FANDRAHARAHANA
Ireo orinasa mpanafatra entana avy any ivelany no maro an’isa tamin’ireo orinasa 396 niforona tao anatin’iny enim-bolana voalohan’ny taona 2012 iny. Tsy ampy ny famokarana eto an-toerana ka mampahazo vahana ny fanafarana entana avy any ivelany. Ahiana hisy fiantraikany amin’ny fifandanjalanjan’ny varotra anatiny manoloana ny amin’ny any ivelany anefa izany raha mitohy, araka ny fanazavan’ny eo anivon’ny Edbm, izay rafitra manaraka ny fanorenana orinasa eto Madagasikara. Nisy 950 ireo orinasa niforona ny enim-bolana voalohan’ny taona 2011.
FIER-MADA
Ambohipihaonan’ireo mpamokatra ny Fier-Mada etsy amin’ny CC Esca Antanimena. Na vokatra ara-tsakafo na avy amin’ny zavamaniry ahodina dia ho hita eny an-toerana hatramin’ny 05 aogositra ho avy izao avokoa. Ao ireo asa tanana vita amin’ny landy sy rofia, ao ny voankazo voahodina, voasary, vokatra maro isan-karazany azo avy amin’ny ronono, hatramin’ny trondro velona, zana-kazo… avy amin’ireo faritra maro samihafa. Lalam-barotra, fahaiza-mamokatra, fahaiza-mivarotra ary fahaizana mitantam-bola ara-drariny no lohahevitra hasongadin’ireo tantsaha mivondrona amin’ny tranoheva 250 amin’ity tsenabe ity.









0 Fanehoan-kevitra