Subscribe to RSS

Tsy te hiherika intsony ny « vondrona satanika » ny ao Antsirabe

MARO NY FEO MANDEHA MANODIDINA NY VONDRONA SATANIKA TAO ANATIN’NY TELO VOLANA IZAY. ENTINA ANY ANTSIRABE IANAO HAMANTATRA NY NIPOIRAN’IZANY SY NY FANAZAVAN-TSAINA ATAON’IREO MPANABE, MPITONDRA FIVAVAHANA MANOLOANA IO RESAKA IO.

Tahotra, tebiteby lava, horohoron-tsaina,… Izany no niainan’ny ankamaroan’ireo mponin’Antsirabe ny andavanandrony tao anatin’izay telo volana lasa, niparitahan’ny resaka momba ny vondrona satanika tao an-toerana izay.

Ireo mpino tonga nanatrika ny «isan-taonan'ny tobim-pifohazan'Ambohimazahazo» ny zoma lasa teo

Ireo mpino tonga nanatrika ny «isan-taonan'ny tobim-pifohazan'Ambohimazahazo» ny zoma lasa teo

Nisesisesy tokoa ireo mpianatra nisehoan-javatra hafahafa, manao fihetsika hafahafa na any an-tsekoly na any an-trano ka vao mainka nampihombo io fihorohoron-tsaina io.

Ireo mpiofana ho mpiandry, hanampy isa ireo mpiandry 38 ao Ambohimahazo

Ireo mpiofana ho mpiandry, hanampy isa ireo mpiandry 38 ao Ambohimahazo

Tsy misy mahasahy mivoaka ny trano na kely na lehibe vao manomboka maizina ny andro. Na ny mifampijery na ny mifandona eny an-dalam-be na ny sakafo hohanina, eny hatramin’ny antso an-tariby isehoan’ny tarehimarika lazaina fa an’i satana aza dia nahamahana sy nampihoron-koditra tanteraka ny ankamaroan’ireo mponina. Tsikaritra izany hatraty Antananarivo, satria nolazaina sy naparitaka fa tafiditra ao anatin’ny vondrona manompo ny satana, izay isehoan’ireo tranga ireo.

Telo volana taty aoriana, nihalefy ny resaka klioba satanika ao Antsirabe. “Raha amin’ny 7 ora sy sasany hariva eo dia tsy ahitana olona ny lalana, efa miverina tsikelikely toy ny teo aloha ny fiainana eto ankehitriny”, hoy Rasoariliza Mamy, mpitana trano fisakafoanana iray ao Antsirabe. Tsikaritra ho miha mitombina kokoa ny sain’ny mponina, miha milamina ny fiainana. “Tsy te hiaina sy handre intsony ny klioba satanika ny mponina. Misy mihitsy ny tezitra vao hiresahana izany”, hoy indray ireo mpandalo mba manontany vaovao mahakasika ny vondrona satanika amin’ireo mponina. 

Lycée André Resampa

Ranarijaona Richard Nirina, praovizeran'ny Lycée André Resampa ao Antsirabe

Ranarijaona Richard Nirina, praovizeran'ny Lycée André Resampa ao Antsirabe

Ny Lycée André Resampa no voatondro fa niantombohan’ity resaka vondrona satanika io. “Kisendrasendra no nahenoako io resaka io, efa tamin’ny desambra 2011. Nihanahoraka izany taty aoriana. Nisy ankizy mpianatra tato aminay avy eo voatondro fa ao anatin’izy io. Nanao fanadihadiana izahay. Nisy mpianatra dimy tokoa nampiahiahy. Tsy hay fa dia nankalazaina ho foiben’io vondrona io ny sekolinay tao anatin’izany”, hoy Ranarijaona Richard Nirina, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Lycée André Resampa.

Tovovavy 13 hatramin’ny 15 taona ireo mpianatra nampiahiahy ireo. “Ny telo voatondro efa ao anatin’ny vondrona, ny roa indray dia mpianatra voatarika tao anatin’izany. Raha ny vaovao azonay dia nasain’i satana namono ny rainy ny iray tamin’ireo notarihina ireo raha te hahazo ny zavatra iriany saingy rehefa tsy nanaiky izany ilay mpianatra dia nisehoan-javatra, mihomehimehy, milaza fa mahita zavatra tsy hitan’ny olon-kafa, mitrifatrifana, raha ny fanazavan’ny havany”, hoy hatrany Ranarijaona Richard Nirina.

gMitovitovy amin’izany avokoa ny nahazo azy dimy vavy. Nentina nalana devoly tao amin’ny tobin’ny Flm ao Ambohimahazo izy ireo, nanomboka ny 28 avrily teo. Ny faramparan’ny volana mey, rehefa sitrana dia nanomboka niverina an-tsekoly izy ireo. Mbola vao ny telo no mianatra hatramin’izao. Ny ambiny indray, raha ny renay tamin’ny havany, dia efa sitrana saingy mbola nisafidy ny tsy hamonjy ny sekoly aloha”, hoy ihany ny fanazavana.

Nisy 11 notsaboina

Pr Randriatsarafara Jean Gaston, mpitandrina eo anivon'ny tobin'ny Flm ao Ambohimahazo Antsirabe

Pr Randriatsarafara Jean Gaston, mpitandrina eo anivon'ny tobin'ny Flm ao Ambohimahazo Antsirabe

Nanamafy ny fisian’ireo mpianatra notsaboina teo amin’ny tobin’ny Flm ao Ambohimahazo, toby niorina efa tamin’ny taona 1947, ny pasitera Randriatsarafara Jean Gaston, mpitandrina eo anivon’ity toby ity. “Nisy 11 izy ireo no notsaboina teto aminay nanomboka ny volana marsa ka hatramin’ny tapa-bolana lasa teo. Mpianatra ny fito tamin’izy ireo. Misy olon-dehibe ihany koa, misy tanora”, hoy izy.

Raha ny fanazavany dia nametrahan-tanana, noroahana devoly izy 11 ireo noho ny fihetsiny izay maneho ny fihazoman’i satana azy ireo ka miseho amin’ny firediredena, fiomehezana, fitrifanana… “Tsy nisy tompon’ny tenany avokoa izy ireo. Saingy rehefa sitrana dia samy nitantara ny nanjo azy”, hoy izy.

Raha ny nambarany ihany, araka ny fanazavan’izy 11 ireo, dia nanao fifanarahana tamin’ny satana mihitsy ireto farany. “Nisy olona nitarika azy 11 ary nampanantena fa mahavaha ny olan’izy ireo. Tao ny nitady asa, tao ny te ho afa-panadinana, tao ny te ho tafita amin’ny fiainana, tao ny te hanan-karena… Saingy rehefa tonga teo amin’ny fangatahana ny takalon’izany i satana, izay nangataka ny hanomezana ny zavatra tian’izy 11 indrindra toy ny zanaka, ny ray, ny reny… dia nihemotra izy ireo. Rehefa nandà ny sorona izy 11 no nanomboka nisehoan-javatra hafahafa”, hoy pasitera Randriatsarafara Jean Gaston.

Mampanaonao foana ny fahantrana

Tsikaritr’ity mpitandrina ity fa ny ankamaroan’ireo mpianatra dia ireo tovovavy avy any ambanivohitra mipetra-drery sy mandrato fianarana ao Antsirabe avokoa. “Te hanao fiainana izy ireo rehefa nahita ny fiainana an-drenivohitra. Miha lalim-paka rahateo ny fahantrana ka mahavoasarika ireo olona hanao ny tsy fanao”, hoy izy.

Nisy tamin’ireo olona ireo no tonga nanatrika ny fotoam-pivavahana nanamarihana ny “isan-taonan’ny Toby fifohazan’Ambohimahazo”, ny alahady lasa teo saingy nisafidy ny tsy hanoro azy ireo pasitera Randriatsarafara Jean Gaston. “Nangataka ireo fianakaviana ny tsy hamoahana ny mombamomba azy ireo noho ny mety hisian’ny fiantraikany ratsy amin’izany eo anivon’ny fiaraha-monina toy ny fandrabirabina”, hoy izy.

Mivavaka amin’i satana

Pr Raseliharilahatra Georges Audin,mpitandrina ao amin'ny Fjkm katediraly Mahafaly Fahazavana ao Antsirabe

Pr Raseliharilahatra Georges Audin,mpitandrina ao amin'ny Fjkm katediraly Mahafaly Fahazavana ao Antsirabe

« Toy ny fivavahana amin’Andriamanitra dia misy ny antokon’olona mivavaka amin’i satana. Na ny Baiboly aza dia mamoitra izany. Hitoeran-javatra roa mifanohitra ny fiainan’ny olombelona toy ny maizina/mazava, tsara/ratsy… na koa hoe Andriamanitra/satana. Tsy misy ny eo antenantenany”, hoy kosa pasitera Raseliharilahatra Georges Audin, mpitandrina eo anivon’ny Fjkm katediraly Mahafaly Fahazavana ao Antsirabe.

Nampiany fa “araka ny toetoetry ny firenena iray hoe mahantra, manankarena, any ambanivohitra, any an-drenivohitra… no isehoan’ny asan’i satana. Endrika iray amin’ny asany ihany io nipoitra teto Antsirabe io. Tsy vao izao noho izany no niasan’i satana. Ary matoa hita any anaty raki-bolana ny teny hoe ‘satana’ na ny hoe ‘fandraikirekena’ dia misy izany”.

Notsoriny kosa anefa fa ny fanabontsinana sy ny fanitaran-dresaka manodidina izany dia misy ihany koa. “Ary mbola asan’ny maizina ihany koa izany. Ataon’i satana izay mampalaza azy, ataony izay mampihitatra ny fahefany”, hoy izy. Notsipihin’ny pasitera Randriatsarafara Jean Gaston mantsy fa tsy misy afa-tsy ny fanaovana fifanekena amin’i satana ihany no mahatonga ny olona iray ho olon’i satana. “Tsaho avokoa ireny hoe mifampikasoka, na mifampijery na miantso amin’ny finday, na mihinana karazan-tsakafo iray voatondro dia mahalasa ho olon’i satana. Mety ho fomba iray hisarihany sy hakan’ilay olona ho namany ka handreseny lahatra azy hifanaiky amin’i satana ihany ireny”, hoy izy.

gNy fihozongozonan’ny finoana, ny tsy fahamarinan-toeran’ny finoana no mahatonga ireo olona miahotra amin’ireny resabe ireny”, hoy hatrany izy mirahalahy ireto.

Azo iadiana i satana

Razanakolona Paul, lehiben'ny Faritra Vakinankaratra

Razanakolona Paul, lehiben'ny Faritra Vakinankaratra

Nomarihan’iny Pr Randriantsarafara Jean Gaston ihany anefa fa tokony hiompana bebe kokoa amin’ny fanazavana ny tantara, ny fototra ary ny hevitr’ireny zavatra tsy mampitovy hevitra (batisa, fifadian-kanina…) ao anatin’ny Baiboly ireny ireo mpitarika fiangonana mba tsy hampiroroa saina ireo mpino.

Manana anjara andraikitra ihany koa anefa ireo ray aman-dreny eo amin’ny fanatsarana ny fifandraisan’izy ireo amin’ny zanany. “Tokony hifampiresaka sy liana amin’ny zava-miseho eo amin’ny fiainan’ny zanany ireo ray aman-dreny hahafahany miaro sy manoro hevitra azy. Tokony hametraka arofanina amin’ny fijerena fahitalavitra, fikirakirana ny internet, indrindra ny “facebook”, ny fijerena karazana sarimihetsika mihoatra ny tokony ho izy… ka hampihita-tsaina ireo ankizy ihany koa izy ireo”, hoy indray Ranaivoson Yvan, manam-pahaizana amin’ny psykolojian’ny fampianarana .

Tsy mahazo mivoaka alina

Mila fialam-boly ireo tanora

Mila fialam-boly ireo tanora

Manomboka amin’ny 9 ora alina dia tsy misy afaka mivoaka ireo ankizy latsaky ny 18 taona, araka ny fepetra noraisin’ny Faritra Vakinankaratra manoloana ireny resaka momba ny vondrona satanika niely tao Antsirabe ireny. “Heverinay hatao maharitra mihitsy io fepetra io satria tsikaritra fa nihena ihany koa ireo ankizy tsy ampy taona mivoaka alina ka mivaro-tena taorian’io”, hoy Razanakolona Paul, lehiben’ny Faritra Vakinankaratra.

Notsipihan’ireo mponina anefa fa tokony hamoronana fialam-boly ireo tanora satria antony iray mampahazo vahana ireny tsaho ireny ihany koa ny tsy fisian’ny fialam-boly eo Antsirabe. Ho an’ny Lycée André Resampa dia entanina handray anjara amin’ireny fifaninanana ara-panatanjahantena ireny ireo mpianatra.

 Hanitry Ny Aina

HNA/Mamy Maël/Angola Ny Avo

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Fiainana mpanakanto – «Tsy nisakaiza velively tamin’i Jerry Marcoss aho», hoy i Farah John’s

Fiainana mpanakanto – «Tsy nisakaiza velively tamin’i Jerry Marcoss aho», hoy i Farah John’s(0)

MPANDIHY SY MPIHIRA TAO ANATIN’NY TARIKA JERRY MARCOSS NO NAHAFANTARANA AN-DRASOLOFONJATOVO FARAH SAMÜELINE, NA FARAH JOHN’S, TALOHAN’NY NIKOPAHANY ELATRA IRERY TEO AMIN’NY SEHATRY NY MOZIKA. HEHY TSOTRA NO NAMALIANY NY FILAZANA FA NISAKAIZA TAMIN’I JERRY MARCOS IZY. NABORAK’I FARAH JOHN’S FA OLON-TIANY DIA TSY AO ANATIN’NY  TONTOLON’NY MOZIKA MIHITSY. Toy ny ankamaroan’ireo mpanakanto, dia fitiavana mozika hatramin’ny fahakely no nitarika an’i Farah John’s hiditra amin’ny sehatry ny mozika. Efa tao anaty rany ka notohizany tamin’ny fidirana ho mpikambana tao amin’ny antoko mpihira tany Vohemar, nanomboka teo amin’ny faha-8 taonany. Rehefa feno 18 taona izy no niakatra teto an-drenivohitra. Tao anatin’ny faniriany ho mpihira, dia ny zaobaviny, vadin’ny zokiny lahy, no nifankahalala tamin’i Jerry Marcoss ka nampifanatona azy ireo. «Taorian’ny lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ ny tarika Jerry Marcoss, ny taona 2004 no tafiditra tao amin’ny tarika aho», araka ny fitadidian’i Farah John’s. Nialoha izay anefa, efa nanana ny lazany teo amin’ny sehatry ny dihy tany Vohemar ary nivoy karazan-dihy maro tao anatin’ny tarika «Hells Angel’s», izay efa nahafantaran’ny maro azy ihany koa, na tamin’ny andron’ny sekoly na tamin’ireo fety ho an’ny fialan-tsasatra izy. «Tsy maintsy nandihy foana izahay isan’andro tamin’izany fotoana izany», araka ny fitantarany. Izay rahateo no nahatonga azy ho sady mpihira no mpandihy tao amin’ny tarika Jerry Marcoss. Ity farany no nahatsapa ny talentany ka nampirisika an’i Farah John’s hiroso lalindalina amin’ny sehatry ny mozika. Nandeha ny resa-be Nanomboka teo ny resa-be momba ny fiarahan’izy roa ireo. Tsy nahatohina an’i Farah John’s, raha napetraka taminy ny fanontaniana momba io resaka io. Sady nihomehy izy no namaly am-pahatsorana fa “tsy nisy mihitsy ny fisakaizana teo aminy sy i Jerry Marcoss”. “Mpiara-miasa izahay tany am-boalohany.  Noho izy nanoro lalana ahy dia mandray azy ho toy ny raiko aho amin’izao fotoana izao”, hoy ihany izy.

Very saina hatramin’ izao ny renin’ilay zazalahy matin’ny taksibe tetsy Masay

Very saina hatramin’ izao ny renin’ilay zazalahy matin’ny taksibe tetsy Masay(0)

  NILAOZAN’I ANDRY, ZAZALAHY 14 TAONA, NY FIANAKAVIANY VOKATRY NY LOZAM-PIFAMOIVOIZANA NAMONOAN’NY TAKSIBE AZY, TETSY AMIN’NY LALAN’NY FARIHY MASAY, NY SABOTSY TEO. VOA MAFY VOKATR’ITY FAHAFATESAN-JANANY ITY NY RENIN’I ANDRY. NAHAGAGA FA TSY FANAON’ITY ZAZALAHIKELY ITY NY MAKA TRONDRO ETSY MASAY, KANEFA DIA NOHO NY FIHAZAKAZAHANY HAKA ILAY TRONDRO MBA AZONY NO NAMOIZANY NY AINY.

Faran’ny herinandro

Faran’ny herinandro(0)

CLUB NAUTIQUE IVATO «Tafaray samikaka» hiarahan’i Wawa, Vaiavy Chila, Jarifa, Ramora Favori ary Tinah-Ti» Na teo aza ny fahavoazana nahazo azy, dia vonona hiatrika ny fampisehoana izay hiarahany amin’ny mpanakanto maro eny amin’ny Club Nautique Ivato, Ramora Favori. Hotanterahina ny alatsinain’ny Pantekôty izao ny «tafaray samikaka», izay hiarahana amin’i Wawa, Vaiavy Chila, Jarifa ary Tinah-Ti.

Mananara Avaratra – Misy ambadika ny raharaha andramena

Mananara Avaratra – Misy ambadika ny raharaha andramena

Mampiahiahy ny zanak’i Mananara Avaratra ny fihetsiky ny manampahefana sasany, izay toa tsy taitra mahita ny fandripahana sy fanondranana ny andramena. Ny hafa aza dia manararaotra ny zava-misy hangoronan-karena. Ny mponina any an-toerana no mahita ifotony ka mitantara ny tena ao ambadiky ny raharaha andramena    «Zaha-poagna sy atô tsy hita ny fandrobagna boaderôzy aty aminay.

Fotodrafitrasa – Misedra lava ny tsy faham­piana kianja ireo mpanao fanatanjahantena

Fotodrafitrasa – Misedra lava ny tsy faham­piana kianja ireo mpanao fanatanjahantena

Olana sedrain’ny ankamaroan’ny mpikarakara hetsika na fihaonana momba ny fanatanjahantena ankehitriny ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa azo ilalaovana, na an-tanàn-dehibe na eny ambanivohitra. Misy koa ny tsy fahampian’ny fikojakojana azy ireny ary ao koa ireo efa antitra ka tsy azo ilalaovana na tsy manara-penitra intsony. Ahiana tsy hahitam-bahaolana ity tsy fahampian’ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena ity. Matetika ny vola azo kely avy amin’ny fihaonana iraisam-pirenena no hararaotina hanatsarana ny kely ananana. Ekipa vitsy no tsy manofa kianja Azo isaina amin’ny ratsan- tanana ny ekipa tsy manofa kianja hilalaovana, amin’ny taranja rehetra, raha ny eto amintsika no resahina. Miankina amin’ny politika arahin’ny mpitantana ireny fotodrafitrasa ireny matetika ny fahatezan’izy ireny na tsia. Samy hafa koa matetika ny olana atrehan’ ny taranja lalaovin’ olon-tokana sy ny taranja itambaram-be. «Manofa 80 000 ariary isam-bolana ny toerana azonay ilalaovana rugby izahay. Efatra ora isan-kerinandro na adiny roa isaky ny milalao no azonay ampiasana azy ho an’ny kianja fotsiny. Tsy mbola manana toerana manokana na foibe azo ivoriana na azo ikolokoloana hozatra izahay, ankoatra ny olana ara-pitaovana na eo amin’ny rugby na ny kitra», hoy ny mpitantana ekipa iray efa am-polo taona maro nijoroana. «Manofa isam-bolana ny toerana fanaovanay fifanintsanana ara-panatanjahantena izahay, isaky ny sabotsy sy alahady. Olana koa anefa ny fiambenana ny manodidina ny kianja. Misy ireo misompatra, minia mametraka fiara eny an-tsisin’ny kianja, hanelingelenana ny fizotran’ny lalao. Misy mamaky ny baolina ilalaovana raha sendra lasa any amin’ny taniny. Nahita izany izahay na teny Ambohimangakely, na Ambohimanarina, na Fort Duchesne na Andoharanofotsy. Misy aza minia mamefy ny kianja fotsiny noho ny fialonana», hoy Randrianindrina John, mpandrindra fihaonana ara-panatanjahantena eto Antananarivo. Sasatra ny manarina kianja  Ho an’ny Fimita, mpikarakara fihaonana eo amin’ny kitra lalaovin’ olona fito eny amin’ny Boulevard de l’Europe dia asa goavana no miandry azy isan-kerinandro vokatry ny fampiasan’ny fiarakodia vaventy ny toerana ilalaovana. «Voatery mitaona tany izahay hanotofana ny lavadavaka avelan’ireo kamiao lehibe mive­zivezy eo amin’ny kianja, mialohan’ny hilalaovana isan-kerinandro», hoy Gilbert Fanahisoa, ao amin’ny Fimita. Voatery nampiato ny lalao nokarakarainy koa i Tanteliharimalala Annie, hany vehivavy mpandrindra lalao ara-panatanjahantena ho an’ny kitra lalaovin’ olona 11, eny Mahazoarivo atsinanana noho ilay kianja dibo-drano sy feno lavadavaka tamin’ny nandalovan’ny orambe farany teo. Namoaka vola mihitsy izy nanamboarana ilay toerana ka tamin’ny Paska teo vao mba azo nilalaovana sy nanohizana ny fihaonana efa nomanina. Dobo filomanosana sivy Dobo filomanosana sivy ihany no hany azon’ny mpitia fifaninanana lomano 1 000, hanazaran-tena manerana ny Nosy. «Fotodrafitrasa efa niorina tany amin’ny taona 1960 sy 1980 ny ankamaroan’ny dobo filomanosana eto amintsika ka efa tsy manara-penitra ny ankamaroany. Toy ny lalana eto amintsika ihany, atahorana tsy ho azo ampiasaina intsony ny ankamaroany noho ny tsy fahampian’ny fikojakojana, vokatry ny tsy fahampiana ara-bola eo amin’izay mitantana azy», hoy Razafimahatratra Dina, tale teknika nasionaly eo amin’ny taranja  ny tenisy. Ilaharana na efa andoavam-bola aza Ny toerana azo ilalaovana tennis, ohatra dia marobe izy ireny no eo am-pelatanan’olon-tsotra. «Saika natao fitadiavam-bola ireny kianja filalaovana tennis ireny. Misy andoavana saram-pampiasana 700 000 Ariary isan-taona na latsakemboka 100 000 ariary vao azo ampiasaina. Misy klioba mampandefitra ny fanomanana ireo solofo dimbin’ny ala, ka izay manam-bola ihany no mibahan-toerana. Na mandoa volabe aza ny olona, mbola milahatra ela vao mahazo kianja. Izay no mampalaina ny olona amin’ny fanatanjahantena. Ny kianja ao Ankatso, ohatra, noho ny politika narahin’ny mpitantana azy dia saika ny 90% ny sangany eo sasany amin’ny mpitia lalao tennis no novolavolaina tao», hoy Razafima­hatratra Dina. Isaky ny alarobia sy sabotsy amin’ny 12 hatramin’ ny 4 ora, atokan’ny mpitantana ho an’ireo solofo dimbin’ny ala amin’ity taranja ity ny kianja eny amin’ny oniversite Ankatso. Toeram-pianarana lehibe vitsivitsy ihany noho izany no afaka mametraka politikam-pampianarana momba ny  fanatanjahantena ao anatin’ny sekoly misy azy, noho io tsy fahampian’ny fotodrafitrasa io. Taranja roa na telo ihany Any amin’ny firenena sasany dia nisy nifidy nanangana foibe fanazarantena ho an’ny taranja vitsivitsy, izay heveriny fa tokony hatosika toy ny kitra, baskety, rugby, ohatra na kitra, lomano, atletisma. Raha momba ny lomano, ohatra dia tokony hisy dobo filomanosana, efitra fisoloana akanjo, efitra fatorian’ny atleta, toeram-pisakafoanana ho an’izay voafantina hanaraka fiofanana na fanazarantena ny foibe atsangana. «Latsa-danja hatrany ny fikarakarana ny fotodrafitraasa ho an’ny taranja iombonambe raha mitaha amin’ny taranja lalaovin’ olona vitsy , izay mora kokoa ny sara fanorenana na fikarakarana azy. Natsangana, ohatra ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina ary mba mahazo ny vola hihodinana. Mahazo vahana kokoa anefa ny kolontsaina noho ny fanatanjahantena amin’izany», hoy Razafimahatratra Dina. Mampihemotra ny fitiavana fanatanjahantena izay fahasarotan’ny fampiasana fotodrafitrasa izay. Refin’ny kianjana kitra manara-penitra : Kitra lalaovin’olona 11 : 110 x 68 m Kitra lalaovin’olona 9 : 90 x 70 m Kitra lalaovin’olona 7 : 70 x 60 na 50 m Kitra lalaovin’olona 5 na 4 : 35 x 15 m na 45 x 30 m raha misy mpiandry tsatokazo. Refin’ny kianjana baskety : 28 x 15 m amin’ny ankapobeny. Nampitomboin’ny FIBA kely anefa ny habeny tamin’ny 2010. Refin’ny kianjana volley : 18 x 9 m miampy sisiny 3 m. Refin’ny kianjana tennis : 23,77 x 8,23 m. Nangonin’i Barphil Andriantsiferanarivo

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite