Subscribe to RSS

Tapatapany

Mpitaingina môtô roa maty tsy tra-drano. Lehilahy roa no maty tsy tra-drano, rehefa nianjera teny ambony môtô, tany Lokomby Mana-kara, ny 6 aogositra lasa teo tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Raha ny voalazan’ny zandarimaria dia efa avy niso-trosotro izy roa lahy ireto izao tra-doza izao.

Lehilahy voatifitra teo amin’ny feny. Dahalo 12 avy nangalatra omby 19 tao amina vehivavy iray no nitifitra lehilahy iray mpanara-dia teo amin’ny feny, ny alarobia 8 aogositra teo tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany hariva tao An-karamena any Matsiatra Ambony. Nitondra basim-borona 7 ireo dahalo tamin’izany.

Omby nakana nofo tao anatin’ny fotoana fohy. Efa taolan’omby sisa navelan’ireo mpangalatra tany Andrian-tomporay Ambatomira-havavy ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Omby iray no lasan’izy ireo ka 2 km niala ny fahatra no nahitana ireo taolana. Tao anatin’ny fotoana fohy no nanaovan’ireo olon-dratsy izany rehetra izany.

0 Fanehoan-kevitra

Lahatsoratra hafaMiverena @ pejy fandraisana

JK groupe – «Tsy mbola nisy ny fitarainana momba ny Power Balance»

JK groupe – «Tsy mbola nisy ny fitarainana momba ny Power Balance»

Ho hita mandritra ny hetsika ara-barotra La Grande Braderie etsy Mahamasina ny vokatra ny fehin-tanana «ES», amidin’ny Jk Groupe ary hanoloan’izy ireo ny «power balance». Ity farany izay voarara tamin’ny firenen-dehibe maromaro toa an’i Etazonia sy Aôstralia ny famarotana azy, kanefa nambaran-dry zareo avy ao amin’ny Jk Groupe ho tsy naharaisana fitarainana mihitsy avy amin’ny mpanjifa azy teto Madagasikara hatramin’ izao. Voalaza fa manampy ny mpitondra azy eo amin’ny fahasalamana itony karazana fehin-tanana itony. Hiavaka ny

Tapatapany

Tapatapany

FANADINANA CEPE Notombanana ho vita omaly ny fandinihana farany ny laza adina amin’ny fanadinam-panjakana Cepe. Voalaza fa hoezahin’ny minisiteran’ny Fanabeazam- pirenena ny hanaparitaka eny amin’ny Cisco ireo laza adina voafidy any amin’ny tapaky ny volana jona. Misy karazany telo raha ny fantatra ny laza adina ho an’ity fanadinana ity mba hisorohana ny mety ho fiparitahany

Tapatapany

Tapatapany

Antsokosoko. Sokatra 40 sy tanalahy 31 no saron’ny polisy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly tolak’andro, tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany. Raha ny fantatra dia any Bangkok no saika nanondranana ireto biby ireto. Tsy fantatra kosa izay nitondra azy. Lozam-pifamoi­voizana. Fiara tsy mataho-dalana iray no potika rehefa nidona tamin’ny tranon’olona tetsy Ambodivona, omaly vao mangiran-dratsy. Tsy fantatra mazava izay tena antony nahatonga ny loza. Sambo mpijirika. Misy sambo vahiny iray hitan’ny mpanjono madinika mihaodihaody, omaly any amin’ny morontsiraka atsinanana. Manjono amin’ny fari-drano-masin’i Madagasikara ity sambo ity ary eo amin’ ny 300 metatra miala ny morontsiraka atsinanan’ ny Nosy no misy azy hatreto. Efa nampandre ny manam-pahefana any an-toerana ny zandary raha vao nahita an’io sambo io.

Ankorondrano – Vehivavy iray nandeha nitady asa, nianjera dia maty

Ankorondrano – Vehivavy iray nandeha nitady asa, nianjera dia maty

Vehivavy iray nijoro teo anoloana orinasa iray, niandry asa, no  maty tampoka, tetsy Ankorondrano, omaly maraina tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany. Raha ny tombatom­ban’ ireo olona teo amin’ny manodidina dia 30 taona eo ho eo ity ramatoa ity. «Samy nijoro teto izahay ka tsy fantatra izay nahazo azy fa nianjera tampoka izy ary tsy nahatsiaro tena intsony. Niezaka namonjy azy teo ny olona rehetra nijoro teto saingy tsy nifoha mihitsy izy. Nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsa­boana akaiky indrindra teto izy saingy tsy tana intsony ny ainy», hoy ny nambaran’ny vehivavy iray nahita maso ny fitrangan’ny voina. «Tsy nisy nahafantatra ny fianakaviany izahay teto fa ny namonjy azy fotsiny no natao. Ny kara-panondro tany aminy fotsiny no nahalalana ny tranony ka nisy olona nandeha nampilaza tany», hoy ihany io vehivavy io. H.R

Asan-dahalo – Adzidà iray maty voatifitra  teo amin’ny lohany

Asan-dahalo – Adzidà iray maty voatifitra  teo amin’ny lohany

Zandary mitondra ny laharam-boninahitra adzidà iray no maty tsy tra-drano voatifitry ny dahalo, teo amin’ny lohany, tany Anka­vandra, ny alin’ny alakamisy teo. Nanara-dia ireo dahalo avy nangalatr’omby no nahafaty azy. «Rehefa tonga teo Ankavandra dia nizara roa ny lalan’ireo omby. Nizara roa ihany koa ireo mpanara-dia vokatr’izany. Nifane­hatra tamin’ireo dahalo ny andiana mpanara-dia nisy ilay zandary voatifitra», hoy ny loharanom-baovao iray avy amin’ny zandarimaria any an-toerana. «Mbola any an-toerana amin’izao fotoana izao ny razan’io zandary io. Mbola sarotsarotra ihany anefa ny hitondrana azy io avy any Ankavandra ho aty amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandary aty Menabe ka nolazaiko ireo zandary any an-toerana hitondra ny razana ho any Belobaka», hoy ny nambaran’ny kolo­nely Manassé, lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria, any Menabe. «Raha ny vinavina dia mety ho amin’ny sabotsy no ho tonga aty Belobaka ny vatana mangatsiakan’io zandary io», hoy kosa ny nambaran’ny kolonely Rakotobe Christian, lehiben’ ny vondron-tobim-pileovan’ny zandary ao amin’ny faritra Bongolava. H.R

Hijery hafa

Vu d’ailleurs

banner
banner

Raha hifandray @ Ao Raha

ZI Nord route des Hydrocarbures Ankorondrano - 101 ANTANANARIVO Fax: +261 20 22 628 94 Email: lexpress@malagasy.com - lexpress@lexpressmada.com

Raha manana fanamarihana teknika : it@lexpressmada.com

Tambazotram-pifandraisana hafa

Sokajy be mpamaky

© 2012 L'Express de Madagascar SA Site web http://www.lexpressmada.com Reproduction interdite