Subscribe to RSS

Ao raha hisakafo

Ovy sy atody atao pizza

Karazana sakafo iray azo atao laoka sy azo atao ody ambavafo ary anisan’ny tena ankafizin’ny ankizy ity aroso ho antsika anio ity.

Zavatra ilaina ho an’olona efatra :

Ovy iray kilao, atody akoho singany telo, sira, menaka, hanitra zava-maitso manitra tongolobe

Fomba fikarakarana ny sakafo :

Sasana sy voasana ny ovy. Kikisana toy ireny hika­rakara lasary karaoty ireny. Ampan­gotrahina kely rehefa voakiky, saingy esorina ambony afo raha vao mangotra-tokana, tsy avela ho malemy be loatra. Kapohina ny atody. Samy asiana sira ireo rehetra ireo, azo asiana dipoavatra kely ihany koa araka izay itiavana azy. Endasina amin’ny menaka amin’izay rehefa avy eo ny ovy ary araraka eo amboniny ny atody voakapoka. Afangaro tsara ary avela hitsika haka endrika boribory toy ireny pizza ireny. Tetehina ny tongolobe sy ny hanitra maitso izay tiana entina hanaingoana ny sakafo. Azo aroso mafana na mangatsiaka.
Mazotoa homana tompoko

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Tany andafin’ny riaka – Nisy nitory noho ny fitsofana saxophone i Nônô

Tany andafin’ny riaka – Nisy nitory noho ny fitsofana saxophone i Nônô(0)

NY TAONA 1983 NO NIALA TETO MADAGASIKARA ARY NIONDRANA NAKANY FRANTSA, RAKOTONDRAINIBE ROLAND, IZAY FANTATRA EO AMIN’NY SEHATRY NY MOZIKA AMIN’NY ANARANA HOE NÔNÔ. NY TSY FISIAN’NY RAFITRA EO AMIN’NY FAMPIANARANA MOZIKA ETO AMINTSIKA NO NANOSIKA AZY HO ANY IVELANY. TSY MORA ANEFA NY NIANDRY AZY TANY SATRIA DIA NISY NY ANTSOJAY NAHAZO AZY NOHO

Faran’ny herinandro

Faran’ny herinandro(0)

LAPAN’NY KOLONTSAINA – MAHAMASINA Hiverenan’i Nônô avokoa ireo hira rehetra nahafantarana azy Efa tonga eto an-tanindrazana hatramin’ny talata alina teo ary efa vonona hiatrika ny fampisehoana. Hiverenan’i Nônô avokoa ireo hira rehetra nahafantarana azy amin’ny fam­pisehoana izay hihaonany indray amin’ireo mpankafy azy, etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny alahady 26 mey izao, manomboka amin’ny telo ora tolakandro. Seho izay atolotry ny mi’Ritsoka Production ao anatin’ny fankalazany ny faha-5 taonany. «Ny taona 2001 no nisy ny seho farany teto an-tanindrazana», hoy izy. Hataony tolotra tsy ampoizina kosa ny fandrindra amin’ireo hira entiny ao anatin’ny fampisehoana. Hokaloiny amin’io ny «Ento aty», «Ialahy», «Kabary», «Tonga lafatra»…. Noho ny fotoana fohy nanomanana ny seho, dia mpitendry malagasy avy any ivelany no hanaraka an’i Nônô amin’ity fampisehoana ity izay ahitana an’i Henri (Gitara), Lalaina (Amponga maroanaka), Mamitiana (Gitara beso) ary Mickaël (Vata maroafitsoka). JAO’S PUB Tsinjaka kilalaka hiarahana amin’i Bagzana Hanao be fiavy amin’ny fampisehoana eto Antananarivo i Bagzana izay hanolotra ny tsinjaka kilalaka anio, etsy amin’ny Jao’s Pub Ambohipo manomboka amin’ny 9 ora alina. Hetsika hanehoana ny hira vaovao. Hanjaka ao koa ny kilalaka. Mpanakanto nampahafantatra ny kilalaka voalohany tamin’ilay hira «Siky menamena»i Bagzana. AFT ANDAVAMAMBA Famaranana ny fifaninanana hira frantsay miaraka amin’i Jerry Marcoss Tafiditra amin’ny hetsika famaranana ny fifaninanana hira teny frantsay izay nokarakarain’ny Alliance française ary koa ho fitokanana ilay sehatra vaovao etsy Andavamamba. Hanafana ny hetsika amin’ny sabotsy tolakandro izao i Jerry Marcoss, mpanakanto mpiangaly salegy sy kawitry. Nahatratra 300 ireo nandray anjara tamin’ny fifaninanana ka ny 13 sisa hiady ny famaranana. Fivahinianana any Frantsa no loka miandry ny voalohany miampy fanomezana avy amin’ny Orange. ANTSAHAMANITRA Princio sy Rajao mianakavy ho an’ny fetin’ny reny Fiarahana tsy mbola fahita. Hiaraka hanamarika ny fetin’ ny reny etsy Antsahamanitra ny alahady 26 mey izao i Princio sy ry Rajao mianakavy. Tarika roa izay samy manana ny maha izy azy, nefa manana ny tolotra iraisany dia ny vazivazy ao anatin’ny hira. Hiara-dia ao ny hira sy ny hatsi­kana. Ankoatra ny zava-misy sy ny tranga andavanandro dia anisan’ny atsidiky ny roa tonta ao anatin’ny fampisehoana ny resaka politika sy ny tsindrom-paingotra madinika. KIANJA ESCA – ANTANIMENA Seho telo amin’ny sehatra telo

