Subscribe to RSS

Tontolo iainana – Orinasa sinoa roa nahazo taratasy fampitandremana

Vao tamin'ity herinandro ity no nahitana famoahana rano malotona orinasa tetsy Andravoahangy

Tsy fanajana ny bokin’andraikitra. Orinasa sinoa roa, fanamboaran-damba eny Ivato no hita tamin’ny fitsirihana fanaon’ny ofisim-pirenena momba ny tontolo iainana (One) fa tsy nanaraka ny fenitra mahakasika ny tontolo iainana. Samy nahazo fampitandremana izy ireo tamin’ny herinandro teo. «Taratasy fampahatsiahivana noho izy ireo tsy mampiasa ny dobo fikirakirana ny rano maloto avy nampiasaina no natao», hoy Ravoninjatovo Andry, lehiben’ny sampan-draharaha fanaraha-maso ny drafi-pitantanana ara-tontolo iainana eo anivon’ny One.

Nomena iray volana ireto orinasa ireto, hanarenany io tsy fanaraham-penitra io. « Raha tsy tanterahany izany dia miditra amin’ny fampiatoana ny fananany ny fahazoan-dalana ara-tontolo iainana ny One. Ny minisitera tompomarika indray avy eo no mandray ny fanapahan-kevitra hanakatona na tsia ny orinasa », hoy ny fanampim-panazavana.

Voalaza fa nanarina haingana ny lesoka aloha hatramin’izao ireo orinasa hafa, sendra ny tranga toy izao, raha ny fanamarihan’ny avy eo anivon’ny One hatrany, saingy andrasana ny hataon’ireto orinasa ireto. « Miteraka aretin’ny taovam-pisefoana, toy ny kohaka sy ny fahasemporana ny fiparitahan’ny rano maloto misy akora simika avy amin’ny orinasa toy izao, arakaraka ilay akora », hoy kosa ny fanazavan’ny mpitsabo.

Monica Rasoloarison

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Herinandron’ny ati-vava – Mety hahafaty ireo ankizy madinika ny areti-nify

Herinandron’ny ati-vava – Mety hahafaty ireo ankizy madinika ny areti-nify(0)

Tsy tokony hatao tsinontsinona. Matetika no sokajian’ny olona ho toy ny aretina madinika ny aretin’ny ati-vava sy ny areti-nify. Isan’ny aretina mety hahafaty haingana, indrindra ho an’ireo ankizy madinika anefa ity aretina ity. Nivoitra izany omaly nandritra ny fankalazana ny herinandrom-pirenena momba ny fahasalaman’ny ati-vava sy ny nify, natao tany Imerin’Imady, distrikan’Ambositra. “Betsaka sady maro

Fanadinana BEPC – Hanomboka amin’ny 27 mey ny adina ara-panatanjahantena

Fanadinana BEPC – Hanomboka amin’ny 27 mey ny adina ara-panatanjahantena

Tokony efa hiomana amin’ny fiatrehana ny fanadinana ara-panatanjahantena ireo mpiadina Bepc. Hanomboka amin’ny alatsinainy 27 mey ka hatramin’ny 30 mey ny anjaran’izy ireo. Hitohy ny alatsinainy 3 jona izany ka hatramin’ny 7 jona. Hitsinjara amina kianja telo ireo mpiadina manodidina ny 27 000 araka ny vaovao avy amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo reni- vohitra, dia ny kianjan’i

Fifamoivoizana an-drenivohitra – Taratasina fiara miisa 500   nogiazana tao anatin’ny 45 andro

Fifamoivoizana an-drenivohitra – Taratasina fiara miisa 500 nogiazana tao anatin’ny 45 andro

Tsy manara-dalàna daholo. Ahitana tsy fanarahan-dalàna hatrany eo amin’ireo fiara mifamezivezy eto an-drenivohitra. Tsy ny taksibe sy ny fiarakaretsaka ihany no manao izany fa eo ihany koa ny fiaran’olon-tsotra. « Nahatratra 500 ny taratasina fiara notanana nanomboka tamin’ny volana avrily ka hatramin’izao. Tsy fijanonan’ny taksibe amin’ny toeram-piantsonana no tena betsaka amin’ireo. Eo ihany koa ny hadisoan’ny

Fetin’ny Pantekosta – Ho tsara sady hafana ny faran’ny herinandro

Fetin’ny Pantekosta – Ho tsara sady hafana ny faran’ny herinandro

Tsara andro. Hilamina indray ireo manana fikasana hitsangantsangana mandritra ny fetin’ny Pantekosta. Hanomboka hafana indray mantsy ny andro ary hisinda ihany koa ny erika, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr’andro. “Hiova hiakatra kely indray ny mari-pana manomboka rahampitso. Mety haharitra eo amin’ny efatra andro eo izany hafanana izany ka hiverina amin’ny volon’ andro mangatsiaka kely avy eo. Tsy hisy ihany koa ny erika noho ny fisindan’ny rivotra mangatsiaka avy amin’ ny tsioka atsimo. Mbola ao anatin’ny vaninandro

Hopitaly Ambohimiandra – Zaza marary mafy mila famonjena

Hopitaly Ambohimiandra – Zaza marary mafy mila famonjena

Mila vonjy maika. Marary mafy ka mila fanafody mitentina Ar 460 000 isan’ andro ny zazavavi-kely iray vao 13 taona, Razafi- mahefa Mendrika Nirinasoa, avy eny Imerimanjaka, Ambohijanaka, izay tsaboina eny amin’ny hopitaly Ambohimiandra. Tratran’ny aretina sarotra sitranina amin’ny havokavoka izy. Very 10 kilao ity zazavavy ity, hatramin’ny naharariany. Fitiliana tamin’ny scanner no nahitana fa simban’ny otrikaretina ireo “alvéoles” amin’ny ilan-tratrany havanana. “18 andro no efa notsaboina ety

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite