Mbola betsaka no tsy ara-dalàna. Nitombo ny tsy firaharahiana ny zon’ny mpiasa hatramin’ny nisian’ ny krizy teto amintsika. « Fitarainana manodidina ny 30 ka hatramin’ny 85 isam-bolana eo no voarainay vokatry ny fandroahana tsy ara-dalàna », araka ny antontan’isa nomen-dRakotomaharavo Julio, tompon’andraikitra voalohany momba ny mpiasa eto Antananarivo ao amin’ny Firaisamben’ny Sendikan’ ny Mpiasa Malagasy Revolisionera (Fisemare).
Mety mbola mitombo aza io tarehimarika io satria ireo mpikambana ao amin’ny sendika ihany no naharaisana ireo fitarainana ireo, hoy ihany ireo mpitarika ity sendika ity, izay mikarakara varavarana misokatra noho ny faha-35 taonany etsy Ankadifotsy nanomboka omaly.
Mitaraina amin’ny sendika ireo mpiasa,ka izy no mitondra ny raharaha eny anivon’ny inspektera misahana ny asa. Miravona sy mivaly eny anivony avokoa ny 30%-n’ny fitarainana. Ny 60%-n’ny fitarainana kosa no mbola mandeha eny anivon’ny Fitsarana amin’izao fotoana izao.
LR










0 Fanehoan-kevitra