Subscribe to RSS

Torohevitra ara-pahasalamana

Tsy dia voan’ny homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranon-jaza ireo reny mampinono

Ranoviniarisoa Hanitriniaina, nisafidy hatrany ny fampinonoan-dreny

Ranoviniarisoa Hanitriniaina, nisafidy hatrany ny fampinonoan-dreny

Nojerentsika tamin’iny herinandro lasa iny ny tombony ara-pahasalamana ho an’ny zaza amin’ny tsy fihinanana afa-tsy ny nonon-dreny, ao anatin’ny enim-bolana voalohany aorian’ny ahaterahany.

Tsara ho fantatra anefa fa tsy ny zaza ihany no mahazo tombony amin’izany satria na ho an’ny reny aza dia maro ireo soa azo amin’ny fanomezana nonon-dreny ny zaza raha tsy hilaza afa-tsy ny fahamoran’ny fivoahan’ny ahitra raha toa ka omena nono avy hatrany ny zaza vao teraka.

Mampihena ny fahaverezan-dra be loatra ihany koa ny fampinonoana ny zaza ary manampy betsaka amin’ny famerenana ny haben’ny tranon-jaza amin’ny laoniny.

Fanabeazana aizana

«Raha toa ka mbola tsy miverina ny fadim-bolan’ny reny mampinono ao anatin’ny enim-bolana voalohany ahaterahan’ny zaza ka nonon-dreny ihany no omen’ilay reny ny zanany dia voaaro hatrany amin’ny 98% amin’ny vohoka izy ao anatin’izay vanim-potoana izay. Manampy betsaka amin’ny tsy fahampian’ny vy ao anatin’ ny ra araka izany ny fanomezana nonon-dreny ny zaza noho ny fihenan’ny ra very eo am-piterahana sy ny fitohanan’ny fahatongavan’ny fadim-bolana», hoy ny eo anivon’ny Ofisim-pirenena misahana ny fanjarian-tsakafo (Onn).

Tsy vitan’izay satria mihena ihany koa ny risika hampahatratra ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny homamiadan’ny nono ho an’ireo reny mampinono.

Tsara homarihina ihany koa fa manana fotoana hanaovana zavatra hafa kokoa ny reny mampinono mandritra ny tontolo androny raha tsy manome afa-tsy nonon-dreny ny zanany ao anatin’io enim-bolana io. «Tonga dia vonona satria tsy mila fikarakarana toy ny sakafo hafa ny nonon-dreny. Mampisy fifandraisana am-po bebe kokoa ihany koa eo amin’ny reny sy ny zaza amin’ny alalan’ny fanomezana nonon-dreny», hoy ny Onn.

Mety hisy ihany anefa tranga maneho fa tsy tokony hanome nonon-dreny ny zanany ny reny. «Ny mahatonga izany amin’ny ankapobeny dia tsy ahazoana tombony kokoa ny fanomezana ronono hafa atao solony noho ny nonon-dreny. Ireo mpitsabo ihany anefa no manapaka izany», hoy hatrany ny Onn.

Hanitry Ny Aina

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Raim-pianakaviana voan’ny drépanocytose – Ratra tsy sitrana  nandritra ny dimy taona nahatonga fahatapahana lalan-dra 

Raim-pianakaviana voan’ny drépanocytose – Ratra tsy sitrana  nandritra ny dimy taona nahatonga fahatapahana lalan-dra (0)

Velona ihany saingy sahirana. Voasokajy ho isan’ny aretina tsy ahitana fanasitranana ny aretina « drépanocytose » na ny aretin’ny ra, raha ny nambaran’ireo mpitsabo. Isan’ny mitondra takaitra vokatr’izany ny raim-pianakaviana iray, Andriamaharintsoa Pierrot, tratran’ny aretina hatramin’ny nahaterahany. « Ny raiko no voan’ny aretina ary namindra tamiko sy ny zokiko. Ilay zokiko anefa no tena nahery ny nahazo azy satria nitarika tamin’ny fahafatesany teo amin’ny fahenin-taonany ilay aretina. Somary malefaka kosa ny aretina tamiko nefa na izany aza nampitondra takaitra ahy noho izy niafara tamin’ny fahatapahan’ny lalan-drako », hoy i Pierrot, tetsy amin’ny hopitaly Ravoahangy Andriana­valona (Hjra) Ampefiloha, omaly, nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena momba ity aretina ity. Sahirana amin’ny halafon’ny fanafody ihany koa ireo marary.  »Soa fa misy ny fikambanana miahy LCDMF, ary tsy misy hafa tsy Ar 1 000 isam-bolana no aloanay marary. Volabe kosa anefa no efa lany talohan’ny nidirana ho mpikambana tao amin’io fikambanana io », hoy Pierrot. Manaintaina Ankoatra ny takaitran’ny fahatapahana lalan-dra dia ahitana ratra tsy mety sitrana ihany koa eo amin’ny tongony, izay vokatry ny aretina avokoa.  »Efa dimy taona izay no nitsaboana azy io saingy tsy mety sitrana hatramin’izao. Faritra nangidihidy no niantombohany », hoy izy mitantara sady hita ho ha­tsatra ny tarehiny ary maina sy somary mavomavo ny molony. Ireo toe-batana farany ireo no tena ahafantarana ny olona voan’ny aretina, raha ny nambaran’ny mpitsabo hatrany.  »Tsy dia mikoriana firy ny ra vokatr’ ilay aretina ka mahatonga ny olona hatratra sy mavomavo. Ilay sela mena no tratran’ny aretina ary miova endrika ka tsy mahavita ny asany intsony », hoy ny famaritan’ny Dr Andriambololoniana Herizo, mpitsabo manokana ity aretina ity. Ny andro mangatsiaka toa izao no nambaran’ity farany fa tena mampihetsika ny aretina “drépanocytose”.  »Tsy mahavita na inona na inona mihitsy rehefa tena marary satria manaintaina daholo ny vatana iray manontolo. Tena faran’izay marary, manako­tsako ny vatana rehetra rehefa mihetsika ilay izy sady mahatsairo reraka be », hoy ny fitantaran’i Pierrot. Tsy afaka miasa Tsy afaka manao asa na zavatra mandrera-batana i Pierrot noho io aretina mahazo azy io.  »Na ny fianarana aza tsy mba afaka nandalina aho satria tamin’ny fotoana nanaovana fanadinana ofisialy no nihetsika tampoka ny aretina dia tsy afaka nanohy intsony. Nanao varotra hani-masaka izahay mivady saingy rehefa tratran’ny fahatapahana lalan-dra dia tsy afaka nanohy intsony », hoy izy. Tsy nahakivy an’i Pierrot anefa ny aretina nahazo azy satria dia manam-bady ara-dalàna ny lehilahy. Niteraka mianadahy ihany koa izy saingy soa fa tsy nisy voan’ny aretina ireo zanany taorian’ny fitiliana nataon’izy ireo. « Fanafody manala fanaintanana sy fisotroana rano betsaka ary fanaovana mafana ihany no azo atao amin’ny marary », araka ny nambaran’ny mpitsabo. Mahalany rano hatramin’ny telo litatra isan’andro i Pierrot, raha ny nambarany. Maty latsaky ny 5 taona Ny 10%-n’ny Malagasy no fantatra fa efa voan’ ity aretin’ny ra ity.  »Manaranaka fa tsy mifindra ny aretina, ary ny 50%-n’ny zaza marary no maty ka tsy tody amin’ny fahadimy taonany. Tokony manao fitiliana ra hatrany ny olona mba hahafantarana ny toe-batany. Raha vao miseho kosa ireto fambara ireto dia tokony hanantona mpitsabo avy hatrany: hatsatra, mavo maso na tarehy, ahitana fivontosana eo amin’ny havian’ny kibo, ary mahatsiaro manaintaina lava », hoy hatrany Dr Andriambololoniaina Herizo. Tany Manakara no nanaovana ny hetsika nanamarihana ny ady amin’ny aretina “drépanocytose”, omaly.  »Any amin’iny faritra Atsimo Atsinanana iny no tena ahitana tahan’ny olona betsaka voany, izay mahatratra hatramin’ny 30%-n’ny olona », raha ny nambaran’ny avy amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nangonin’i Lilia Rajaonah

Ray aman-dReny namoy zanaka 2 tona – «Mbola ankamantatra aminay ny fomba nahafaty an’i Tahiana»

Ray aman-dReny namoy zanaka 2 tona – «Mbola ankamantatra aminay ny fomba nahafaty an’i Tahiana»(0)

Enim-bolana aty aoriana, mbola hita soritra eny amin’ny endriky ny ray aman-drenin-dRafearivo Nomenjanahary Tahiana, na i Tahiana, zazalahy kely 2 taona sy tapany nonina teny Andranomahitsy Ambohitrimanjaka, ny alahelo noho ny fandaozan’ity zanany tokany ity azy ireo tampoka. Mbola mipetraka ho ankamantatra ho azy ireo ny fomba nahafatesan’ity zaza ity. Maizina tamin’izy ireo ny andron’ny

Lahatry ny fiainana – Sambany no noesoriny ny peratra mariazy  teny an-tanany 

Lahatry ny fiainana – Sambany no noesoriny ny peratra mariazy  teny an-tanany 

SOMPATRA TOKOA NY FIAINANA. VOADONAN’NY MOTO KA MATY TSY TRA-DRANO TETSY AMBOAROY-AMBOHIJANAHARY I LIVA NA RAKOTONDRABE LIVANIRINA SYLVAIN, RAIM-PIANAKAVIANA 31 TAONA.S AMBANY TAMIN’NY ALATSINAINY HERINY LASA TEO, NOESORIN’I LIVA NY PERATRA MARIAZY TENY AN-TANANY, NANDRITRA IZAY ROA TAONA NIVADIAN’IZY IREO. TSY ILAY PERATRA IRERY ANEFA NO NIALA TENY AN-TANANY FA IZY MIHITSY NO NANDAO NY

Hazan-dranomasina – Mety hamono ny fihinanana geba sy lamatra ary antsantsa

Hazan-dranomasina – Mety hamono ny fihinanana geba sy lamatra ary antsantsa

Olona iray indray no maty avy nihinana voalavorano tany Sainte Marie, ny alatsinainy 10 jona lasa teo. Olona 316 no narary nihinana geba na “sardines” tany Toliara tamin’ny avrily 2011, ka olona 16 no maty. Trangana fahapoizinana ara-tsakafo, azo avy amin’ny fihinanana hazan-dranomasina, no nitarika ny fanaovana izao famakafakana izao. Ny jono, izay asa iray nihazakazahan’ny olona an’arivony maro very asa tao anatin’ity krizy lalovan’ny firenena ity, indrindra ny jono an-dranomasina. Ahoana no tena fipetrak’izy ity eto amintsika ? Efa hatramin’ny taona 1960 Lomotra poizina. Nanomboka tany amin’ny taona 1960 no nahitana fa misy fotoana, mety mamono ny olona mihinana azy ireo karazan-trondro sasany, amin’ny hazan-dranomasina, araka ny fandinihina nataon’ny mpikaroka. “Misy karazana lomotra (algue) maniry any anaty ranomasina, hanin’ny trondro. Mamony izy io rehefa miakatra manodidina ny 30° ny hafanana. Hanin’ny trondro io lomotra io. Velona, tsy maninona ny trondro, saingy tsy zakan’ny olombelona kosa izy io fa poizina mety hahafaty azy, indrindra raha tsy nodiovina tsara ilay trondro”, hoy Razafindrajery Tantely, talen’ny Jono sy ny harena an-dranomasina. Ranomasina manopy mena Mora fantatra ary efa fantatry ny ankamaroan’ny mpanjono ny fisian’io fanirian’ny vonin’ny lomotra io, raha vao mijery fotsiny ny lokon’ny ranomasina. Manopy mena ny lokon’ny ranomasina amin’izany. “Misy didim-panjakana avoakan’ny sampan-draharaham-paritry ny Jono mametra ny fotoana azo anjonoana. Miovaova arakaraka ny faritra io didy io. Tsy maintsy tsinjovina koa ny maha fidiram-bolan’ny tokantrano an-tapitrisany ny jono eto amin’ny firenena. Fantatry ny mpanjono io vanim-potoana tsy tokony hanjonoana ny  karazan-trondro sasany toy ny geba na lamatra io. Amin’ny faritra sasany, dia natao hiarovana ny trondro tsy ho lany taranaka, mba hahazoany manatody no anton’ny famerana ny fotoana tsy azo anjonoana”, hoy ihany ny talen’ny Jono. Na trondro maina aza Ho an’ny mponina any amorontsiraka, indrindra fa ny manodidina an’i Toliara,dia sakafo fihinana intelo isan’andro ny trondro noho ny fahamoràny. Anisan’ny tena ankafiziny ny geba, izay “sardine” na “sardinelle” no anarany. Trondro madinika, matsiro sy mora endasina ka be mpitia izy io. “Tokony hitandrina ny mpanjifa amin’ny fotoana voarara ny fanjonoana ireo karazan-trondro toy ny geba sy lamatra, ny oramena sy soka-dranomasina na antsantsa koa amin’ny faritra sasany. Na dia trondro maina aza izy ireny, mbola mety hahafaty. Tsy matin’ny nahandro na ny fametrahana azy anaty vata fampanga­tsiahana ny herin’ny poizina ao amin’ilay trondro”, hoy ny Dr Razafindramonjy Jean, talen’ ny Sampan-draharaha manara-maso ny kalitaon’ny sakafo na Acsqda. Mitety ireo tanànan’ny mpanjono mihitsy ny teknisianina avy ao amin’ny Acsqda, manentana sy manoro ny maha zava-doza ny fanjonoana ireo karazan-trondro mety mihinana lomotra misy poizina ireo. Araka ny fanazavana ihany, dia mora fantatra ny trondro nihinana poizina fa mivoaka faroratra ny vavany. “Tokony hanao andrana ny mpanjono mialoha ny hivarotany ny hazany: omena ny alika na ny saka ny atin’ilay trondro. Mandavan-taona,dia tsy tokony hohanina mihitsy ny loha sy taova amin’ny antsantsa”, hoy ny Dr Razafidramonjy Jean. Fiovan’ny toetr’andro Mitombo be ny lomotra azon’ny trondro hohanina any ambany ranomasina any rehefa miakatra ny hafanana. Midina any ambany any mihinana azy ny trondro. Rehefa mangatsiaka kosa,dia mitady hafanana ny trondro ka miakatra amin’ny faritra ambony. Efa tsy mamony intsony koa ireo lomotra, izay poizina. “Anisan’ny nateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro ny tranga niseho ny volana avrily 2011 tany Toliara ka namono olona 16. Tara hatrany amin’ny volana avrily ny fiakaran’ny hafanan’ny ranomasina ka nitera-doza ny fihinanana geba. Anisan’ny mety mitondra poizina koa ny karazan-trondro antsoina hoe Tsombaiake na “poisson globe” any Toliara  na bontana any Manakara, ny akiho amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy manontolo. Mety mitera-doza koa ny “moules” sy ny soka-dranomasina, izay biby arovana rahateo eto amintsika ka tsy tokony hohanina”, hoy ny Dr Rajemiarimoelisoa Miraho Felaniaina, tompon’  andraikitra momba ny aretina avy amin’ny sakafo ao amin’ny Acsqda. Anisan’ny poizina hohanin’ny trondro koa ireo diky ataon’ny olona sasany eny amoron-dranomasina. Izay no maha zava-dehibe ny fananganana lavapiringa ho fiarovana ny fahasalaman’ny olombelona. Mila fahadiovana Zava-dehibe eo amin’ny fitaterana ireny hazan-dranomasina ireny any amin’ny tsena ny fiarovana azy amin’ny loto. Zava-dehibe koa ny fitanana azy anaty toerana mangatsiaka. Otrikaretina tsy hita maso no mety mitera-doza eo amin’ny fahasalaman’ny olona mihinana azy. “Tsy tokony ho varimbariana ny manam-pahefana amin’ireny faritra mpamokatra hazan-dranomasina sy trondro an-dranomamy ireny. Tokony hofadiana ny mihinana ny lohan-trondro sy ny taova rehetra ao anatiny. Ary tsy tokony hamidy mihi­tsy raha toa efa manomboka lo”, hoy ihany ny dokotera ao amin’ny Acsqda. Nangonin’i Barphil Andriantsiferanarivo

Fiainana mpanakanto – Tsy hita ela i Tovo J’Hay, fa mbola niteraka aloha!

Fiainana mpanakanto – Tsy hita ela i Tovo J’Hay, fa mbola niteraka aloha!

TSY NAMOAKA HIRA VAOVAO ARY TSY TAZANA FIRY TAMIN’NY FAMPISEHOANA I TOVO J’HAY, NANOMBOKA NY TAONA 2009. FOTOANA IZAY NANOKANANY NY ANKAMAROAN’NY FOTOANANY HO AN’NY FIANAKAVIANY. TAO ANATIN’IZANY NO NAHATERAHAN’I KEYO, ZANANY FAHATELO IZAY VAO EFA-BOLANA ANKEHITRINY. AORIAN’NY FIVERENANY AVY ANY ANDAFY, DIA HIVERINA KOKOA AMIN’NY SEHATRY NY MOZIKA IZY ARY HANOLOTRA HIRA SY RAKIKIRA

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite