Subscribe to RSS

Amparibe – Fokontany mpangorona amboara

Randriamantena Jonhson sy ireo amboara efa azon'ny fokontany.

Randriamantena Jonhson sy ireo amboara efa azon'ny fokontany.

Na kitra, na basket, na hay ady toy ny Wu Shu, Tae Kwon Do, Karate, na tsipy kanetibe : saika ahoron’ny fokontany Amparibe ny amboara hiadiana isan-taona. Nifanintsana teo amin’ny basket, tao amin’ny Sainte Famille ny ekipa avy amin’ny boriborintany enina tamin’ny taona 2012 teo : lasan’Amparibe ny amboara. Nisy koa ny toy izany teo amin’ny kitra : mbola lasany ny amboara. « Teo amin’ny Wu Shu, 12 mianadahy no nalahatray : nibata medaly sy amboara ny 10 izahay. Tompondakan’i Madagasikara Rakotomalala Navalomanjaka, teo amin’ny sokajy latsaky ny 70kg.  Ramamonjisoa Justin kosa teo amin’ny sokajy latsaky ny 65kg. Zaza vao 13 taona, avy eto aminay no tompon-dakan’i Madagasikara eo amin’ny Kata », hoy Randriamantena Jonhson, filoha lefitry ny fokontany sy mpitarika tanora ara-panatanjahantena efa hatramin’ ny ela.

«Ny hetahetanay, rehefa fifaninanana amin’ny faritra,dia tokony tsy hampandoavina vola ny klioba, rafitra efa mangozohozo, zara raha misy vola hiodinany. Fototra misy ireny klioba ireny ny fokontany ary ireny no hany hahazoana mitaiza tanora koa tokony hampiana», hoy kosa Andrianasolo Tiana, filohan’ny fokontany ao Amparibe-Ambohidahy-Avaratr’i Mahamasina.

Barphil Andriantsiferanarivo

 

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Basket ball N1B – Nihintsana avokoa  ireo ekipan’Analamanga

Basket ball N1B – Nihintsana avokoa ireo ekipan’Analamanga(0)

Tsy nahovoka. Ekipan’Analamanga telo no indray nihintsana teo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny basket sokajy N1B,  tany Toliara, omaly hariva. 66 no ho 63 no nandavoan’ny SBC (Vakinankaratra) ny ekipan’ny kolejy Masindahy Misely, raha ny TTS avy eny Ambohimanarina no nanaraka ny diany taorian’izay, resin’ny USF Matsiatra Ambony 90 no ho 80 taorian’ny fanalavam-potoana. Teo amin’ny lalao fahatelo

Baolina kitra Analamanga – Hotsapain’ny IFC ny Tana Formation

Baolina kitra Analamanga – Hotsapain’ny IFC ny Tana Formation(0)

Mialoha ny handehanany hiatrika ny lalao famaranana mandroso any Seychelles, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indiana ny talata izao, dia hotsapain’ ny Iarivo Football Club  etsy Mahamasina anio ny Tana Formation FC. Lalao miverina ho an’ny fiadiana ny ho tompon- dakan’Analamanga eo amin’ny baolina kitra ity lalaon’ny roa tonta ity, tafiditra amin’ireo lalao hanamarika ny andro faha-13. Lalao azo heverina ho fanalana vela ihany ho an’ny ekipan’i Frank Rajaonarisamba, satria tamin’ny lalao mandroso dia niondrika tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Tana Formation. Mila mitana ny toerany faharoa eto Analamanga anefa ity farany satria taorian’ny andro faha-12 dia izy ireo no

Tenisy « Coupe Davis » – Hifandona amin’ ny 1/2-dalana i Maraoka sy Madagasikara

Tenisy « Coupe Davis » – Hifandona amin’ ny 1/2-dalana i Maraoka sy Madagasikara(0)

Azon-dry Jean Jacques Rakotohasy sy ny namany, izay misolo tena antsika any Egypta amin’ny fifaninanana tenisy na ny “Coupe Davis” Vondrona III, ny laharana voalohany niarahana tamin’i Namibia ary Rwanda tao amin’ny Vondrona C. I Maraoka no hifandona amin’ny ekipa Malagasy amin’ny manasa-dalana, taorian’ ny nandresen’i Mada- gasikara isa 3 no ho 0 ny Namibiana, omaly. Teo amin’ny lalao voalohany, resin’i Jean Jacques Rakotohasy na i Zakakely tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/3, 6/0)

Rugby « Grand defi Berthin » – Ekipa valo hifampihantsy  eny Antanikatsaka

Rugby « Grand defi Berthin » – Ekipa valo hifampihantsy eny Antanikatsaka(0)

Mandritra ny alatsinainin’ny Pantekosta dia hifampihantsy eny amin’ny kianjan’Antanikatsaka ireo ekipa valo avy eny amin’ny seksiona Atsimondrano, eo amin’ny taranja rugby, izay efa niatrika ny “tournoi Berthin Atsimondrano”. “Fangatahan’ireo ekipa ireo ny hifanala vela ka antony nahasarika anay hanohana azy ireo. Fanao rahateo izany lalao fihantsiana izany ho an’ny rugby. Tsy ady omby fa fitaovana hoentina manao fanatanjahantena no hatolotra ho an’izay mandresy”, hoy i Berthin Randriamihaingo, filohan’ny “Team Berthin”. R.A Fandaharam-potoana XV Trefle

Kitra amin’ny tora-pasika – Mpilalaon’ny morontsiraka avokoa no mandrafitra  ny Barea

Kitra amin’ny tora-pasika – Mpilalaon’ny morontsiraka avokoa no mandrafitra ny Barea(0)

Saika mpilalao avy any amin’ny morontsiraka avokoa no mandrafitra ireo Barea 12 hiatrika ny fifanintsanana hiatrehana ny Mondial eo amin’ny baolina kitra lalaovina amina tora-pasika hatao any El Jadida Maraoka amin’ny 21 – 26 mey ho avy izao. Hifantenana izay hisolo tena an’i Afrika amin’ny fiadiana ny amboara eran-tany hatao any Tahiti amin’ny septambra 2013 izy ity. Olona 15, ka 12 no mpilalao, no handrafitra ity delegasiona malagasy, izay hanainga amin’ny alatsinainy

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite