Vaky loha > Lehilahy iray 40 taona no vaky loha voadonan’ny fiara tetsy amin’ny lalana Digue Anosi-patrana, omaly alina tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany. Niantso ny teo anivon’ny mpa-monjy voina ireo olona teo amin’ny manodidina, ka ireto farany no nitondra azy ho eny amin’ny hôpitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona.
Tsy tra-drano > Lehilahy iray 20 taona no maty tsy tra-drano notifirin’ny mpamaky trano tany Andilana-toby,ny 9 janoary teo tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany maraina. Rangahy iray 60 taona ihany koa no naratra mafy novonoin’ireo olon-dratsy tamin’ izany. Trano efatra no norobain’izy ireo ka en- tana maro no lasany.
Maty voatrobaky ny lefona > Lehilahy iray tompom-bady no maty notsindronin’ny rafilahiny tamin’ny lefona tany Ankodabe Antsohihy, ny 2 janoary teo. Tratran’ilay tompom-bady ambodiomby ilay rafilahiny sy ilay vadiny, ka nandray lefona izy hamonoana azy ireo, saingy izy indray no voatrobak’ilay rafilahiny tamin’izany rehefa raikitra ny fifandonana. Efa notanana ao amin’ny biraon’ny zandary ao an-toerana ilay nahavanon-doza.
Voatifitry ny dahalo > Tompon’omby iray no maty ary olona roa hafa naratra voatifitry ny dahalo tany Besely atsimo ny 9 janoary teo tokony ho tamin’ny 9 ora maraina. Omby 95 an’ity maty voatifitra ity no lasan’ireo dahalo ireo, ka nahatonga ny fanarahan-dia. Efa tafaverina avokoa ireo omby rehetra very ireo amin’izao fotoana izao.
Fianakaviamben’ny polisy > Notanterahina teny amin’ny ENSP Ivato ny fiarahabana noho ny fahatrarana ny taona vaovao teo anivon’ny fianakaviamben’ny polisim-pirenena. Isan’ny tonga nanatrika ity lanonana ity ny minisitry ny Filaminana anatiny, ny contrôleur général de police, Rakotondrazaka Arsène izay nitondra firarian-tsoa ho an’ireo polisy rehetra mane-rana ny Nosy.









0 Fanehoan-kevitra