Subscribe to RSS

Tsitokotoko

FANONDRANANA VOLAMENA
Notapahina teo anivon’ ny filankevitry ny minisitra ny alakamisy teo ny mahakasika ny fividianana sy fivarotana ny volamena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Amin’ ny alalan’ny tolo-bidy no hanaovana izany, ka ny banky foiben’i Madagasikara samy irery ihany no manana ny fahefana feno hikarakara izany.

FIARAMANIDINA VAOVAO
Ho tonga anio eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny fiaramanidina vaovao faharoa Airbus A340-300 an’ny kaompania Air Madagascar. Natao hampitohy an’i Bangkok sy Guangzhou ity fiaramanidina vaovao ity, ka ny 6 jolay ho avy izao no heverina hanaovany ny sidina voalohany ho any Azia. Miisa 275 ireo seza ao anatin’ity fiaramanidina ity, izay mizara amina kilasy telo.

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Fambolena sy fiompiana – «Tokony ho sompitry ny Ranomasimbe  Indianina isika», hoy ny Fivmpama

Fambolena sy fiompiana – «Tokony ho sompitry ny Ranomasimbe Indianina isika», hoy ny Fivmpama

Iankinan’ny ho avin’ny firenena. Notanterahina omaly ary hitohy anio, etsy amin’ ny tokotany malalaky ny Tour Zital, Ankorondrano ny «zaikabe ho an’ny fandraharahana eo amin’ ny sehatry ny fambolena sy fiompiana», karakarain’ ny Fivondronan’ny Mpan- draharaha Malagasy na ny Fivmpama. « Ny fahatsapana ny tsy fisian’ny firindrana sy ny fitrandrahana, araka ny tokony ho izy, ny harena avy amin’ny fambolena sy ny fiompiana misy eto amintsika

Fikarohana – Nampahafantarina ny karazam-bary vaovao ho an’ny sakafo mahasalama

Fikarohana – Nampahafantarina ny karazam-bary vaovao ho an’ny sakafo mahasalama

Tontosa omaly, tetsy amin’ny Hotel Colbert Antani- narenina, ny atrikasa tao anatin’ilay tetikasa fitaratra «voly vary, ho an’ny sakafo ara-pahasalamana». Nisy ny andrana karazam-bary vaovao izay natao tany Anjepy – Manjakandriana, ny volana oktobra 2012, vokatry ny fiaraha-miasan’ ny orinasa Nestlé sy ny ivon-toeram-pikarohana ho an’ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra, ny foibe fikarohana momba ny fambolena (FOFIFA), ny ivon-toeram-pikarohan’ ny Nestlé, any Abidjan (Côte d’Ivoire) ary ireo sekoly ambony samihafa.

Fitrandrahana – Nohamafisina ny sazin’ny Mainland fa tsy mbola vita ny RN5

Fitrandrahana – Nohamafisina ny sazin’ny Mainland fa tsy mbola vita ny RN5

Mihasimba! Tsy misy fivoarana ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-5 mampitohy an’i Toamasina sy Fenoarivo Atsinanana, sahanin’ny kaompania mpitrandraka Mainland ary ao anatin’ny fifanarahany amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany. «Misy fahatarana be ny asa, satria efa hatramin’ny 4 avrily no niato izany. Vao mainka mitombo ny fahasimbana, na dia efa nisy ampahan-dalana sasantsasany nasiam-panam- boarana aza», araka

Fandraharahana ara-bola madinika – Mitaraina amin’ny hetra sy ny sara alain’ny banky ireo mpandraharaha

Fandraharahana ara-bola madinika – Mitaraina amin’ny hetra sy ny sara alain’ny banky ireo mpandraharaha

Manakaiky kokoa ireo olona any ambanivohitra ary manampy azy ireo amin’ny fitantanana ny vola sy amin’ny fanatsarana ny fiainany ireo mpandraharaha amin’ny fampindramam-bola madinika. Misedra olana anefa ankehitriny ity sehatra ity satria mitairana amin’ny hetra sy ny sarany alain’ ireo fandraharahana goavana. “Tsy maintsy any amin’ ireo sehatra ambony ireo mantsy no ametrahana ny volan’ireo mpandraharaha ara-bola madinika araka ny lalàna misy”,

Hetsika bazar chic – Nosembanin-drahon’ny korontana tamin’ny tolotra tabilety 

Hetsika bazar chic – Nosembanin-drahon’ny korontana tamin’ny tolotra tabilety 

Niteraka filaharam-be. Nanamarika ny andiany voalohany tamin’ny hetsika Bazar Chic, tante­rahina etsy amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena etsy Mahamasina, nanomboka omaly ka haharitra hatramin’ ny alahady izao, ny fifandrombahana mba hahazoana ny tabilety na tabbee natolotry ny Orange. Io no azo lazaina fa nanamaloka kely ny andro omaly (Ndlr: vakio lahatsoratra pejy faha-2). Ankoatra ity tolotra ity, karazam-bokatra samihafa ihany koa no hita amin’ity Bazar chic ity, izay ahitana tranoheva 250 miaraka amin’ny fihenam-bidy 15% fara fahakeliny. Vao mangiran-dratsy dia  efa nisy nilahatra mba hahazo ity tabilety natolotr’io orinasa mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fifandraisana io, satria namidy Ar 49 000 ilay fitaovana niaraka tamin’ny fahana «internet» tao anatiny. Nohazavain’Andrianasolo Njaka, Tale Jeneralin’ny FIMA FM (Finance Management for Madagascar) mpikarakara ny hetsika anefa fa misy ny fepetra  amin’ny fahazoan’ny mpanjifa an’izany tolotra izany. Nampiakatra ny isan’ny mpanjifa dika mitovy (photocopie) teny amin’ny manodidina an’i Mahamasina io hetsika tetsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena io. Isan’ny notakiana tamin’ireo mpanjifa mantsy ny dika mitovin’ny karapanondrom-pirenena Tafakatra Ar 200, raha Ar 100 amin’ny mahazatra, ny saran’ny dika mitovy. Faly Ran.

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite