
Tahotra, tebiteby lava, horohoron-tsaina,… Izany no niainan’ny ankamaroan’ireo mponin’Antsirabe ny andavanandrony tao anatin’izay telo volana lasa, niparitahan’ny resaka momba ny vondrona satanika tao an-toerana izay.
Nisesisesy tokoa ireo mpianatra nisehoan-javatra hafahafa, manao fihetsika hafahafa na any an-tsekoly na any an-trano ka vao mainka nampihombo io fihorohoron-tsaina io.
Tsy misy mahasahy mivoaka ny trano na kely na lehibe vao manomboka maizina ny andro. Na ny mifampijery na ny mifandona eny an-dalam-be na ny sakafo hohanina, eny hatramin’ny antso an-tariby isehoan’ny tarehimarika lazaina fa an’i satana aza dia nahamahana sy nampihoron-koditra tanteraka ny ankamaroan’ireo mponina. Tsikaritra izany hatraty Antananarivo, satria nolazaina sy naparitaka fa tafiditra ao anatin’ny vondrona manompo ny satana, izay isehoan’ireo tranga ireo.
Telo volana taty aoriana, nihalefy ny resaka klioba satanika ao Antsirabe. “Raha amin’ny 7 ora sy sasany hariva eo dia tsy ahitana olona ny lalana, efa miverina tsikelikely toy ny teo aloha ny fiainana eto ankehitriny”, hoy Rasoariliza Mamy, mpitana trano fisakafoanana iray ao Antsirabe. Tsikaritra ho miha mitombina kokoa ny sain’ny mponina, miha milamina ny fiainana. “Tsy te hiaina sy handre intsony ny klioba satanika ny mponina. Misy mihitsy ny tezitra vao hiresahana izany”, hoy indray ireo mpandalo mba manontany vaovao mahakasika ny vondrona satanika amin’ireo mponina.
Lycée André Resampa
Ny Lycée André Resampa no voatondro fa niantombohan’ity resaka vondrona satanika io. “Kisendrasendra no nahenoako io resaka io, efa tamin’ny desambra 2011. Nihanahoraka izany taty aoriana. Nisy ankizy mpianatra tato aminay avy eo voatondro fa ao anatin’izy io. Nanao fanadihadiana izahay. Nisy mpianatra dimy tokoa nampiahiahy. Tsy hay fa dia nankalazaina ho foiben’io vondrona io ny sekolinay tao anatin’izany”, hoy Ranarijaona Richard Nirina, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Lycée André Resampa.
Tovovavy 13 hatramin’ny 15 taona ireo mpianatra nampiahiahy ireo. “Ny telo voatondro efa ao anatin’ny vondrona, ny roa indray dia mpianatra voatarika tao anatin’izany. Raha ny vaovao azonay dia nasain’i satana namono ny rainy ny iray tamin’ireo notarihina ireo raha te hahazo ny zavatra iriany saingy rehefa tsy nanaiky izany ilay mpianatra dia nisehoan-javatra, mihomehimehy, milaza fa mahita zavatra tsy hitan’ny olon-kafa, mitrifatrifana, raha ny fanazavan’ny havany”, hoy hatrany Ranarijaona Richard Nirina.

Nisy 11 notsaboina
Nanamafy ny fisian’ireo mpianatra notsaboina teo amin’ny tobin’ny Flm ao Ambohimahazo, toby niorina efa tamin’ny taona 1947, ny pasitera Randriatsarafara Jean Gaston, mpitandrina eo anivon’ity toby ity. “Nisy 11 izy ireo no notsaboina teto aminay nanomboka ny volana marsa ka hatramin’ny tapa-bolana lasa teo. Mpianatra ny fito tamin’izy ireo. Misy olon-dehibe ihany koa, misy tanora”, hoy izy.
Raha ny fanazavany dia nametrahan-tanana, noroahana devoly izy 11 ireo noho ny fihetsiny izay maneho ny fihazoman’i satana azy ireo ka miseho amin’ny firediredena, fiomehezana, fitrifanana… “Tsy nisy tompon’ny tenany avokoa izy ireo. Saingy rehefa sitrana dia samy nitantara ny nanjo azy”, hoy izy.
Raha ny nambarany ihany, araka ny fanazavan’izy 11 ireo, dia nanao fifanarahana tamin’ny satana mihitsy ireto farany. “Nisy olona nitarika azy 11 ary nampanantena fa mahavaha ny olan’izy ireo. Tao ny nitady asa, tao ny te ho afa-panadinana, tao ny te ho tafita amin’ny fiainana, tao ny te hanan-karena… Saingy rehefa tonga teo amin’ny fangatahana ny takalon’izany i satana, izay nangataka ny hanomezana ny zavatra tian’izy 11 indrindra toy ny zanaka, ny ray, ny reny… dia nihemotra izy ireo. Rehefa nandà ny sorona izy 11 no nanomboka nisehoan-javatra hafahafa”, hoy pasitera Randriatsarafara Jean Gaston.
Mampanaonao foana ny fahantrana
Tsikaritr’ity mpitandrina ity fa ny ankamaroan’ireo mpianatra dia ireo tovovavy avy any ambanivohitra mipetra-drery sy mandrato fianarana ao Antsirabe avokoa. “Te hanao fiainana izy ireo rehefa nahita ny fiainana an-drenivohitra. Miha lalim-paka rahateo ny fahantrana ka mahavoasarika ireo olona hanao ny tsy fanao”, hoy izy.
Nisy tamin’ireo olona ireo no tonga nanatrika ny fotoam-pivavahana nanamarihana ny “isan-taonan’ny Toby fifohazan’Ambohimahazo”, ny alahady lasa teo saingy nisafidy ny tsy hanoro azy ireo pasitera Randriatsarafara Jean Gaston. “Nangataka ireo fianakaviana ny tsy hamoahana ny mombamomba azy ireo noho ny mety hisian’ny fiantraikany ratsy amin’izany eo anivon’ny fiaraha-monina toy ny fandrabirabina”, hoy izy.
Mivavaka amin’i satana

Pr Raseliharilahatra Georges Audin,mpitandrina ao amin'ny Fjkm katediraly Mahafaly Fahazavana ao Antsirabe
« Toy ny fivavahana amin’Andriamanitra dia misy ny antokon’olona mivavaka amin’i satana. Na ny Baiboly aza dia mamoitra izany. Hitoeran-javatra roa mifanohitra ny fiainan’ny olombelona toy ny maizina/mazava, tsara/ratsy… na koa hoe Andriamanitra/satana. Tsy misy ny eo antenantenany”, hoy kosa pasitera Raseliharilahatra Georges Audin, mpitandrina eo anivon’ny Fjkm katediraly Mahafaly Fahazavana ao Antsirabe.
Nampiany fa “araka ny toetoetry ny firenena iray hoe mahantra, manankarena, any ambanivohitra, any an-drenivohitra… no isehoan’ny asan’i satana. Endrika iray amin’ny asany ihany io nipoitra teto Antsirabe io. Tsy vao izao noho izany no niasan’i satana. Ary matoa hita any anaty raki-bolana ny teny hoe ‘satana’ na ny hoe ‘fandraikirekena’ dia misy izany”.
Notsoriny kosa anefa fa ny fanabontsinana sy ny fanitaran-dresaka manodidina izany dia misy ihany koa. “Ary mbola asan’ny maizina ihany koa izany. Ataon’i satana izay mampalaza azy, ataony izay mampihitatra ny fahefany”, hoy izy. Notsipihin’ny pasitera Randriatsarafara Jean Gaston mantsy fa tsy misy afa-tsy ny fanaovana fifanekena amin’i satana ihany no mahatonga ny olona iray ho olon’i satana. “Tsaho avokoa ireny hoe mifampikasoka, na mifampijery na miantso amin’ny finday, na mihinana karazan-tsakafo iray voatondro dia mahalasa ho olon’i satana. Mety ho fomba iray hisarihany sy hakan’ilay olona ho namany ka handreseny lahatra azy hifanaiky amin’i satana ihany ireny”, hoy izy.
gNy fihozongozonan’ny finoana, ny tsy fahamarinan-toeran’ny finoana no mahatonga ireo olona miahotra amin’ireny resabe ireny”, hoy hatrany izy mirahalahy ireto.
Azo iadiana i satana
Nomarihan’iny Pr Randriantsarafara Jean Gaston ihany anefa fa tokony hiompana bebe kokoa amin’ny fanazavana ny tantara, ny fototra ary ny hevitr’ireny zavatra tsy mampitovy hevitra (batisa, fifadian-kanina…) ao anatin’ny Baiboly ireny ireo mpitarika fiangonana mba tsy hampiroroa saina ireo mpino.
Manana anjara andraikitra ihany koa anefa ireo ray aman-dreny eo amin’ny fanatsarana ny fifandraisan’izy ireo amin’ny zanany. “Tokony hifampiresaka sy liana amin’ny zava-miseho eo amin’ny fiainan’ny zanany ireo ray aman-dreny hahafahany miaro sy manoro hevitra azy. Tokony hametraka arofanina amin’ny fijerena fahitalavitra, fikirakirana ny internet, indrindra ny “facebook”, ny fijerena karazana sarimihetsika mihoatra ny tokony ho izy… ka hampihita-tsaina ireo ankizy ihany koa izy ireo”, hoy indray Ranaivoson Yvan, manam-pahaizana amin’ny psykolojian’ny fampianarana .
Tsy mahazo mivoaka alina
Manomboka amin’ny 9 ora alina dia tsy misy afaka mivoaka ireo ankizy latsaky ny 18 taona, araka ny fepetra noraisin’ny Faritra Vakinankaratra manoloana ireny resaka momba ny vondrona satanika niely tao Antsirabe ireny. “Heverinay hatao maharitra mihitsy io fepetra io satria tsikaritra fa nihena ihany koa ireo ankizy tsy ampy taona mivoaka alina ka mivaro-tena taorian’io”, hoy Razanakolona Paul, lehiben’ny Faritra Vakinankaratra.
Notsipihan’ireo mponina anefa fa tokony hamoronana fialam-boly ireo tanora satria antony iray mampahazo vahana ireny tsaho ireny ihany koa ny tsy fisian’ny fialam-boly eo Antsirabe. Ho an’ny Lycée André Resampa dia entanina handray anjara amin’ireny fifaninanana ara-panatanjahantena ireny ireo mpianatra.
Hanitry Ny Aina
HNA/Mamy Maël/Angola Ny Avo














0 Fanehoan-kevitra