RNM ANTSIRABE
Tsy ho an’ny politika mpanakorontana
Ho afaka ho henon’ny mponinan’Antsirabe sy ny manodidina tsy ho ela ny onjam-peo RNM Antsirabe. Ny minisitry ny Serasera, Harry Rahajason no tonga nanokatra sy nandefa ity onjam-peo ity tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo. Notsipihin’ingahy minisitra avy hatrany fa tsy hahazo toerana ao amin’io onjam-peo azo raisina amin’ ny maridrefy 101.2 FM io ireo mpanao politika mpanakorontana.
Tsy hadinony ihany koa ny nanafatra ireo fianaka- viamben’ny sampan’ny onjam-peom-pirenena tany an-toerana ny maha laharam-pahamehana ny fanabeazana amin’ny maha olona, indrindra ny fanentanana momba ireo fifidianana hifandimby eto amintsika amin’ny taona ho avy iny.
Arira
FANABEAZANA
Nahazo garabola ny ao Fenoarivo atsinanana
Nosokafana tamin’ny faran’ ny herinandro lasa teo ny akany fibeazana ho an’ny kilonga madinika na gara- bola, miankina amin’ny EPP Sahavory, ao Fenoarivo Atsinanana. Ny sampan’ny Firenena Mikambana misahana ny reny sy ny zaza na Unicef sy ny faritra Analanjirofo no niantoka ny fananganana azy.
Nosokafana ity sekoly ity taorian’ny andrana natao teo amin’ny ankizy 100 tao an-toerana. Nitarika ny fitokanana ny Dr Saina Michel, Lehiben’ny faritra. «Antoka mampisokatra ny sain’ny zaza ny fananana rafitra toy itony. Somary tara raha enin-taona vao tafiditra an-tsekoly ny ankizy. Fomba iray hampitovizana lenta ny ankizy ny fananana itony sekoly itony, indrindra izy miankina amin’ny fanjakana», hoy ny Dr Saina Michel. Natrehin’ny solontenan’ny Unicef ny lanonana nitoka- nana io rafitra io.
B.A









0 Fanehoan-kevitra