FIBEBAHANA
Fandravana ny fifandrafiana eo amin’ny samy mpa- nompon’Andriamanitra no voalaza ho anton’ny nivorian’ ilay vondron’ny mpaminany eto Madagasikara, omaly. Dingana heverin’izy ireo fa hahatongavana amin’ ny fanasitranana ny firenena izany. Nifaneken’ny rehetra fa hoentina haparitaka manerana ny Nosy ny hetsika.
MALOTO MIPARITAKA
Mitaraina amin’ny tsy fanajan’ny olona sasany ny fahaiza-miaina sy ny fahadiovana ny mponina eny Anjanahary IIS. Voalaza fa miparitaka eny anela- kelan-trano rehetra eny ny harona plastika misy maloto, ankoatra ny fako tsy voaary amin’ny toerany. Miezaka ary mandray ny andraikiny amin’ny fikoja- kojana sy ny fanadiovana ny tanàna ny tompon’ andraikitra eo anivon’ ny fokontany nefa misy bemarenina ny olona sasany.









0 Fanehoan-kevitra