
Nilaza anefa ny Dr Andrianjatovo Andrianiarizo, avy ao amin’ny fandaharan’asam-pirenena momba ny ady amin’ny sida fa tsy voatery hisy ifandraisany amin’ny tsy fisian’ny fanafody ny antony nahafaty ireo olona ireo.
Antony hafa
“Maro ny tranga miseho amin’ny olona mitondra ny Vih. Arakaraka ny mampahery setra, izany hoe mampihetsiketsika ny marary no vao mainka mamparefo azy ihany koa. Mety ho avy amin’ny fahataran’ny fandraisana an-tanana ny marary, nefa koa mety ho avy amin’ny fisiana aretina hafa ao aminy, kanefa tsy voaray an-tanana no isan’ny mety ho antony iray ”, hoy ny fanazavany.
Voalaza ihany koa anefa fa ilay tranga tany Menabe ihany aloha hatramin’izao no efa voamarina teo anivon’iry sampan-draharaha iry. Nilaza ihany koa ny profesora Randria Mamy, tompon’andraikitra manam-pahaizana amin’ny aretina azo avy amin’ny tsimokaretina, fa sarotra ny hanamarinana ny anton’ireo tranga ireo ho avy amin’ny tsy nisian’ny fanafody Arv.
Efa miverina amin’ny laoniny kosa ny famatsiana ny fanafody Arv, rehefa niato nanomboka ny volana mey teo.
Monica Rasoloarison









0 Fanehoan-kevitra