Subscribe to RSS

Angano angano

Ilay boloky telo nifampialona

Indray andro, hono, tao anatin’ity ala mikitroka iray, nisy boloky mena- maitso-mavo nihantona teo ambony hazo. Dia niteny tamin’ilay boloky mena, hono, ity boloky maitso be fialonana: “tena miendrika ny boloky fetsifetsy mihitsy ianao amin’izato volonao mena!”. Tafintohina tamin’ny teniny ity boloky mena ka namely nanao hoe : «maninona anao ny voloko menamena? Tsara tarehy anie ny voloko mena e! Sady izaho koa tsy manana hafa ankoatr’io. Ka na tsy tianareo aza ny voloko, ao anivon’ny voninkazo ao aho dia tsy miavaka.»

Anjaran’ ilay boloky mena indray no nilaza ity boloky mavo hoe: «toa ohatry ny vorona fetsifetsy izany ianao amin’izato volonaomavomavo!»

Dia tafintohina ihany koa ity boloky mavo sady namely azy hoe : «fa maninona ny voloko mavomavo? Tsara tarehy ny voloko mavomavo! Ary na dia tsy tianareo aza ny voloko, izaho ihany no hita avy eny an-danitra eny».

Dia mba anjaran’ilay boloky mavo sady tezitra no niteny ilay boloky mai­tso nanao hoe : “tena ohatry ny boloky fetsifetsy izany ianao amin’ity volonao maitsomaitso!. Sorena tokoa ilay boloky maitsomaitso sady namaly hoe : “maninona ny voloko maitsomaitso?” Tsara tarehy ny voloko maitsomaitso! Sady izaho koa tsy manana hafa ankoatr’io. Ka na tsy tianareo aza ny voloko, ao anaty ravina aho tsy hita mihitsy.”

Tamin’izay fotoana izay anefa, nisy oram-baratra namely mafy ny tao an’ala. Nitsoka mafy ny rivotra, nipoaka ny varatra, nirotsaka ny orana. Nitampify ireto boloky telo mba hifampiaro. Vao mainka nihamafy tokoa ny rivotra ka dia nasavilivilin’ny rivotra havia sy havanana, voahozongozona etsy sy eroa. Fa vao maraina be, rehefa niposaka ny masoandro, dia tsy nisy intsony na boloky maitso, na boloky mena, na boloky mavo. Nisolo toerana azy ireo boloky telo tsara tarehy miloko mena sy maitso ary mavo. Satria, tao anatin’ny rivotra mafy nifofofofo, dia nifangaro ny volon’izy ireo.

Hery Lisy Ranarijaona

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Fiainana mpanakanto – «Tsy nisakaiza velively tamin’i Jerry Marcoss aho», hoy i Farah John’s

Fiainana mpanakanto – «Tsy nisakaiza velively tamin’i Jerry Marcoss aho», hoy i Farah John’s(0)

