Subscribe to RSS

Tapatapany

FITRANDRAHANA
Hanomboka tsy ho ela ihany koa ny fanamarinam- bokatra eo anivon’ilay kaompania sinoa Wisco mikasa ny hitrandraka vy ao Soalala. Kabinetra iraisam-pirenena no hanao io fanamarinana io, ka hojerena amin’ izany ny fanajan’ity kaompania ity na tsia ny bokin’andraikitra nekeny hotanterahina.

LALAO VINTANA
Mbola mitohy ny fizarana ilay tontona miavaka isaky ny fisarihana mitentina Ar 10 tapitrisa an’ny lalao Peo ny dimy. Mpilalao roa no tonga naka ny lokany nandritra ny fisarihana faha-275 natao ny talata teo. Nahazo Ar 2,5 tapitrisa ny iray raha Ar 1 428 500 kosa no azon’ilay mpilalao faharoa.

FANAMPIANA
Taorian’ny hopitalin’ ny reny sy ny zaza etsy Tsaralalàna dia ny hopitalin’i Soavinandriana indray no nahazo tombony tamin’ny fanampian’ny Eau vive. Nanamboarana seza hahafahan’ireo marary na ny fianakaviany,  miandry fitsaboana ihany koa mantsy io toeram-pitsaboana eny Soavinandriana io.

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

Lalao finday – Namoaka mpanapitrisa voalohany ny M’Vola

Lalao finday – Namoaka mpanapitrisa voalohany ny M’Vola(0)

Fampiarahana ny maha-soa sy ny mahafinaritra. Nanomboka ny 3 jona teo ary haharitra hatramin’ ny 4 aogositra ny Tombola lehibe atolotry ny M’Vola ho an’ireo mpanjifany. Tamin’ny herinandro lasa iny dia efa namoaka ny mpanapitrisa voalohany ny M’vola, ka i Mahaleo Tsiebo avy any Toliara no nitsikian’ny vintana, nahazo ny Ar 1 tapitrisa tamin’ny fisarihana voa- lohany natao teny Alarobia, teo anatrehan’ireo mpanara-maso ny lalao. «Nanomboka

Gaboraraka amin’ny fitaterana – Mandoa Ar 600 vao tonga eny Fiadanamanga Iavoloha

Gaboraraka amin’ny fitaterana – Mandoa Ar 600 vao tonga eny Fiadanamanga Iavoloha(0)

Gaboraraka miharo tsy fandraisana andraikitra. Manao izay danin’ny kibony tanteraka ireo fiara fitateram-bahoaka mankany Fiadanamanga Iavoloha. Rehefa atambatra ny saran-dalana aloan’ny mpandeha iray hamonjy fodiana any amin’iny faritra iny ny hariva dia tafakatra Ar 600. Tsy misy tonga any amin’ny toeram-piantsonana farany voatondron’ny bokin’andraikitr’izy ireo ny ankamaroan’ ireo taksibe amin’ny zotra 187 sy 137 rehefa

Haino aman-jery – Hiroso amin’ny fampiasana ny TNT ireo fahitalavitra

Haino aman-jery – Hiroso amin’ny fampiasana ny TNT ireo fahitalavitra(0)

Tsy azo ihodivirana intsony. Efa tongotra mby an-dakana ny an’ny Fanjakana ny amin’ny fametrahana ny “télévision numérique terrestre (TNT)”. Ny 17 jona 2015 dia tsy miasa intsony eto Madagasikara sy aty Afrika ny teknolojia fampitana sary amin’izao. “Efa mipetraka ny tondrozotra ny amin’ny fametrahana izany TNT izany. Voakasik’io fepetra io avokoa ireo televiziona miankina na

Foiben’ny hetra – Nilaza ho naha-ray Tva Ar 96700 tapitrisa ny Fanjakana

Foiben’ny hetra – Nilaza ho naha-ray Tva Ar 96700 tapitrisa ny Fanjakana(0)

Mitohy ny fanehoan-kery eo amin’ny foibem-pitondrana misahana ny hetra (Dgi) sy ireo sehatra tsy miankina. Ireto farany izay nanapa-kevitra, tamin’ ny alàlan’ny vondron’ny mpandraharaha na GEM, ny tsy handoa hetra amin’ ny fanjakana fa any amin’ ny banky mandra-pivahan’ ny olana politika. Nilaza indray ny teo anivon’ny Dgi omaly fa “nahatratra Ar 96 700 tapitrisa

Fitadiavana – Misy mirona amin’ny asa an-trano ireo manana mari-pahaizana ambony

Fitadiavana – Misy mirona amin’ny asa an-trano ireo manana mari-pahaizana ambony(0)

Tsy mifidy asa intsony. Tsikaritr’ireo ivon-toerana misahana ny tolotra sy ny tinady amin’ny asa fa na ireo manana ny mari-pahaizana bakalorea no mihoatra aza dia misy mitady asa an-trano ankehitriny. «Raha ireo olona any ambanivohitra lavitra any sy ireo olona tsy manana mari-pahaizana mazàna no mitady asa an-trano, dia efa mirotsaka amin’ity sokajin-tsenan’asa ity ihany koa ireo manana mari-pahaizana ambony amin’izao fotoana izao. Ny 10%-n’ireo mitady asa an-trano dia olona manam-pahaizana avokoa. Misy olona manana bakalorea miampy fianarana ambony roa na telo taona mitady asa an-trano eto», hoy Rabemanambola Emilie, mpitantana ivon-toerana mi­sahana tolotra sy tinady amin’ny asa iray, etsy Soarano. Manana ny maha samihafa azy anefa ity sokajina mpitady asa an-trano vaovao ity. «Efa mametraka fetra amin’ny karama tadiaviny izy ireo, tsy latsaky ny Ar 100 000. Olona somary manan-katao no tena mampiasa azy ireo na ireny teratany vahiny mitady olona hitaiza ny zanany ireny», hoy hatrany Rabemanambola Emilie. Mikasa fandraharahana  Raha ny fanamarihany dia karazan’olona mikatsaka ny hanao tahiry sy hanao fandraharahana mahaleo tena ny ankamaroan’ireo manam-pahaizana miasa an-trano. Tsikaritr’io ivon-toerana iray io fa na ny asa fiambenana aza dia ahitana olona tena manam-pahaizana. «Efa nisy olona nanana  »maîtrise » amin’ny taranja Matematika nampianatra tany amin’ny tsy miankina, nikarama Ar 80 000 isam-bolana, niala tamin’ny asany teto satria nahita asa fiambenana nandraisany karama Ar 150 000 isam-bolana», hoy izy. Na ireo olona efa mananika ny 60 taona ihany koa aza dia mbola misy mitady asa eny anivon’ireny ivon-toerana ireny. Toa an-dRavelomanantsoa Samuel, 56 taona sy ny vadiny. «Raha mbola mahavita dia aleo miasa toy izay hiankina amin’ny zanaka. Asana mpiambina izao no tadiaviko. Asa an-trano ny an’ilay vadiko», hoy izy. Isan’ireo very asa tamin’ny taona 2009 ity raim-pianakaviana ity. Hanitry Ny Aina

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite