Sarona tao amin’ny Lycée André Resampa, Antsirabe ny tovolahy iray nisandoka ho mpiadina ny fanadinana Bakalorea, omaly maraina. Tonga tao amin’ny efitranom-panadinana toy ireo mpiadina rehetra izy. Nandray laza adina ary efa nahafeno pejy iray tamin’ny taratasim-panadinana. Vao nanomboka nanao fanaraha-maso ireo mpiadina isaky ny efitrano ny tompon’andraikitra dia mody niera nivoaka ity tovolahy ity, ka tsy niverina intsony.
« Rehefa nojerena ny taratasy fiantsoana teo amin’ny toerany, dia anaram-behivavy no tao. Ny antontan-taratasy rehetra momba azy tao amin’ilay fiantsona koa nanamafy fa tovovavy no tokony niatrika ny fanadinana. Nisy taratasy feno hala-tahaka koa ny entan’ity tovolahy ity », hoy ny tompon’andraikitra tao amin’ny foibem-panadinana.
Fantatra ny laharan’ny findain’ilay vehivavy, taorian’ny fikarohana izay tokony hiatrika fanadinana. Nantsoin’ny tompon’andraikitra izy, ka raha vao nilaza taminy ny tokony hankanesany any amin’ity tobim-panadinana ity ilay niantso azy dia notapahany ny antso.
Nisy mpiadina iray koa narary tao anaty efitrano fanadinana, tao amin’ny Ceg Soamalaza Antsirabe, ka tsy afaka nanohy ny fanadinana, omaly tolakandro.
Mahatratra 7782 ny isan’ireo mpiadina ity fanadinana ity, ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Mizara amina tobim-panadinana 10 izy ireo. Ny sokajy A2 no maro an’isa indrindra : 5087.
Ny sokajy C miisa 454 kosa no ambany indrindra.
Angola Ny Avo/B.A








0 Fanehoan-kevitra