MPANDIHY SY MPIHIRA TAO ANATIN’NY TARIKA JERRY MARCOSS NO NAHAFANTARANA AN-DRASOLOFONJATOVO FARAH SAMÜELINE, NA FARAH JOHN’S, TALOHAN’NY NIKOPAHANY ELATRA IRERY TEO AMIN’NY SEHATRY NY MOZIKA. HEHY TSOTRA NO NAMALIANY NY FILAZANA FA NISAKAIZA TAMIN’I JERRY MARCOS IZY. NABORAK’I FARAH JOHN’S FA OLON-TIANY DIA TSY AO ANATIN’NY  TONTOLON’NY MOZIKA MIHITSY. Toy ny ankamaroan’ireo mpanakanto, dia fitiavana mozika hatramin’ny fahakely no nitarika an’i Farah John’s hiditra amin’ny sehatry ny mozika. Efa tao anaty rany ka notohizany tamin’ny fidirana ho mpikambana tao amin’ny antoko mpihira tany Vohemar, nanomboka teo amin’ny faha-8 taonany. Rehefa feno 18 taona izy no niakatra teto an-drenivohitra. Tao anatin’ny faniriany ho mpihira, dia ny zaobaviny, vadin’ny zokiny lahy, no nifankahalala tamin’i Jerry Marcoss ka nampifanatona azy ireo. «Taorian’ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ ny tarika Jerry Marcoss, ny taona 2004 no tafiditra tao amin’ny tarika aho», araka ny fitadidian’i Farah John’s. Nialoha izay anefa, efa nanana ny lazany teo amin’ny sehatry ny dihy tany Vohemar ary nivoy karazan-dihy maro tao anatin’ny tarika «Hells Angel’s», izay efa nahafantaran’ny maro azy ihany koa, na tamin’ny andron’ny sekoly na tamin’ireo fety ho an’ny fialan-tsasatra izy. «Tsy maintsy nandihy foana izahay isan’andro tamin’izany fotoana izany», araka ny fitantarany. Izay rahateo no nahatonga azy ho sady mpihira no mpandihy tao amin’ny tarika Jerry Marcoss. Ity farany no nahatsapa ny talentany ka nampirisika an’i Farah John’s hiroso lalindalina amin’ny sehatry ny mozika. Nandeha ny resa-be Nanomboka teo ny resa-be momba ny fiarahan’izy roa ireo. Tsy nahatohina an’i Farah John’s, raha napetraka taminy ny fanontaniana momba io resaka io. Sady nihomehy izy no namaly am-pahatsorana fa “tsy nisy mihitsy ny fisakaizana teo aminy sy i Jerry Marcoss”. “Mpiara-miasa izahay tany am-boalohany.  Noho izy nanoro lalana ahy dia mandray azy ho toy ny raiko aho amin’izao fotoana izao”, hoy ihany izy.

Very saina hatramin’ izao ny renin’ilay zazalahy matin’ny taksibe tetsy Masay

Very saina hatramin’ izao ny renin’ilay zazalahy matin’ny taksibe tetsy Masay

  NILAOZAN’I ANDRY, ZAZALAHY 14 TAONA, NY FIANAKAVIANY VOKATRY NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA NAMONOAN’NY TAKSIBE AZY, TETSY AMIN’NY LALAN’NY FARIHY MASAY, NY SABOTSY TEO. VOA MAFY VOKATR’ITY FAHAFATESAN-JANANY ITY NY RENIN’I ANDRY. NAHAGAGA FA TSY FANAON’ITY ZAZALAHIKELY ITY NY MAKA TRONDRO ETSY MASAY, KANEFA DIA NOHO NY FIHAZAKAZAHANY HAKA ILAY TRONDRO MBA AZONY NO NAMOIZANY NY AINY.

Faran’ny herinandro

Faran’ny herinandro

CLUB NAUTIQUE IVATO «Tafaray samikaka» hiarahan’i Wawa, Vaiavy Chila, Jarifa, Ramora Favori ary Tinah-Ti» Na teo aza ny fahavoazana nahazo azy, dia vonona hiatrika ny fampisehoana izay hiarahany amin’ny mpanakanto maro eny amin’ny Club Nautique Ivato, Ramora Favori. Hotanterahina ny alatsinain’ny Pantekôty izao ny «tafaray samikaka», izay hiarahana amin’i Wawa, Vaiavy Chila, Jarifa ary Tinah-Ti.

Mananara Avaratra – Misy ambadika ny raharaha andramena

Mananara Avaratra – Misy ambadika ny raharaha andramena

Mampiahiahy ny zanak’i Mananara Avaratra ny fihetsiky ny manampahefana sasany, izay toa tsy taitra mahita ny fandripahana sy fanondranana ny andramena. Ny hafa aza dia manararaotra ny zava-misy hangoronan-karena. Ny mponina any an-toerana no mahita ifotony ka mitantara ny tena ao ambadiky ny raharaha andramena    «Zaha-poagna sy atô tsy hita ny fandrobagna boaderôzy aty aminay.