Acupuncture – Teboka 800 amin’ny vatan’ny olona no azo itsaboana

Acupuncture – Teboka 800 amin’ny vatan’ny olona no azo itsaboana

5 000 TAONA ATY AORIAN’NY NIANDOHAN’NY ACUPUNCTURE NA NY FOMBA FITSABOANA SINOA AMIN’NY ALALAN’NY FANJAITRA: MANOMBOKA MAHAZO VAHANA ETO AMINTSIKA IZY IO ANKEHITRINY. TEBOKA 800 EO AMIN’NY VATAN’NY OLONA NO AZO ITSABOANA, HATRANY AN-TAMPON-DOHA KA HATRANY AM-PALADIA. NATAO HAMERENANA AMIN’NY LAONINY NA HAMPIRINDRA TSARA NY HERIM-BATANA NY «ACUPUNCTURE». ARETINA MARO NO AZONY SITRANINA. TSY VITANY

Razam-be niaviana – Maro ireo fombafomba itovizan’ny Malagasy amin’ny Jiosy

Razam-be niaviana – Maro ireo fombafomba itovizan’ny Malagasy amin’ny Jiosy

SAMY MANANA NY FOMBA FILAZANY AMIN’NY FIAVIAN’NY RAZAM-BEN’NY MALAGASY NY REHETRA. HEVITRA NALAZA SY NOVOIZINA TATO HO ATO NY FILAZANA FA AVY AMIN’NY JIOSY NY MALAGASY. TANTARA IHANY ANEFA IZANY HATRETO, ARAKA IRETO FIJOROANA VAVOLOMBELONA IRETO, FA TSY MBOLA NISY NANAMAFY KOSA. SAIKA FOMBA SY KOLONTSAINA ARY ENDRIKA AVOKOA NO AMBARAN’IREO MPAHAY TANTARA. Tamin’ny alalan’ny fikarohana sy ny tantara tao amin’ny Baiboly avokoa no ilazan’ny ankamaroan’ny olona fa manana fiaviana Jiosy ny Malagasy. Maro ny fikambanana efa nitsangana manohana izany ary mivondrona ao anatin’ny firaisamben’ny Jiosy eto Madagasikara. Ity farany izay efa tafajoro ara-dalàna ary voalaza fa mifandray amin’ny Jiosy rehetra maneran-tany. Misy amin’ireo fikambanana ihany koa no efa nahazo fiofanana teknika tany Israely, milaza fa “tena Jiosy ny Malagasy”, ka nanangana ekipa iray “shalom”. Ireo fikambanana rehetra ireo no resy lahatra fa manana fiaviana Jiosy na taranaka Hebreo isika Malagasy, araka ireto fanazavana maromaro ireto. Ankoatra ireto sombintsombiny ambara ireto dia hisy ihany koa ny fampahafantarana lehibe, amin’ny alahady 26 mey izao, etsy Soavimbahoaka.

Lehilahy handeha  hijery baolina maty  tany anaty honahona

Lehilahy handeha hijery baolina maty tany anaty honahona

MPONINA ENY AMIN’NY FOKONTANY AMBOHIDAHY-ANKADINDRAMAMY RANDRIAMANANJARA HERITSOA ANTSOINA HOE TSOA, RAIM-PIANAKAVIANA 44 TAONA, HITA FATY TAO ANATY HONAHONA, TENY ANKORONDRANO -ANDRANOMAHERY, NY ALAKAMISY 16 MEY LASA TEO. TSY NODY AN-TRANO NANOMBOKA NY ALAHADY TALOHAN’IO ITY RAIM-PIANAKAVIANA ITY. EFA NIALANA NENINA TAMIN’NY FILAZANA AMIN’NY ONJAM-PEO SAO VERY NA NARARY TAMPOKA TANY AN-DALANA KA TSY TAFODY. NOTETEZINA

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite