Efa manomboka misongadina ireo ekipa hiatrika ny manasa-dalana sy lalao sakana amin’ny fiadiana ny ho tompon- dakan’Analamanga eo amin’ny baolina lavalava diviziona voalohany na ny «Top 14». Hatramin’ny andro faha-12 dia ny 3FB sy ny Iarivo Rugby club no efa azo antoka fa tafita avy hatrany amin’ny dingan’ny manasa-dalana. Ekipa telo kosa no efa fantatra amin’ireo hiatrika ny lalao sakana hahafahana miditra ao amin’io dingana io, dia ny Cosfa, Tam ary Uasc. Mbola mila miady mafy kosa hahafahana maka toerana iray eo amin’ny lalao sakana ny Savonnerie sy FT Manjakaray ary ny Tfma.
Efa fantatra ihany koa ireo ekipa roa hidina any amin’ny diviziona voalohany elita faharoa amin’ny herin- taona : ny Club Printanier d’Isotry (CPI) sy ny FiT Manjakaray na ny FTM 2 fahiny.
Mbola ady hafa kosa ny an’ny US Ikopa sy ny US Ankadifotsy mandritra ny lalao hifanandrinan’ izy ireo amin’ny Cosfa sy Uasc, izay efa miandry lalao sakana sisa. Aorian’ izay dia ho voafaritra ireo ekipa valo hiatrika ny «Top 8» na ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara.
Roméo Andriamihaja









0 Fanehoan-kevitra