Namoahan’ny mpitsara zokiolona didy fampi- samborana ireo rehetra tsy vita fanadihadiana, kanefa tokony nofotorana tamin’ilay raharaha fanondranana andramena 12 kaontenera tany Sina, ka nahatafaverenana kaontenera valo tao amin’ ny seranan-tsambon’
i Toamasina, ny volana jona sy jolay lasa teo.
Tafiditra ao anatin’ireo olona namoahan’ny Fitsarana baiko fampi- samborana amin’izany ilay metisy sinoa fantatra fa tompon’ireo andramena ireo. Efa mpiray petsapetsa tamin’ny fanondranana ilay andramena enina kaontenera tra-tehaka tao Nosy Maorisy izy izao voasaringotra amin’ny fanondranana andramena 12 kaontenera izao indray. Mbola tsy eto Madagasikara anefa izy raha ny vaovao farany azo.
Metisy sinoa
Ity metisy sinoa ity nitory ny sambo nitatitra ireto kaontenera tao Hong-kong, ny 24 jona lasa teo, no nahafantarana fa izy no tompon’ireo andramena haondrana any Sina ireo. Tsy tonga ara-potoana tao Hong-kong mantsy ireo kaontenera ireo noho izy ireo efa naverina tetsy amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina.
Olona enina nahitana tompon’andraikitra tao anatin’ny faritra fanatobiana kaontenera ao anatin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, izay niaingan’ ireo kaontenera 12 ireo ary mpiasan’ny sambo nitatitra ireo kaontenera no fantatra fa efa naiditra am-ponja vonjimaika mahakasika ity raharaha ity. Mbola tsy nahazo ny taratasy manome alalana azy hanohy ny famotorana ny eo anivon’ny Fadintseranana hatreto. Efa misisika ny hanao ny fanadihadiana ihany koa anefa ny eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Ala
Hanitry Ny Aina










0 Fanehoan-kevitra