Fotodrafitrasa – Misedra lava ny tsy faham­piana kianja ireo mpanao fanatanjahantena

Fotodrafitrasa – Misedra lava ny tsy faham­piana kianja ireo mpanao fanatanjahantena

Olana sedrain’ny ankamaroan’ny mpikarakara hetsika na fihaonana momba ny fanatanjahantena ankehitriny ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa azo ilalaovana, na an-tanàn-dehibe na eny ambanivohitra. Misy koa ny tsy fahampian’ny fikojakojana azy ireny ary ao koa ireo efa antitra ka tsy azo ilalaovana na tsy manara-penitra intsony. Ahiana tsy hahitam-bahaolana ity tsy fahampian’ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena ity. Matetika ny vola azo kely avy amin’ny fihaonana iraisam-pirenena no hararaotina hanatsarana ny kely ananana. Ekipa vitsy no tsy manofa kianja Azo isaina amin’ny ratsan- tanana ny ekipa tsy manofa kianja hilalaovana, amin’ny taranja rehetra, raha ny eto amintsika no resahina. Miankina amin’ny politika arahin’ny mpitantana ireny fotodrafitrasa ireny matetika ny fahatezan’izy ireny na tsia. Samy hafa koa matetika ny olana atrehan’ ny taranja lalaovin’ olon-tokana sy ny taranja itambaram-be. «Manofa 80 000 ariary isam-bolana ny toerana azonay ilalaovana rugby izahay. Efatra ora isan-kerinandro na adiny roa isaky ny milalao no azonay ampiasana azy ho an’ny kianja fotsiny. Tsy mbola manana toerana manokana na foibe azo ivoriana na azo ikolokoloana hozatra izahay, ankoatra ny olana ara-pitaovana na eo amin’ny rugby na ny kitra», hoy ny mpitantana ekipa iray efa am-polo taona maro nijoroana. «Manofa isam-bolana ny toerana fanaovanay fifanintsanana ara-panatanjahantena izahay, isaky ny sabotsy sy alahady. Olana koa anefa ny fiambenana ny manodidina ny kianja. Misy ireo misompatra, minia mametraka fiara eny an-tsisin’ny kianja, hanelingelenana ny fizotran’ny lalao. Misy mamaky ny baolina ilalaovana raha sendra lasa any amin’ny taniny. Nahita izany izahay na teny Ambohimangakely, na Ambohimanarina, na Fort Duchesne na Andoharanofotsy. Misy aza minia mamefy ny kianja fotsiny noho ny fialonana», hoy Randrianindrina John, mpandrindra fihaonana ara-panatanjahantena eto Antananarivo. Sasatra ny manarina kianja  Ho an’ny Fimita, mpikarakara fihaonana eo amin’ny kitra lalaovin’ olona fito eny amin’ny Boulevard de l’Europe dia asa goavana no miandry azy isan-kerinandro vokatry ny fampiasan’ny fiarakodia vaventy ny toerana ilalaovana. «Voatery mitaona tany izahay hanotofana ny lavadavaka avelan’ireo kamiao lehibe mive­zivezy eo amin’ny kianja, mialohan’ny hilalaovana isan-kerinandro», hoy Gilbert Fanahisoa, ao amin’ny Fimita. Voatery nampiato ny lalao nokarakarainy koa i Tanteliharimalala Annie, hany vehivavy mpandrindra lalao ara-panatanjahantena ho an’ny kitra lalaovin’ olona 11, eny Mahazoarivo atsinanana noho ilay kianja dibo-drano sy feno lavadavaka tamin’ny nandalovan’ny orambe farany teo. Namoaka vola mihitsy izy nanamboarana ilay toerana ka tamin’ny Paska teo vao mba azo nilalaovana sy nanohizana ny fihaonana efa nomanina. Dobo filomanosana sivy Dobo filomanosana sivy ihany no hany azon’ny mpitia fifaninanana lomano 1 000, hanazaran-tena manerana ny Nosy. «Fotodrafitrasa efa niorina tany amin’ny taona 1960 sy 1980 ny ankamaroan’ny dobo filomanosana eto amintsika ka efa tsy manara-penitra ny ankamaroany. Toy ny lalana eto amintsika ihany, atahorana tsy ho azo ampiasaina intsony ny ankamaroany noho ny tsy fahampian’ny fikojakojana, vokatry ny tsy fahampiana ara-bola eo amin’izay mitantana azy», hoy Razafimahatratra Dina, tale teknika nasionaly eo amin’ny taranja  ny tenisy. Ilaharana na efa andoavam-bola aza Ny toerana azo ilalaovana tennis, ohatra dia marobe izy ireny no eo am-pelatanan’olon-tsotra. «Saika natao fitadiavam-bola ireny kianja filalaovana tennis ireny. Misy andoavana saram-pampiasana 700 000 Ariary isan-taona na latsakemboka 100 000 ariary vao azo ampiasaina. Misy klioba mampandefitra ny fanomanana ireo solofo dimbin’ny ala, ka izay manam-bola ihany no mibahan-toerana. Na mandoa volabe aza ny olona, mbola milahatra ela vao mahazo kianja. Izay no mampalaina ny olona amin’ny fanatanjahantena. Ny kianja ao Ankatso, ohatra, noho ny politika narahin’ny mpitantana azy dia saika ny 90% ny sangany eo sasany amin’ny mpitia lalao tennis no novolavolaina tao», hoy Razafima­hatratra Dina. Isaky ny alarobia sy sabotsy amin’ny 12 hatramin’ ny 4 ora, atokan’ny mpitantana ho an’ireo solofo dimbin’ny ala amin’ity taranja ity ny kianja eny amin’ny oniversite Ankatso. Toeram-pianarana lehibe vitsivitsy ihany noho izany no afaka mametraka politikam-pampianarana momba ny  fanatanjahantena ao anatin’ny sekoly misy azy, noho io tsy fahampian’ny fotodrafitrasa io. Taranja roa na telo ihany Any amin’ny firenena sasany dia nisy nifidy nanangana foibe fanazarantena ho an’ny taranja vitsivitsy, izay heveriny fa tokony hatosika toy ny kitra, baskety, rugby, ohatra na kitra, lomano, atletisma. Raha momba ny lomano, ohatra dia tokony hisy dobo filomanosana, efitra fisoloana akanjo, efitra fatorian’ny atleta, toeram-pisakafoanana ho an’izay voafantina hanaraka fiofanana na fanazarantena ny foibe atsangana. «Latsa-danja hatrany ny fikarakarana ny fotodrafitraasa ho an’ny taranja iombonambe raha mitaha amin’ny taranja lalaovin’ olona vitsy , izay mora kokoa ny sara fanorenana na fikarakarana azy. Natsangana, ohatra ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina ary mba mahazo ny vola hihodinana. Mahazo vahana kokoa anefa ny kolontsaina noho ny fanatanjahantena amin’izany», hoy Razafimahatratra Dina. Mampihemotra ny fitiavana fanatanjahantena izay fahasarotan’ny fampiasana fotodrafitrasa izay. Refin’ny kianjana kitra manara-penitra : Kitra lalaovin’olona 11 : 110 x 68 m Kitra lalaovin’olona 9 : 90 x 70 m Kitra lalaovin’olona 7 : 70 x 60 na 50 m Kitra lalaovin’olona 5 na 4 : 35 x 15 m na 45 x 30 m raha misy mpiandry tsatokazo. Refin’ny kianjana baskety : 28 x 15 m amin’ny ankapobeny. Nampitomboin’ny FIBA kely anefa ny habeny tamin’ny 2010. Refin’ny kianjana volley : 18 x 9 m miampy sisiny 3 m. Refin’ny kianjana tennis : 23,77 x 8,23 m. Nangonin’i Barphil Andriantsiferanarivo

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite