Subscribe to RSS

Tranga mifamahofaho – Tsy hay na resa-bola na rongony no nahavoa anfi Black Nadia

 

Nanazava ny olana nahazo i Black Nadia

Fanazavana tsy mitovy. Nanamafy ny feo nandeha mikasika ny tsy nahatongavany tamin’ireo fampisehoana roa tokony ho nataony teto an-drenivohitra, ny alatsinain’ny Paka lasa teo, ilay mpanakanto Black Nadia.

Fingampingana no fitantarany ny nahatratrarana rongony tao anatinfny fiara nitondra azy ireo avy any Morondava. «Nisy ny fisavan’ny polisy ny entanay rehetra fa tsy nahitana na inona na inona. Nisava ny fiara indray izy avy eo ka toerana iray no tonga dia nalehany ary nahitany ireo fonosana rongony ireo», hoy i Black Nadia, izay nitondra fanazavana tamin’ny mpanao gazety, tetsy amin’ny Motel Anosy, omaly.

Raha ny fanazavan’ity mpanakanto ity ihany dia nisy ny vavolombelona nahita fa olona akaiky azy ihany no nanao ny faminganana tamin’ity raharaha ity. «Tsy afaka ny hanonona anarana aho fa efa misy ny fanadihadiana atao manodidina izany», hoy ihany izy.

Mifanohitra tanteraka amin’izany ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. «Nisy olona nanam-bola tamin’io mpanakanto io tany Morondava. Rehefa niala tany izy ireo dia nampandre ny zandary ilay olona ka tao Ankazomiriotra izy ireo no voasakana omaly (izany hoe ny alatsinainy lasa teo). Nanaraka avy aoriana ilay olona tompom-bola ka rehefa nihaona tao ny roa tonta dia nahay nifanaraka ihany», hoy ny jeneraly Ravalomanana Richard, lehiben’ny Cirgn Antananarivo.

 

Faly Ran/Faralala

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Fetin’ny Reny – Hamaky sehatra eto Antananarivo i Barinjaka sy Nina’s

Fetin’ny Reny – Hamaky sehatra eto Antananarivo i Barinjaka sy Nina’s(0)

Mpanakanto roa samy ho avin’ny mozika mafana. Taorian’ireo seho takariva samihafa, hamaky sehatra eto Antananarivo i Barinjaka sy Nina’s, ao anatin’ilay fampisehoana «Fetin’ny reny goavam-be», izay hotanterahina ny alahady tolakandro izao, etsy amin’ ny kianjan’ny Complexe scolaire Ampefiloha. Sambany izy mianadahy ireto, araka izany, no hiatrika seho an-kalamanjana. Hibahan-toerana ao anatin’ity seho ity, araka izany, ny gadona avy any amin’ny faritra atsimon’ ny Nosy satria raha nahafantarana

Rakikira fah-8 – Hanolotra maimaim-poana ny «Maha-domelina» i Samoëla

Rakikira fah-8 – Hanolotra maimaim-poana ny «Maha-domelina» i Samoëla(0)

Mpanakanto fantatra eo amin’ ny tontolon’ny vazo miteny. Miainga any indray ny rakikira fahavalo novokarin’i Samoëla ary hatolony maimaim-poana ireo mpankafy ny «Maha- domelina». Mandritra ny seho izay hotanterahina, amin’ny sabotsy izao, etsy amin’ny kianja malalaky ny Esca Antanimena no hitondrany an-tsehatra ireo hira 10 voarakitra ao anatiny. «Lohahevitra no entinay ao anatin’ny rakikira vaovao

« Découverte RFI 2012″ – Hanolotra seho tokana  eto Madagasikara i Elmotho

« Découverte RFI 2012″ – Hanolotra seho tokana eto Madagasikara i Elmotho(0)

Tafiditra ao anatin’ny fitetezana firenena maro. Hanolotra seho tokana eto amintsika i Elmotho, mpanakanto avy any Namibie, izay nandrombaka ny loka tamin’ny fifaninanana «Découvertes Rfi-France 24», tamin’ny 2012. Efa hatramin’ny ela no nitondra ny zava-kantony ivelan’ny firenena niaviany i Elmotho ary ny nahazoany io loka io dia efa sehatra iray hitondrany ny zavakanto ho an’i Afrika, izay voaresany matetika ao anatin’ny

« Herinandron’ny kolontsaina » – Voaporofo ny fahasamihafana  isam-paritra sy ny firenena

« Herinandron’ny kolontsaina » – Voaporofo ny fahasamihafana isam-paritra sy ny firenena(0)

Tafiditra tao anatin’ ilay hetsika, «Herinandro ho an’ny kolontsaina». Nankalazaina omaly ny andro iraisam-pirenena  ho an’ny kolontsaina maro lafy. Nankalazaina tamin’ny alalan’ny seho sy fampirantiana samihafa tetsy amin’ny La City, Ankorondrano io andro io, ka nanehoana ny fahasamihafana eo amin’ ireo kolontsain’ny faritra eto Madagasikara an-daniny ary ny fahasamihafana avy amin’ireo firenen-tsamihafa an-kilany. Nasehon’ireo tranoheva maromaro ny mampiavaka ny kolontsaina isam-paritra eto Madagasikara, ka nisongadina tamin’izany ireo fomba fitafy sy ny taovolo isaky ny faritra na isaky ny foko. Masoivoho vahiny maromaro ihany koa

Tapatapany

Tapatapany(0)

FISARIHANA Finday avo lenta no ho azon’izay tsara vintana mandritra ny fisarihana hotanterahin’ny banky Bni, mandritra ny foara iraisam-pirenena tanterahina, etsy amin’ny Parc des expositions Forello Tanjombato, ny alakamisy 23 ka hatramin’ny alahady 26 mey ho avy izao. Ny alahady hariva amin’ny 4 ora sy sasany no hanaovana ny fisarihana ka ireo telo voalohany tsara vintana no hahazo amin’izany.

Hijery hafa

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite