
Fomba mahazatra sarotra ialana. Zatra manao tsianjery ny lesona rehetra nianarany ny ankamaroan’ny mpianatra. Maro amin’ny mpampianatra sy ny tompon’andraikitra ara-pedagojika anefa no nanoro hevitra fa tsy tsara izany manao tsianjery izany. « Mampihena ny herin’ny fitadidiana ny fanaovana tsianjery ny lesona satria feno loatra ary miasa mafy loatra ny fitadidiana », hoy ny tompon’andraikitra pedagojika iray.
« Raha vao miova kely fotsiny ny firafitry ny fanontaniana na misy teny iray adino noho ny hamaroan’ny lesona hianarana tsianjery dia diso ny valin-tenin’ilay mpianatra », hoy kosa Raharinoro Fidèle, mpampianatra kilasy famaranana.
Atao hira
Ny fahazoana ny lesona, atao araka ny lojika, no tena vahaolana araka ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpampianatra. Ankoatra izay dia zava-dehibe ihany koa ny fanaovana fampiharana na fanazarana matetika mba hahazoana tsara ny lesona rehetra mbola tsy hay. Maro amin’ireo mpampianatra mihitsy aza no nanoro hevitra fa manampy be amin’ny fitadidiana ny lesona ihany koa ny fanaovana izany an-kira na avadika ho hira.
« Rehefa hira matetika dia mora amin’ny ankizy ny mandray azy. Ny lesona ihany koa anefa azo atao tononkira », hoy hatrany ireo mpampianatra.
Azo atao ihany koa ny manao fanamarihana madinika mba ahamora ny fitadidiana. Ohatra ny famantarana ny kely sy ny lehibe (< sy >) izay mbola manahirana ny maro, ka izay tondroin’ilay maranitra iny foana no kely.
Tsy tsara manonona lesona be fahatany koa ny mpampianatra fa ampitaina amin’ny alalan’ny fanazavana mafonja fotsiny dia mety.
Lilia Rajaonah








0 Fanehoan-kevitra