Tsy ho ela dia afaka hampiasa ilay laharana maitso 119, fiantsoana ny zandary ireo mpanjifa Telma, vokatry ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny sekreteram-panja-kana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Randrianazary sy ny talen’ny orinasa Telma, Patrick Pisal Hamida, tetsy Alarobia omaly.
« Mbola ao anatin’ny fametrahana ny lamina teknika ny roa tonta amin’izao fotoana izao, nefa inoana fa tsy ho ela intsony dia ho azon’ireo mpanjifa Telma ampiasaina io laharana maitso io », hoy ny nambaran’ny jeneraly Randrianazary.
« Zandary amin’ny distrika 119 no homen’ny Telma finday ampiasana an’io laharana maitso io », hoy ny tatitra azo teo anivon’ny zandarimaria.
Haja R.









0 Fanehoan-kevitra