjono tsy hisy tanjona. Anisan’ny voaresaka rahateo ny fampidirana ny tantsaha amin’ny sehatry ny ara-dalàna, izay zara raha misy 3% raha ny tarehimarika avy amin’ny sampan-draharaha momba ny fitsinjovana ny mpiasa sosialy na ny Cnaps. Toy izany koa anefa ny fampitaovana sy ny famatsiana ara-bola ireo tantsaha.

Nanokatra ity zaikabe ity ny Praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny Indostria, Botozaza Pierrot.

Faly Ran.

Fikarohana – Nampahafantarina ny karazam-bary vaovao ho an’ny sakafo mahasalama Fikarohana – Nampahafantarina ny karazam-bary vaovao ho an’ny sakafo mahasalama

Tontosa omaly, tetsy amin’ny Hotel Colbert Antani- narenina, ny atrikasa tao anatin’ilay tetikasa fitaratra «voly vary, ho an’ny sakafo ara-pahasalamana». Nisy ny andrana karazam-bary vaovao izay natao tany Anjepy – Manjakandriana, ny volana oktobra 2012, vokatry ny fiaraha-miasan’ ny orinasa Nestlé sy ny ivon-toeram-pikarohana ho an’ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra, ny foibe fikarohana momba ny fambolena (FOFIFA), ny ivon-toeram-pikarohan’ ny Nestlé, any Abidjan (Côte d’Ivoire) ary ireo sekoly ambony samihafa.

Nisy ny fampitahana ny vokatra avy amin’ny karazam-bary vaovao tamin’ ny vary, efa mahazatra ireo tantsaha, ka anisan’ireo natolotra tamin’izany ny karazam-bary Nerica 1,2,4,6, ary 15, ny X-Jigna ary ny Yunkeng. Amin’ny karazany mahasalama sy feno io vary Nerica io.

Nivoitra nandritra ity atrikasa ity mantsy ny tsy fahampian’ny vy sy ny «zinc» eo amin’ny sakafon’ny Malagasy amin’ny anka- pobeny, indrindra ho an’ ireo reny sy ny zaza. Nana- marina izay ny profesora Roger Randrianasolo, lehiben’ny sampan-
draharaha misahana ny sakafo eo anivon’ny mini- siteran’ny Fahasalamana sady filoha lefitry ny Filan- kevitra siantifika eo anivon’ ny ivon-toeran’ny Nestlé, aty Afrika. «Teo anivon’ ny toeram-pikarohana Africa Rice sy ny FOFIFA no nahazoana ilay karazam- bary Nerica, nofidiana manokana noho ny singa ao anatiny sy ny hery entiny», hoy kosa Philippe Courbet, manam-pahaizana momba ny fambolena avy amin’ny ivon-toeram-pikarohan’ ny Nestlé, any Abidjan.

Mbola andrana ihany aloha no natao hatreto.

FR

Fitrandrahana – Nohamafisina ny sazin’ny Mainland fa tsy mbola vita ny RN5 Fitrandrahana – Nohamafisina ny sazin’ny Mainland fa tsy mbola vita ny RN5

Mihasimba! Tsy misy fivoarana ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-5 mampitohy an’i Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana, sahanin’ny kaompania mpitrandraka Mainland ary ao anatin’ny fifanarahany amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. «Misy fahatarana be ny asa, satria efa hatramin’ny 4 avrily no niato izany. Vao mainka mitombo ny fahasimbana, na dia efa nisy ampahan-dalana sasantsasany nasiam-panam- boarana aza», araka ny tatitry ny dia notarihin’ny minisitra Rajo Daniella Randriafeno tany an-toerana, ny herinandro lasa teo.

Ity minisitra ity no nitarika ny iraka, nahitana ireo mpikambana ao amin’ ilay komity manokana manara-maso ny asa ataon’ io kaompania sinoa io eto Madagasikara. Voalaza fa olana ara-bola sy teknika no antony nahatonga ny fahatarana.

Tsy te hahalala anefa ny minisitera mpiahy fa nandray fepetra  nanamafy indray ny sazy sy ny fampi- tandremana ny orinasa Mainland. Nomena 15 andro io kaompania io mba hana-vaozany ny  fifanarahana efa nataony tamin’ny fanjakana, ka ao anatin’io fe-potoana io dia tokony hanome tetiandro vaovao izy ireo mikasika ny famitana ny asa.

«Ny fahavitan’ny lalana no tena laharam-paha- mehana ho an’ny minisiteran’ ny Harena an-kibon’ny tany satria zava-dehibe loatra ho an’ny fiainan’ny mponina sy ny firenena io», hoy ny minisitra Rajo Daniella Randriafeno.

Efa dingana mafimafy amin’ny fanasaziana omena ireo mpitrandraka harena ankibon’ny tany ny fampi- tandremana (mise en demeure) satria natokana ho an’ireo tsy manara-dalàna na mandika lalàna. Mbola misy dingana fanasaziana hafa aorian’ io raha tsy tanteraka mihitsy ireo fepetra takian’ny fanjakana, izay mety hiafara amin’ny fisintonana ny fahazoan-dalana hikaroka sy hitrandraka efa ananan’ity kaompania sinoa ity. Marihina fa manana fahazoan-dalana dimy ny Mainland eto Madagasikara ary mbola mihantona avokoa aloha hatreto ny asa voakasik’ireo fahazoan-dàlana ireo.

Mahefa Rakotomalala

Fandraharahana ara-bola madinika – Mitaraina amin’ny hetra sy ny sara alain’ny banky ireo mpandraharaha Fandraharahana ara-bola madinika – Mitaraina amin’ny hetra sy ny sara alain’ny banky ireo mpandraharaha

Manakaiky kokoa ireo olona any ambanivohitra ary manampy azy ireo amin’ny fitantanana ny vola sy amin’ny fanatsarana ny fiainany ireo mpandraharaha amin’ny fampindramam-bola madinika.

Misedra olana anefa ankehitriny ity sehatra ity satria mitairana amin’ny hetra sy ny sarany alain’ ireo fandraharahana goavana. “Tsy maintsy any amin’ ireo sehatra ambony ireo mantsy no ametrahana ny volan’ireo mpandraharaha ara-bola madinika araka ny lalàna misy”, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ ny Ombona Tahiry Ifampisamborana vola na Otiv, Andry Rakotondrasoa,nandritra ny fitokanana ny masoivoho faha-5 an’ny Otiv Fanavotana, tany Imerintsiatosika, ny sabotsy lasa teo. “Manodidina ny Ar 40 000 tapitrisa ny vola apetrakay any nefa dia nanjary nisy sarany ny fisintonana ny volanay taty aoriana”, hoy ihany izy.

“Soa kosa fa mariky ny firoboroboan’ny fandraharahana ara-bola madinika ny fitombon’ireo masoivoho any amin’ny faritra samihafa”, hoy indray Randrianiaina Rakotoarivao, Talen’ny tambajotra Otiv Antananarivo. Ity masoivoho vaovao an’ny Otiv ity, ohatra, dia efa manana mpikambana 530 ankehitriny. Mpikambana 20 600 kosa ho an’ny tambazotra hatramin’ny faran’ ny taona 2012, izay nametraka tahiry Ar 37 000 tapitrisa ary nampisambo-bola Ar 34 000 tapitrisa.

Anisan’ny tohin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ ireo mpikambana ihany koa ny fananganana ny sompitra iombonana, izay hapetraka any amin’ny volana jona any ho an’ny ao Imerintsiatosika.

Faly Ran.

Hetsika bazar chic – Nosembanin-drahon’ny korontana tamin’ny tolotra tabilety  Hetsika bazar chic – Nosembanin-drahon’ny korontana tamin’ny tolotra tabilety 

Niteraka filaharam-be. Nanamarika ny andiany voalohany tamin’ny hetsika Bazar Chic, tante­rahina etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena etsy Mahamasina, nanomboka omaly ka haharitra hatramin’ ny alahady izao, ny fifandrombahana mba hahazoana ny tabilety na tabbee natolotry ny Orange. Io no azo lazaina fa nanamaloka kely ny andro omaly (Ndlr: vakio lahatsoratra pejy faha-2). Ankoatra ity tolotra ity, karazam-bokatra samihafa ihany koa no hita amin’ity Bazar chic ity, izay ahitana tranoheva 250 miaraka amin’ny fihenam-bidy 15% fara fahakeliny.

Vao mangiran-dratsy dia  efa nisy nilahatra mba hahazo ity tabilety natolotr’io orinasa mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fifandraisana io, satria namidy Ar 49 000 ilay fitaovana niaraka tamin’ny fahana «internet» tao anatiny.

Nohazavain’Andrianasolo Njaka, Tale Jeneralin’ny FIMA FM (Finance Management for Madagascar) mpikarakara ny hetsika anefa fa misy ny fepetra  amin’ny fahazoan’ny mpanjifa an’izany tolotra izany.

Nampiakatra ny isan’ny mpanjifa dika mitovy (photocopie) teny amin’ny manodidina an’i Mahamasina io hetsika tetsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena io. Isan’ny notakiana tamin’ireo mpanjifa mantsy ny dika mitovin’ny karapanondrom-pirenena Tafakatra Ar 200, raha Ar 100 amin’ny mahazatra, ny saran’ny dika mitovy.

Faly Ran.

Vokatra fanondrana – Dipoavatra  20 000 taonina no tadiavin’ny tsena Vokatra fanondrana – Dipoavatra  20 000 taonina no tadiavin’ny tsena

Mbola malalaka ny tsena. Dipoavatra 20 000 taonina isan-taona no ilain’ny tsena iraisam-pirenena amin’izao fotoana izao. Vao 2 000 taonina ihany anefa ny avy eto amintsika, ka ny 1 200 taonina amin’io dia vokatra avy ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Izany no vokatry ny fanadihadiana natao farany momba ity lalam-pihariana iray ity.

Notapahina noho izany ny hevitra amin’ny hananganana sehatra iarahan’ny mpiara-miombon’antoka rehetra mandinika izay hanatsarana ny famokarana dipoavatra eo amin’ny ambaratongan’ny faritra. “Mitaky fomba famokarana manara-penitra sy avo lenta ny fambolena dipoavatra mba hijanona amintsika ireo mpanafatra io vokatra io. Tokony hampitomboina haingana ny famokarana azy”, hoy ny mpamakafaka ara-toekarena iray.

B.A

Fanampian’ny OPEP – Fifanarahana roa mitentina 21 tapitrisa dolara azon’i Madagasikara Fanampian’ny OPEP – Fifanarahana roa mitentina 21 tapitrisa dolara azon’i Madagasikara

Fifanarahana roa izay mitentina 3 tapitrisa dolara na Ar 6 522 tapitrisa sy 18 tapitrisa dolara na Ar 39 132 tapitrisa no niara-nataon’ny minisitry ny Vola sy ny Tetibola, Rajaonarima­mpianina Hery sonia tany Vienne, any Aotrisy ny 29 avrily teo. Fiaraha-miasa avy amin’ny Tahirin’ny OPEP na ireo tany manan-karena amin’ny famokarana solika no nahazoana izany.
Hananganana trano misy rihana fito, izay hisy ny foiben’ny INSCAE na ny Foibem-pirenena momba ny siansa momba ny taokaonty (comptabilité) sy ny fitantanana orinasa mba hana­tsarana ny fomba fitantanam-panjakana sy ny fampandrosoana maharitra ny tetibola voalohany.

Ny faharoa kosa dia hanatsarana ny lalana mampitohy an’ i Toliara sy Befandriana, izay mirefy 105 km, ka hisy tetezana roa: ao Befandriana sy Pomay. Ho tafiditra amin’ity tetibola faharoa  ity koa ny fikarakarana ny fahasalaman’ny mponina.
Tetikasa 24 mitentina 135 tapitrisa dolara no notanterahina niaraka tamin’ ny OPEP, hatramin’ny taona 1977. Tetikasa dimy vaovao kosa no tontosaina amin’izao fotoana izao.

BA

Lalao vintana – Tarehimarika toko sy andininy tamin’ny Baiboly no nahazoana loka Lalao vintana – Tarehimarika toko sy andininy tamin’ny Baiboly no nahazoana loka

Hafa kely ny fomba nahazoan-dRakotoherisoa Zacharie, raim-pianakaviana iray monina etsy Tsarahonenana ny loka tamin’ny fisarihana lalao tsapa vintana «caddies du bonheur».

«Nisafidy tenin’ Andriamanitra maromaro tao anaty Baiboly aho dia nalaiko ny toko, andininy ka nataoko tao anatin’ilay taratasy nofenoina. Natao ny fisarihana dia izao nahazo ny loka izao», hoy Rakotoherisoa Zacharie, nitantara.

«Tsy vao izao aho no nahazo loka tamina lalao tsapa vintana tahaka izao, fa efa indroa izay, ary saika tahaka ny fanaoko dia misa­fidy toko sy andininy amin’ny Soratra Masina hatrany aho», hoy ihany ity raim-pianakaviana ity.

Olona 15 no nahazo tamin’ny fisarihana saingy izy irery no nanana fomba manokana nahazoany ny loka fa tsy toy ireo sasany mitsatotsatoka, na mampiasa tarehimarika misongadina tamin’ny fiainany, na mety hoe kajikajy ihany koa.

Ho an-dRakotoherisoa Zacharie dia mandany eo amin’ny Ar 2 000 isan’ andro eo izy amin’ireny karazan-dalao ireny. Fialam-boly anefa no namehezany ny fandraisana anjara amin’ny lalao vintana, fa tsy filokana velively.

Taratasim-barotra mitentina Ar 250 000 ka hahafahany mividy entana izay tiany avy no loka azon’ireo olona rehetra ireo nahazo tamin’io lalao vintana io. Raha ny nambaran-dRakotoarisoa Laurent indray, isan’ireo nitsikian’ny vintana ihany koa, dia «entana ampiasaina ao an-trano sy sakafo avokoa no hovidiany amin’io loka azony io».

Haja R. 

Tapatapany Tapatapany

SOLIKA SY JIRAMA

Araka ny fanazavan’ny mini­sitry ny Angovo, ny fiakaran’ny vidin-tsolika, raha misy izany, dia tsy maintsy hisy fiantraikany amin’ny fitantanana ny orinasa Jirama. Nomarihiny fa ny solika no mamaritra ny 60 ka hatramin’ ny 80%n’ny fandaniana ao anatin’ity orinasam-panjakana ity. Na izany aza, nanamarika ny minisitra fa tsy mbola hisy aloha ny mety ho fampia­karana ny vidin’ny jiro sy ny rano.

ASA TANANA

Mankalaza ny faha-35 taonany ny Ivon-toeram-pirenena ho an’ny asa tanana Malagasy (Cenam : Centre national de l’artisanat malgache). Omaly no nosokafana tetsy amin’ny Garan’i Soarano ny hetsika «Seho 2013», izay varotra fampirantiana ho an’ny asa tanana malagasy. Tranoheva manodidina ny 150 no hita ao mandritra ny roa andro, ka ankoatra ireo mpanao asa tanana malagasy dia hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatsarana ity sehatra ity ihany koa ireo sehatra iraisam-pirenena. Handray anjara amin’ny fifanakalozana sy adihevitra samihafa. Anisan’ny nisongadina tamin’ ny lanonam-panokafana omaly ny fahavononan’i Indonezia hanohana sy hametraka fifanakalozana amin’ny mpanao asa tanana malagasy.

Fampindramam-bola madinika – Hiara-hiasa amin’ny Microcred  ny Airtel money Fampindramam-bola madinika – Hiara-hiasa amin’ny Microcred ny Airtel money

Hifampitantana eo amin’ny sehatry ny fifanakalozana ara-bola. Manomboka anio dia afaka maka vola na mametraka vola amin’ny alalan’ny finday eny anivon’ireo masoivohon’ ny ivon-toeram-pampindramam-bola madinika Microcred ireo mpanjifa eo anivony. Ao anatin’ ireo hetsika fanakaikezana ireo mpanjifa mantsy dia nametraka fiaraha-miasa tamin’ity ivon-toerana ity ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar.

Ireo mpanjifan’ny Microcred manerana an’Antananarivo sy ireo tanàn-dehibe eny anivon’ ireo faritany no hahazo tombony amin’izany.

Tanjon’ity orinasam-pifandraisana ity amin’ ny fanaparitahana io fomba fikirakirana vola vaovao io ihany koa ny hampirisihana ny rehetra hanokatra kaonty eny anivon’ireo banky. Antoky ny fiarovana amin’ny fandrobàna sy ny halatra isan-karazany mantsy ny fitoeran’ny volan’ny mpanjifa any amin’ny sehatra tena azo antoka.

AR

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite