Voka-pikarohana isan’ny nampihorohoro ny firenena amerikanina ny filazana fa ahiana ho lany tamingana ny gidro eto Madagasikara. « Mampanahy mafy an’i Etazonia ny voka-pikarohana farany navoakan’ny manam-pahaizana manokana iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana, izay nilaza fa maherin’ny 90%-n’ireo gidro eto Madagasikara no tandindonin-doza na ahiana ho lany tamingana ato ho ato », araka ny tatitra navoakan’ny seraseran’ ny masoivoho amerikanina eto amintsika.
Voatondro molotra indray ny mpitondra tetezamita ankehitriny. « Manainga ny fitondram-panjakana malagasy mba hampitsahatra ny fivarotana karazan-java-manan’aina sy hazo voaaro, ary hampiato avy hatrany ny famotehana mahatsiravina ireo harena natao holovain’izao tontolo izao », hoy ny karazana antso fanairana nataon-dry zareo Amerikanina.
LR









0 Fanehoan-kevitra