Mety hihena ny vokatra letisy ao amin’ny distrikan’ i Brickaville noho ny hamaroan’ny fototr’ity voankazo ity nongotan’ny rivo-doza, izay nandalo tany farany teo. Fanamarihana nataon-dRakotondrahova Simon, filohan’ ny Vondron’ny mpanondrana letisy any ivelany na GEL izany. ”Na eo aza ny mety ho fihenan’ny vokatra avy amin’ny distrikan’i Brickaville dia azon’ny vokatra avy amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Analanjirofo ary ny faritra hafa fenoina tsara izany, fa be ny vokatra any amin’ireo faritra hafa”, hoy ny filohan’ny GEL, izay nanipika fa hatramin’izao dia mbola i Madagasikara no mpamokatra ity karazam-boankazo ity be indrindra eran-tany.
”Nisy fihaonanay mpandraharaha sy mpanondrana letisy ary ny minisiteran’ny Varotra tamin’ny fiandohan’ ity volana aogositra ity. Nodinihinay tamin’izany izay handaminana ny fiotazana sy fanangonana ny vokatra amin’ity taona ity”, hoy ihany Rakotondrahova Simon. Nampitaraina ny mpanondrana azy ny tsy fahafahan’izy ireo mametra ny vidiny eo amin’ny tsena hatreto aloha.
B.A









0 Fanehoan-kevitra