Afaka dimy volana raha haingana vao mety hivoaka ny taratasy manome alalana ny tetikasa Ambatovy tena hitrandraka ho amin’ny varotra. Nampi- tain’izy ireo fa mbola miandry ilay taratasy manome alalana hitrandraka vonjimaika mandritra ny enim-bolana nolazaina ho efa nomena azy ity kaompania ity amin’izao fotoana izao. « Sonia sisa no andrasana dia mivoaka io alalana io. Mbola mila ny taratasy antoka maha- kasika ny asa avy amin’ Ambatovy ihany koa anefa izahay », hoy avy hatrany kosa ny teo anivon’ ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany.
Etsy ankilany anefa, nanipika i Hery Rajaonari- mampianina, minisitry ny Vola sy ny Tetibola fa tsy maintsy hisy fanamarinam-bokatra iraisam- pirenena hatao atsy ho atsy mahakasika ny fizotran’ ny asa sy ny fitarainana maro mahakasika ny rano, ny filazana fa manjavona ireo tantely… voaray momba an’ Ambatovy. « Eo am-pikarakarana izany izahay ankehitriny. Haharitra efatra na dimy volana eo io fitsirihana io », hoy ity minisitra ity.
HNA









1 Fanehoan-kevitra