Nisy namaky ny trano iray, ao Tsarasaotra, any Andramasina ny faran’ ny herinandro lasa teo. Very tamin’izany ny bisikileta tsy mataho-dalana iray, radio roa sy finday ary vola tahirin’ilay fianakaviana. Nihetsika nanao ny fikarohana izay nahavita izany ny zandary avy ao Ambohimiadana. Sarona efa namidin’ireo olon-dratsy teny an-tsenan’ Alarobia Vatosola ireo radio roa. Rehefa natao ny fisavana ny tranon’ izy ireo dia efa naparitany, saika hamidiny tsirairay ny kojakoja tamin’ilay bisikileta tsy mataho-dalana. Niaiky ny fandikan- dalàna vitany ireo roa lahy voasaringotra tamin’ ity raharaha ity. Naverina amin’ny tompony ireo entana sisa tsy lafo. Ny vola kosa efa tsy hita intsony. Natolotry ny zandary ny Fitsarana ny raharaha, ka naiditra am-ponja vonjimaika izy ireo.
B.A









0 Fanehoan-kevitra