
Ireto farany izay nifandimby namatsampatsaka sy nitondra fanakianana mavaivay ny fanambarana nataon’ireto manamboninahitra ambony eo anivon’ny zandarimaria ireto noho ny fanononan’izy ireo ny anaran’ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana ho isan’ny tompon’antoka amin’ny firongatry ny asan-dahalo any Atsimo.
«Rehefa misy zavatra tsy mety eto amin’ny firenena dia ny Filoha Ravalomanana foana no omen-tsiny. Ampy izay, tsy hilefitra intsony izahay ka hitory an’ireo manamboninahitra ireo izay milaza zavatra tsy marina hanakonana ny tsy fahombiazana tamin’ny hetsika nataon’izy ireo », hoy ny filohan’ny Kaongresin’ny tetezamita, sady mpitarika ny delegasionan’ny ankolafy Ravalomanana, Mamy Rakotoarivelo tetsy amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina, omaly maraina. Tetsy ankilan’izay dia nanipika ny Me Hanitra Rafimanantsoa, mpikambana eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana fa «famonoana olona no misy eto Madagasikara ka tsy manaiky ny hiray tsikombakomba amin’izany ny ankolafy Ravalomanana».
«Fanohintohinana ankitsirano ny zon’olombelona no ataon’ny miaramila ka aza ailika amin’ny hafa ny tsy fahombiazanareo any Atsimo», hoy ihany ity mpisolovava akaiky ny mpanorina ny orinasa Tiko ity. Mbola tsy nety nilaza mazava ny pitsopitsony rehetra mahakasika ity fitoriana ity ireo avy amin’ny ankolafy Ravalomanana. «Araka izay haingana indrindra no hametrahana an’io fitoriana io», hoy ihany i Mamy Rakotoarivelo.
Manoloana an’izay fanakianana mavaivay izay dia nilaza tsotra ny kolonely Lylison René fa «tokony hidina any an-toerana hanao fanadihadiana manokana momba an’io raharaha io izay rehetra tsy mahatoky ny fahamarinan’ny tatitra nataon’izy ireo».
«Ireny no zava-misy marina matoa noteneninay», hoy izy nanizingizina ary mbola nanamafy indray fa tsy mitombina velively ny voalaza fa finiavana handripaka ain’olona any Atsimo.
JR
« Miantsy ady », hoy ny Tgv
Nadikan’ireo mpikambana eo anivon’ny antoko Tanora malaGasy Vonona ho fiantsiana ady amin’ireo rehetra mpitantana ny tetezamita ny fanambarana nataon’ny ankolafy Ravalomanana, omaly.
«Tsy mahagaga ary efa fomba fanaon’izy ireo ny manakorontana ny fiaraha-mitantana. Paikady politika maty paika izay hoentina tsy haha to ny firosoana amin’ny fifidianana izany ka tsy mahagaga», hoy ny fanamarihan’i Jean Rakotondrabe, mpikambana eo anivon’ny antoko Tgv, omaly. «Nahoana moa no tsy mba lazain’ny Me Hanitra Razafimanantsoa fa nisy miaramila sy sivily maty noho ny asan-dahalo tany Atsimo. Rehefa mandray ny andraikiny ve ny fitondram-panjakana dia lazaina fa tsy manaja ny zon’olombelona indray ?», hoy hatrany izy. Notsipihan’ireo mpikambana eo anivon’ity antoko akaiky ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina ity ihany koa fa «fomba hoentin’ny ankolafy Ravalomanana hampikatsoana ny fandaniana ny tetibolam-panjakana 2013 izay efa dinihina eo anivon’ny parlemanta ity fihetsika nataon’izy ireo omaly ity.









1 Fanehoan-kevitra