Subscribe to RSS

« Telma coupe de mada » – Lalao 32 hotontosaina manerana ny Nosy

Amin’ny faran’ny herinandro izao no hanomboka ny fifanintsanana

Amin’ny faran’ny herinandro izao no hanomboka ny fifanintsanana

Hotontosaina amin’izao faran’ny herinandro izao, ny 1/32-n-dalana ho an’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, izay hidiran’ireo ekipa tsy nandray anjara tamin’ny lalao savaranonando amin’izay.

Kianja roa no hampiasain’ny ligin’Analamanga handraisana ireo lalao valo voatendry hotontosaina eo amin’ny faritra misy azy amin’izany. Ankoatra an’Analamanga dia samy hampiantrano lalao avokoa ireo faritra maro manerana ny Nosy. Lalao 32 no handeha amin’io faran’ny herinandro io.

Isan’ny andrasana eto Antananarivo ny fihaonana eo amin’ny Japan Actuel’s sy ny Hezami, izay efa niseho teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ Analamanga, ka nahatafavoaka ho mpandresy hatrany ny ekipan’i Manjakaray. Hamarana ny tontolo andron’ ny zoma eny Bevalala izany. Toy izany ihany koa ny fihaonana eo amin’ny IFC sy ny AS Andry avy any Bongolava, izay horaisin’ny kianjan’Alarobia, amin’ ny sabotsy. Ny Tana Formation sy ny Espoir Tana kosa no lalao sangany amin’ny alahady izao eny amin’ny kianjan’Alarobia.

R.A

Fandaharam-potoana

Zoma 6 jolay 2012 (Bevalala)
12 ora 30: Cospn # Dartline
2 ora 30: Japan # Hezami
Sabotsy 7 jolay 2012 (Alarobia)
10 ora 30: AS Saint Michel # CFSL Santos Bevalala
12 ora 30: Cosfa # Galactic FSA
2 ora 30: IFC # AS Andry
Alahady 8 jolay 2012 (Alarobia)
10 ora 30: Ajesaia # Fanilo
12 ora 30: Adema # FCAZ Analamanga
2 ora 30 : Tana FC # Espoir Tana

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Rugby « TYop 14″ – Hiady hitarika vonjimaika  ny IRC sy Cosfa

Rugby « TYop 14″ – Hiady hitarika vonjimaika ny IRC sy Cosfa(0)

Hanamarika ny andro fahatelo ho an’ny  fiadiana ny ho tompondakan’ Analamanga, eo amin’ny baolina lavalava, diviziona voalohany ny fifandonana eo amin’ny ekipan’ny tanànan’Antananarivo sy ny miaramila. Izy ireo amin’izao fotoana izao no mitarika vonjimaika eo amin’ireo fileovana 14 mandray anjara amin’ity “top 14” Analamanga ity. Taorian’ny andro faharoa dia nanana isa sivy ny Iarivo Rugby Club, izay arahin’ny Cosfa akaiky amin’ny alalan’ny isa

Baolina kitra Analamanga – Hiato roa herinandro ny fifaninanan’ny “Ligue 1”

Baolina kitra Analamanga – Hiato roa herinandro ny fifaninanan’ny “Ligue 1”(0)

“Tsy mety intsony amin’izao ny tsy hampiarahana ireo lalao eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ Analamanga ho an’ny diviziona voalohany. Isan’ny antony nampiatoana roa herinandro ny fifaninanana izany”, hoy i Henintsoa Rakotoarimanana na i Tôta, filohan’ny ligin’Analamanga ho an’ny baolina kitra. Etsy an-danin’izany ihany koa ny tsy maha eto an-toerana ny Tana Formation, izay miatrika ny lalao famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ranomasimbe Indianina. Hotontosaina any Seychelles

Handisport – Teknisiana 15  niverina an-dakilasy

Handisport – Teknisiana 15 niverina an-dakilasy(0)

Mpitantana ara-panatanjahantena 15 (Malagasy valo, Kaomôriana telo, Seiseloa roa ary Maorisiana) no mandray anjara amin’ ny fiofanana natokana ho an’ireo teknisiana misahana ny atleta manana faha- sembanana eny amin’ny ANS Ampefiloha nanomboka ny alarobia teo. Miompana amin’ny fampivelarana ny fampiasam- batan’ireo atleta ny fiofanana ka teratany Renioney, Annick Amavouty, avy ao amin’ny ligim-paritr’i La Réunion no mitarika izany. Manampy azy ny tale teknika nasionaly malagasy, José Rajaonah, avy ao amin’ny Madagascar Paralympic Committee

Beach soccer – Lavon’ i Sénégal sahady  ny Barean’ i Madagasikara

Beach soccer – Lavon’ i Sénégal sahady ny Barean’ i Madagasikara(0)

Vao nanomboka dia montsana. Lavon’i Sénégal tamin’ny isa mavesatra 7 no ho 3 ny Barean’i Madagasikara, omaly tamin’ny lalao fanombohana, amin’ny fifaninanana baolina kitra ambony tora-pasika, tany El Jadida Maraoka. Anio dia hifandona amin’ny ekipa mpampiantrano ny ekipam-pirenena malagasy. Rahampitso kosa izy ireo no hifampitàna amin’i Ghana. Mbola mila mitady fandresena roa izany ny Barean’i Madagasikara raha teo ho tafiditra ao anatin’ny dingana manasa-dalana. Raha tafavoaka izy ireo dia hifandona amin’izay voalohany ao amin’ny vondrona B. R.A

Minisiteran’ny fanatanjahantena – Hozongozonin’i Monja Roindefo  amin’ny toerany i Botralahy Gérard

Minisiteran’ny fanatanjahantena – Hozongozonin’i Monja Roindefo amin’ny toerany i Botralahy Gérard(0)

Na dia efa nanizingizina ny «tsy fahafahana maka minisitera» aza ny Praiminisitra Omer Beriziky, dia mbola mihevitra ny hanozongozona ny minisitra Botralahy Gérard amin’ ny sezany ihany i Monja Roindefo, izay filohan’ ny antoko Monima. Raha ny resaka mandeha dia mikasa ny hitondra vadintany eny Ambohijatovo izy ireo anio ary hanala ity minisitra natolotra tamin’ny anaran’ ny antoko ity, amin’ny toerany. Isan’ireo tsy marin- toerana ihany koa ny minisitry ny Angovo, Nestor Razafindroriaka, izay

Hijery hafa

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite